< Anden Kongebog 23 >

1 Og Kongen sendte hen, og alle de Ældste i Juda og Jerusalem samlede sig om ham.
Ary nanirahan’ ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon’ ny Joda Jerosalema rehetra.
2 Og Kongen gik op i Herrens Hus, og alle Judas Mænd og alle Jerusalems Indbyggere med ham og Præsterne og Profeterne og alt Folket, baade smaa og store, og han læste for deres Øren alle Ordene i Pagtens Bog, som var funden i Herrens Hus.
Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ ny bokin’ ny fanekena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
3 Og Kongen stod paa Forhøjningen og gjorde Pagten for Herrens Ansigt, at de skulde vandre efter Herren og holde hans Bud og hans Vidnesbyrd og hans Skikke af ganske Hjerte og af ganske Sjæl for at hævde denne Pagts Ord, som vare skrevne i denne Bog; og alt Folket indgik Pagten.
Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’ izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
4 Og Kongen bød Hilkia, Ypperstepræsten, og Præsterne af anden Rang og Dørvogterne, at de skulde udføre af Herrens Tempel alle de Redskaber, som vare gjorte til Baal og til Astarte og til al Himmelens Hær; og de opbrændte dem uden for Jerusalem paa Kedrons Marker, og Støvet af dem lod han bringe til Bethel.
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ i Bala sy Astarta ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra hiala amin’ ny tempolin’ i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’ i Jerosalema teny amin’ ny saha amoron’ i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
5 Og han afsatte de afgudiske Præster, som Judas Konger havde indsat, og som havde gjort Røgelse paa Højene i Judas Stæder og i dem, som laa omkring Jerusalem, samt dem, som gjorde Røgelse for Baal, for Solen og for Maanen og for Himmeltegnene og for al Himmelens Hær.
Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ ny mpanjakan’ ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ ny fitoerana avo tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy tamin’ ny manodidina an’ i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ ny volana sy ny kintana amin’ ny Zodiaka ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
6 Og han lod Astartebilledet føre ud af Herrens Hus uden for Jerusalem til Kedrons Bæk og opbrændte det ved Kedrons Bæk og stødte det smaat til Støv, og han kastede dets Støv paa Folkets Børns Grave.
Ary ny Aseraha navoakany hiala amin’ ny tranon’ i Jehovah ho any ivelan’ i Jerosalema, ao amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nodorany tao io ka notorotoroiny ho vovoka, ary ny vovony nafafiny teny ambonin’ ny fasam-bahoaka.
7 Og han nedbrød de Skørlevneres Huse, som vare ved Herrens Hus, i hvilke Kvinderne vævede Telte for Astarte.
Ary noravany ny tranon’ ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay teo amin’ ny tranon’ i Jehovah, dia ireo nanenoman’ ny vehivavy lay ho an’ i Astarta.
8 Og han lod alle Præsterne komme fra Judas Stæder og vanhelligede Højene, hvor Præsterne havde gjort Røgelse, fra Geba indtil Beersaba; og han nedbrød Højene ved Portene, den, som var ved Indgangen til Josvas, Stadsfyrstens, Port, og den, som var til venstre, naar man gaar ind ad Stadens Port.
Ary nampaka ny mpisorona rehetra avy tamin’ ny tanànan’ ny Joda izy, dia nolotoiny ny fitoerana avo, izay nandoroan’ ny mpisorona ditin-kazo manitra, hatrany Geba ka hatrany Beri-sheba ary noravany ny fitoerana avo tao akaikin’ ny vavahady, dia ilay teo anoloan’ ny vavahadin’ i Josoa, komandin’ ny tanàna, sy ilay teo an-kavia raha miditra amin’ ny vavahadin’ ny tanana.
9 Dog ofrede ikke Højenes Præster paa Herrens Alter i Jerusalem, endskønt de aad usyrede Brød midt iblandt deres Brødre.
Fa ny mpisorona tamin’ ny fitoerana avo tsy navela hanatitra teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah any Jerosalema; nefa nahazo niara-nihinana mofo tsy misy masirasira tamin’ ny rahalahiny ihany izy.
10 Og han vanhelligede Tofet, som var i Hinnoms Børns Dal, for at ikke nogen skulde lade sin Søn eller sin Datter gaa igennem Ilden til Molek.
Ary nolotoiny koa Tofeta, izay eo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka intsony.
11 Og han afskaffede de Heste, som Judas Konger havde indviet til Solen, foran Indgangen til Herrens Hus, ved Hofbetjenten Nethan-Meleks Kammer, hvilket var paa Parvarim, og han opbrændte Solens Vogne med Ild.
Ary ny soavaly izay nohamasinin’ ireo mpanjakan’ ny Joda ho an’ ny masoandro ka nataony teo amin’ ny fidirana ho ao an-tranon’ i Jehovah, teo akaikin’ ny efi-tranon’ i Natana-meleka tandapa, izay tao Parvara, dia nesoriny; ary ny kalesin’ ny masoandro nodorany tamin’ ny afo.
12 Og de Altre, som vare paa Akas's Sals Tag, og som Judas Konger havde opført, og de Altre, som Manasse havde opført i de to Herrens Huses Forgaarde, nedbrød Kongen, og han skyndte sig derfra og lod deres Støv kaste i Kedrons Bæk.
Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin’ ny tranon’ i Ahaza, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Joda, sy ny alitara izay nataon’ i Manase tao anatin’ ny kianja roa tamin’ ny tranon’ i Jehovah, dia noravan’ ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
13 Og de Høje, som vare lige for Jerusalem, som vare paa den højre Haand af Mashiths Bjerg, hvilke Salomo, Israels Konge, havde bygget for Astarte, Zidoniernes Vederstyggelighed, og for Kamos, Moabiternes Vederstyggelighed, og for Milkom, Ammons Børns Vederstyggelighed, vanhelligede Kongen.
