< San Mateo 5 >

1 ANAE jalie si Jesus y linajyan taotao, cajulo gui un sabana, ya matachong; ya y disipuluña manmato guiya güiya.
Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
2 Ya jababa y pachotña ya jafanagüe, ilegña:
Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
3 Mandichoso y mamoble gui Espiritu, sa uiyonñija y raenon langet.
Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
4 Mandichoso y mantriste, sa sija umanafanmagof.
Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
5 Mandichoso y manmanso, sa sija ufanmaereda ni y tano.
Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.
6 Mandichoso y manñalang yan manmajo ni tininas, sa sija umanafanjaspog.
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
7 Mandichoso y manyóase, sa sija ufantinaca ni minaase.
Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
8 Mandichoso y mangasgas corasonñija, sa sija ujalie si Yuus.
Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra,
9 Mandichoso y fumatitinas y pas, sa sija ufanmafanaan famaguon Yuus.
Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.
10 Mandichoso y manmapetsigue pot causa y tininas; sa uiyonñija y raenon langet.
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
11 Mandichoso jamyo, yaguin manmamatdise jamyo, yan manmapetsigue jamyo, yan manmasangane jamyo todo taelaye pot y naanjo, ya manmandague.
Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
12 Fanmagof, ya infansenmagof, sa y premionmiyo gui langet sendangculo: sa taegüenaoja locue manmapetsigueñija y profeta sija ni y antes di jamyo.
Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
13 Jamyo y asigan y tano; ya yaguin y asiga malingo y maaseña, jafa taemano manasne? taya baliña, na umayute juyong ya umagacha ni y taotao.
Hianareo no fanasin’ ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ ny olona.
14 Jamyo y candet y tano. Y siuda ni maplanta gui jilo y tano táquilo ti siña umatog.
Hianareo no fahazavan’ izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
15 Taya candet umasonggue ya umapolo gui papa un medida; lao umapolo gui candelero, ya umanainina todo y mangaegue gui jalom guma.
Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’ izay rehetra ao an-trano izany.
16 Polo ya umanina y candetmiyo gui menan y taotao sija, para ujalie y mauleg chechonmiyo, ya innamagof y tatanmiyo ni y gaegue gui langet.
Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
17 Chamiyo jumajaso na mato yo para juyulang y tinago pat y profeta sija; ti mato yo para juyulang, lao para jucumple.
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
18 Sa magajet jusangane jamyo, nu y langet yan y tano ufalingo; lao ni un punto ni un pongpong gui tinago ufalingo, asta qui güiya todo macumple.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan’ ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’ izy rehetra.
19 Ya jayeja y yumulang uno güine gui sendiquique na tinago, ya mamanagüe ni taotao, diquique umafanaan gui raenon langet; lao jayeja y fumatinas ya mamanagüe umafanaan dangculo gui raenon langet.
Ary amin’ izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin’ ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.
20 Sa guajo sumangane jamyo: na y tininasmiyo yaguin ti mudongña qui y tininas y escriba yan y Fariseo sija, ti siña jamyo manjalom gui raenon langet.
Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
21 Injingogja y munjayan masangane sija gui manmalofan na tiempo: Chamo famumuno, ya jayeja y mamuno, peligroña gui juisio.
Efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana.
22 Lao guajo sumangane jamyo na jayeja y lalalo ni cheluña, peligroña gui juisio, na jayeja y umalog ni cheluña, taetiningo jao, peligroña gui tribunal, lao jayeja y umalog bababa jao, peligroña gui guafen sasalaguan. (Geenna g1067)
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo mirehitra afo. (Geenna g1067)
23 Yaguin unchule y ninaimo guato gui attat, ya ayo nae unjaso na guaja linachimo gui chelumo;
Ary amin’ izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
24 Polo güije y ninaimo gui menan y attat, ya unjanao finena ya inatungo yan y chelumo, ya ayo nae untalo guato ya unnaenñaejon y ninaimo.
dia avelao eo anoloan’ ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
25 Atungo yan y contrariumo enseguidas, mientros gaegue jamyo gui chalanmiyo, noseaja, y cotrariumo unenentrega gui jues, ya y jues unenentrega gui ofisiat ya unmapolo gui preso.
