< 耶利米书 28 >

1 当年,就是犹大王西底家登基第四年五月,基遍人押朔的儿子,先知哈拿尼雅,在耶和华的殿中当着祭司和众民对我说:
Ary tamin’ izany taona izany ihany, dia tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahefatra, no nitenenan’ i Hanania, zanak’ i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’ i Jehovah, teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
2 “万军之耶和华—以色列的 神如此说:我已经折断巴比伦王的轭。
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona,
3 二年之内,我要将巴比伦王尼布甲尼撒从这地掠到巴比伦的器皿,就是耶和华殿中的一切器皿都带回此地。
ka ao anatin’ ny roa taona no hampodiako ho amin’ ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah izay nalain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, avy tamin’ ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:
4 我又要将犹大王约雅敬的儿子耶哥尼雅和被掳到巴比伦去的一切犹大人带回此地,因为我要折断巴比伦王的轭。这是耶和华说的。”
ary Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin’ ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona.
5 先知耶利米当着祭司和站在耶和华殿里的众民对先知哈拿尼雅说:
Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon’ i Jehovah,
6 “阿们!愿耶和华如此行,愿耶和华成就你所预言的话,将耶和华殿中的器皿和一切被掳去的人从巴比伦带回此地。
Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon’ i Jehovah anie izany! hotanterahin’ i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin’ ny hampodiana ny fanaky ny tranon’ i Jehovah mbamin’ ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin’ ity tanàna ity indray.
7 然而我向你和众民耳中所要说的话,你应当听。
Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
8 从古以来,在你我以前的先知,向多国和大邦说预言,论到争战、灾祸、瘟疫的事。
Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
9 先知预言的平安,到话语成就的时候,人便知道他真是耶和华所差来的。”
Ny amin’ ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’ i Jehovah tokoa izy.
10 于是,先知哈拿尼雅将先知耶利米颈项上的轭取下来,折断了。
Dia nesorin’ i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
11 哈拿尼雅又当着众民说:“耶和华如此说:二年之内我必照样从列国人的颈项上折断巴比伦王尼布甲尼撒的轭。”于是先知耶利米就走了。
Ary Hanania niteny teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ ny Babylona, ho afaka amin’ ny vozon’ ny firenena rehetra ao anatin’ ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.
12 先知哈拿尼雅把先知耶利米颈项上的轭折断以后,耶和华的话临到耶利米说:
Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, nony efa notapahin’ i Hanania mpaminany ho afaka tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:
13 “你去告诉哈拿尼雅说,耶和华如此说:你折断木轭,却换了铁轭!
Mandehana, ka lazao amin’ i Hanania hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony.
14 因为万军之耶和华—以色列的 神如此说:我已将铁轭加在这些国的颈项上,使他们服事巴比伦王尼布甲尼撒,他们总要服事他;我也把田野的走兽给了他。”
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin’ ny vozon’ ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
15 于是先知耶利米对先知哈拿尼雅说:“哈拿尼雅啊,你应当听!耶和华并没有差遣你,你竟使这百姓倚靠谎言。
Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ ny lainga.
16 所以耶和华如此说:看哪,我要叫你去世,你今年必死,因为你向耶和华说了叛逆的话。”
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin’ ny tany ianao; amin’ ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notorinao
17 这样,先知哈拿尼雅当年七月间就死了。
Ka dia maty tamin’ ny volana fahafito tamin’ iny taona iny ihany Hanania mpaminany.

< 耶利米书 28 >