< 2 Samueli 18 >

1 Davide anasonkhanitsa anthu amene anali naye ndipo anasankha atsogoleri ena olamulira ankhondo 1,000 ndi ena olamulira ankhondo 100.
Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy.
2 Davide anatumiza asilikaliwo atawagawa patatu: gulu loyamba limalamulidwa ndi Yowabu, gulu lachiwiri limalamulidwa ndi Abisai ndipo gulu lachitatu limalamulidwa ndi Itai Mgiti. Mfumu inawuza asilikaliwo kuti, “Inenso ndipita nanu ndithu.”
Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin’ i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin’ i Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin’ Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
3 Koma anthuwo anati, “Inu musapite nafe. Ngati tidzathamangitsidwa, iwowo sadzasamala za ife. Ngakhale theka la ife litafa, iwo sadzasamalako. Koma inuyo ndinu ofunika kuposa asilikali 10,000. Nʼkwabwino kwambiri kuti inu muzititumizira chithandizo kuchokera ku mzindako.”
Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
4 Mfumu inayankha kuti, “Ine ndichita chimene chili chokukomerani.” Kotero mfumu inayima pambali pa chipata pamene ankhondo onse amayenda mʼmagulu a anthu 100 ndi a 1,000.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan’ arivo.
5 Mfumu inalamulira Yowabu, Abisai ndi Itai kuti, “Mumukomere mtima Abisalomu chifukwa cha ine.” Ndipo asilikali onse anamva pamene mfumu imalamula izi za Abisalomu kwa wolamulira aliyense.
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’ i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian’ ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’ i Absaloma.
6 Ankhondo anayenda kupita kukachita nkhondo ndi Israeli, ndipo nkhondo inachitika mʼnkhalango ya Efereimu.
Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin’ ny Isiraely, ka rafitra tao amin’ ny alan’ i Efraima ny ady;
7 Aisraeli anagonjetsedwa kumeneko ndi ankhondo a Davide. Tsiku limenelo anaphedwa anthu okwanira 20,000.
ary resy tao ny lehilahy amin’ ny Isiraely teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.
8 Nkhondo inafalikira ku madera onse akumidzi ndipo anthu akufa chifukwa cha zoopsa za mʼnkhalango anali ambiri tsiku limenelo kuposa akufa ndi lupanga.
Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin’ ny ala androtrizay dia be noho ny matin’ ny sabatra.
9 Tsono zinachitika kuti Abisalomu anakumana ndi asilikali a Davide. Iye anali atakwera bulu ndipo pamene buluyo amadutsa pansi pa nthambi zambiri za mtengo wa thundu, mutu wa Abisalomu unakodwa mu mtengomo. Iye anasiyidwa atatsakamira mʼmalele, pamene bulu amene anakwerapoyo amapitirira.
Ary Absaloma nifanehatra tamin’ ny mpanompon’ i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin’ ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ ny hazo terebinta, ka voahazon’ ny hazo terebinta ny lohan’ i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan’ ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
10 Mmodzi mwa asilikali ataona zimenezi, anamuwuza Yowabu kuti, “Ine ndamuona Abisalomu ali lende mu mtengo wa thundu.”
Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin’ ny hazo terebinta Absaloma.
11 Yowabu anati kwa munthu amene anamuwuza zimenezi, “Ukuti chiyani! Unamuona? Nʼchifukwa chiyani sunamukanthire pansi pomwepo? Ndipo ine ndikanakupatsa ndalama za siliva khumi ndi lamba wausilikali.”
Ary hoy Joaba tamin’ ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin’ ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
12 Koma munthuyo anayankha kuti, “Ngakhale atandipatsa mʼmanja mwanga ndalama zasiliva 1,000, sindingatambasule dzanja langa kupha mwana wa mfumu. Ife tikumva, mfumu inalamula inu Abisai ndiponso Itai kuti, ‘Mutetezeni mnyamatayo Abisalomu chifukwa cha ine!’
Fa hoy ralehilahy tamin’ i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’ i Absaloma zatovo.
13 Ndipo sindikanayika moyo wanga pa chiswe pakuti palibe chimene chimabisika pamaso pa mfumu komanso inu simukanditeteza.”
Tsy misy zavatra azo afenina amin’ ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.
14 Yowabu anati, “Ine sinditayanso nthawi ndi iwe.” Ndipo anatenga mikondo itatu mʼmanja mwake ndipo anabaya pamtima pa Abisalomu, Abisalomuyo akanali ndi moyo pa mtengo wa thundu.
Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin’ ny fon’ i Absaloma, raha mbola velona teo amin’ ny hazo terebinta izy.
15 Ndipo anthu khumi onyamula zida za Yowabu anazungulira Abisalomu, kumubaya ndi kumupha.
Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, nanodidina an’ i Absaloma ka namely azy ho faty.
16 Kenaka Yowabu analiza lipenga ndipo asilikali analeka kuthamangitsa Israeli pakuti Yowabu anawaletsa.
Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran’ i Joaba izy.
17 Iwo anatenga Abisalomu ndi kumuponya mʼdzenje lalikulu mʼchipululumo ndipo anawunjikapo miyala ikuluikulu. Nthawiyi Aisraeli onse anathawa kupita ku nyumba zawo.