Mihavàna faingana amin’ ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
26 Magajet jusangane jamyo: Seguro na ti unjuyong güije, asta qui anapase y uttimo na coble.
Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
27 Injingogja y munjayan masangan: Munga umábale,
Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga.
28 Ya guajo sumangane jamyo, na jayeja y umatan y palaoan nu ábale na minalagoña, jafatinas yan güiya y ábale gui jalom corasonña.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
29 Yaguin y agapa na atadogmo uninapodong jao, chule ya yute guiya jago; sa maulegña na ufalingo un pidaso guiya jago, qui todo y tataotaomo umayute guiya sasalaguan. (Geenna g1067)
Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin’ ny helo. (Geenna g1067)
30 Ya yaguin y agapa na canaemo uninapodong jao, utut ya yute guiya jago; sa maulegña, na ufalingo un pidaso guiya jago, qui todo y tataotaomo umayute guiya sasalagüan. (Geenna g1067)
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin’ ny helo. (Geenna g1067)
31 Munjayan locue masangan: Jayeja y dumingo y asaguaña, umatugue y papet y inapattan umasagua.
Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady.
32 Lao guajo sumangane jamyo, na y dumingo y asaguaña ya ti pot inábale, jafatinas y ábale; ya jayeja y umasagua ayo y umadingo, jafatinas y ábale.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
33 Injingogja locue y munjayan masangane sija gui manmalofan na tiempo: Munga manjula pot namaesa jao; lao unfatinas ni y Señot gui jinilamo.
Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin’ ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin’ i Jehovah ny fianiananao.
34 Lao guajo sumangane jamyo: Chamiyo fanmanjujula pot jafa; ti pot y langet, sa raenon Yuus;
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin’ ny lanitra, fa seza fiandrianan’ Andriamanitra izany;
35 Ni pot y tano, sa sagan y adengña; ni pot Jerusalem, sa siuda y dangculo na Ray;
na amin’ ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin’ i Jerosalema, fa tanànan’ ny Mpanjaka lehibe izany.
36 Ni pot y ilumo unfanjula; sa ti siña y gaponulo uno naapaca, ni uno naatulong.
Aza mianiana amin’ ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
37 Lao yaguin manguentos jamyo, alog: Junggan, junggan; Aje, aje; sa yaguin mas qui este, taelaye jumuyong.
Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ ny ratsy.
38 Injingogja y munjayan masangan: Atadog yan atadog, nifen yan nifen,
Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon’ ny maso, ary nify solon’ ny nify.
39 Lao guajo sumangane jamyo: Chamiyo fumatinas jafa contra y tinaelaye; yaguin jayejao pumatmada gui agapa na fasumo, birayeja ni y otro.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
40 Ya jayeja y munaquequemumojao ya jachule y magagomo, nae locue y capamo.
Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
41 Ya jayeja y umafuetsas jao na unjanao yan güiya un miya; unjanao yan güiya dos.
Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.
42 Y gumagao jao, nae; ya y mumalago umayao jao, chamo jao rumiuusa.
Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodìna izay te hisambotra aminao.
43 Injingogja y munjayan masangan: Guaeya y tiguangmo ya chatlie y enemigomo.
Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.
44 Lao guajo sumangane jamyo: Guaeya y enemigonmiyo; bendise y mumatdidise jamyo; fantinas mauleg ni y chumatlie jamyo, tayuyute sija as Yuus ni y munamamajlao jamyo yan y pumetsigue jamyo,
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo,
45 Para infanfamaguon y tatanmiyo ni y gaegue gui langet, nu y janafanina y atdao gui jilo y manaelaye yan y manmauleg; ya janauchan gui jilo y manunas yan y timanunas.
mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.
46 Sa yaguin inguaeya ayo y gumaeya jamyo, jafa premionmiyo? Ada ti jafatinas locue taegüenao y publicano sija?
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
47 Yaguin unsaluda y mañelunmiyo, jafa unfatinas mauleg? Ada ti jafatinas locue taegüenao y ti mangilisyano?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
48 Nafangabales jamyo taegüije y tatanmiyo ni y gaegue gui langet, cabales.
Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ ny Rainareo Izay any an-danitra.

< San Mateo 5 >