Dia nalain’ ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
18 Abisalomu ali ndi moyo anadzimangira chipilala mʼchigwa cha mfumu, pakuti ankaganiza kuti, “Ine ndilibe mwana wamwamuna amene adzakhale chikumbutso changa.” Chipilalacho anachitchula dzina lake lomwe ndipo mpaka lero chimatchedwa chipilala cha Abisalomu.
Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan’ ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran’ ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an’ i Absaloma no anarany mandraka androany.
19 Tsono Ahimaazi mwana wa Zadoki anati, “Ndiloleni ndithamange ndi kukapereka uthenga kwa mfumu kuti Yehova wayipulumutsa mʼdzanja la adani ake.”
Dia hoy Ahimaza, zanak’ i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nanomezan’ i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin’ ny fahavalony.
20 Yowabu anamuwuza iye kuti, “Iwe si amene uti ukanene zimenezi lero. Ukapereka uthenga nthawi ina, koma usatero lero, chifukwa mwana wa mfumu wafa.”
Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin’ ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.
21 Kenaka Yowabu anawuza Mkusi kuti, “Pita ukawuze mfumu zimene waona.” Mkusiyo anawerama pamaso pa Yowabu ndipo anathamanga kupita.
Ary hoy Joaba tamin’ ilay Kosita: Andeha, ambarao amin’ ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan’ i Joaba, dia lasa nihazakazaka.
22 Ahimaazi mwana wa Zadoki ananenanso kwa Yowabu kuti, “Zivute zitani, chonde mundilole kuti ndipite pambuyo pa Mkusiyo.” Koma Yowabu anayankha kuti, “Mwana wanga, nʼchifukwa chiyani ukufuna kupita? Ulibe nkhani yoti ukalandire nayo mphotho.”
Fa Ahimaza, zanak’ i Zadoka, dia mbola niteny tamin’ i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
23 Iye anati, “Zivute zitani ine ndikufuna kuti ndipite.” Choncho Yowabu anati “Pita!” Ndipo Ahimaazi anathamanga kudzera njira ya ku chigwa ndipo anamupitirira Mkusi uja.
Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin’ ny lalana eny amin’ ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an’ ilay Kosita.
24 Nthawi imeneyo nʼkuti Davide atakhala pakati pa zipata ziwiri, chakubwalo ndi chamʼkati. Mlonda anakwera pa khoma nakayimirira pa denga la chipata. Anati atayangʼana, anaona munthu akuthamanga yekhayekha.
Ary Davida nipetraka teo anelanelan’ ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin’ ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.
25 Mlonda uja anapita kwa mfumu ndipo anafotokoza. Mfumu inati, “Ngati ali yekha ali ndi nkhani yabwino” Ndipo munthuyo anayandikira.
Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.
26 Mlonda uja anaonanso munthu wina akuthamanga, ndipo anayitana woyangʼanira pa chipata, “Taona, munthu winanso akuthamanga ali yekha!” Mfumu inati, “Iye akubweretsanso nkhani yabwino.”
Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.
27 Mlonda uja anati, “Munthu akuthamanga patsogoloyo, kathamangidwe kake kakufanafana ndi mmene amathamangira Ahimaazi, mwana wa Zadoki.” Mfumu inati, “Ameneyo ndi munthu wabwino, ndipo akubwera ndi nkhani yabwino.”
Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak’ i Ahimaza, zanak’ i Zadoka, no fihazakazak’ iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
28 Ndipo Ahimaazi anafuwula kwa mfumu, “Zonse zili bwino!” Iye anagwada pamaso pa mfumu nkhope yake atagunditsa pansi ndipo anati, “Yehova Mulungu wathu alemekezedwe! Iye wapereka mʼdzanja lathu anthu amene anawukira inu mbuye wanga mfumu.”
Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin’ ny mpanjaka tompoko.
29 Mfumu inafunsa, “Kodi mnyamata uja Abisalomu watetezedwa?” Ahimaazi anayankha, “Pamene Yowabu amati azindituma ine mtumiki wanu ndinaona chipiringu cha anthu, koma sindikudziwa chinali chiyani.”
Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin’ ny nanirahan’ i Joaba ny mpanompon’ ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
30 Mfumu inati, “Ima apo ndipo udikire.” Kotero iye anapita pa mbali nayima pamenepo.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo.
31 Kenaka Mkusi uja anafika ndipo anati, “Mbuye wanga mfumu imvani nkhani yabwino! Yehova wakupulumutsani inu lero kwa onse amene anakuwukirani.”
Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin’ izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
32 Mfumu inafunsa Mkusiyo kuti, “Kodi mnyamata uja Abisalomu watetezedwa?” Mkusiyo anayankha kuti, “Adani anu mbuye wanga mfumu, pamodzi ndi anthu onse amene amakuwukirani, ziwaonekere zomwe zamuonekera mnyamatayo.”
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.
33 Mfumu inanthunthumira. Inapita ku chipinda cha mmwamba cha pa chipata kukalira. Pamene imapita, inkati: “Iwe mwana wanga Abisalomu! Mwana wanga! Mwana wanga Abisalomu! Zikanakhala bwino ndikanafa ndine mʼmalo mwako! Iwe Abisalomu, mwana wanga, mwana wanga!”
Ary dia niontana terỳ ny fon’ ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin’ ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!

< 2 Samueli 18 >