Ary nolotoin’ ny mpanjaka ireo fitoerana avo izay teo anoloan’ i Jerosalema, teo amin’ ny ankavanan’ ny tendrombohitra nahitan-doza, dia ireo nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, ho an’ i Astarta, fa havetavetan’ ny Sidoniana, sy ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, ary ho an’ i Milkoma, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
14 Og han sønderslog Støtterne og udryddede Astartebillederne og opfyldte deres Sted med Menneskeben.
Dia notorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy sady nokapainy koa ny Aseraha, ka nofenoiny taolan’ olona ny nitoerany.
15 Ja ogsaa det Alter, som var i Bethel, og Højen, som Jeroboam, Nebats Søn, som kom Israel til at synde, havde gjort, ja det Alter og Højen nedbrød han, og han opbrændte Højen og gjorde den til fint Støv og opbrændte Astartebilledet.
Ary ny alitara izay tao Betela sy ny fitoerana avo izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ilay nampanota ny Isiraely, dia noravany koa; ary nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany koa ny Aseraha.
16 Og Josias vendte sig og saa de Grave, som vare der paa Bjerget, og han sendte hen og lod tage Benene af Gravene og opbrændte dem paa Alteret og vanhelligede det efter Herrens Ord, som den Guds Mand havde udraabt, han som udraabte disse Ord.
Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin’ ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin’ i Jehovah, izay notorin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
17 Og han sagde: Hvad er det for et Gravmæle, som jeg ser? og Mændene i Staden sagde til ham: Det er den Guds Mands Grav, som kom fra Juda og raabte disse Ting, som du har gjort imod Alteret i Bethel.
Dia hoy izy: Tsangam-baton’ iza itsy hitako itsy? Ary hoy ny mponina tao an-tanana taminy: Fasan’ ilay lehilahin’ Andriamanitra izay avy tany Joda io, dia ilay nitory izao zavatra nataonao tamin’ ny alitara eto Betela izao.
18 Og han sagde: Lader ham hvile, ingen flytte hans Ben; og de reddede hans Ben tillige med den Profets Ben, som kom fra Samaria.
Ary hoy izy: Aoka itsy; aza misy manetsika ny taolany akory. Dia tsy nokasihiny ny taolany sy ny taolan’ ilay mpaminany avy tany Samaria.
19 Ja ogsaa alle Højenes Huse, som vare i Samarias Stæder, og som Israels Konger havde opført til at opirre Gud, borttog Josias og gjorde ved dem ganske paa samme Maade, som han havde gjort i Bethel.
Ary ny trano rehetra tamin’ ny fitoerana avo, izay teny amin’ ny tanànan’ i Samaria, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Isiraely ka nahatonga fahatezerana, dia noravan’ i Josia koa ka nataony araka izay rehetra efa navony tany Betela.
20 Og han slagtede alle Højenes Præster, som der vare, paa Altrene, og opbrændte Menneskeben paa dem; og han kom tilbage til Jerusalem.
Ary ny mpisorona rehetra izay teo, dia ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo, novonoiny teo ambonin’ ny alitara, sady nandoro taolan’ olona teo koa izy, dia niverina nankany Jerosalema.
21 Og Kongen bød alt Folket og sagde: Holder Paaske for Herren eders Gud, saaledes som der er skrevet i denne Pagts Bog.
Ary ny mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: Tandremo ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrareo, araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ity fanekena ity.
22 Thi der var ikke holdt en Paaske som denne fra Dommernes Dage af, som dømte Israel, og gennem alle Israels Kongers og Judas Kongers Dage.
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany hatramin’ ny andron’ ny mpitsara izay nitsara ny Isiraely, na tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda;
23 Men i Kong Josias's attende Aar blev denne Paaske holdt for Herren i Jerusalem.
fa tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia mpanjaka no nitandremany izany Paska izany ho an’ i Jehovah tany Jerosalema.
24 Men ogsaa Spaakvinderne og Tegnsudlæggerne og Husguderne og de stygge Afguder og alle de Vederstyggeligheder, som bleve sete i Judas Land og i Jerusalem, borttog Josias, for at holde Lovens Ord, som vare skrevne i Bogen, som Hilkia, Præsten, havde fundet i Herrens Hus.
Ary ny nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana sy ny terafima sy ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ ny tany Joda sy tany Jerosalema dia nesorin’ i Josia koa, mba hanatanterahana ny tenin’ ny lalàna voasoratra ao amin’ ilay boky hitan’ i Hilkia mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah.
25 Og der var ingen Konge som han før ham, der omvendte sig til Herren af sit ganske Hjerte og af sin ganske Sjæl og af al sin Formue efter al Moses Lov, og der opstod ej nogen efter ham som han.
Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’ i Jehovah tamin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn’ i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany.
26 Dog vendte Herren ikke om fra sin store Vredes Ild, hvormed hans Vrede var optændt imod Juda, for alle de Opirrelser, som Manasse havde opirret ham med.
Nefa Jehovah tsy nitsahatra tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerany mafy, dia ilay fahatezerana nirehitra tamin’ ny Joda noho ny fampahatezerana rehetra izay nampahatezeran’ i Manase Azy.
27 Og Herren sagde: Jeg vil ogsaa bortkaste Juda fra mit Ansigt, ligesom jeg bortkastede Israel, og jeg vil forkaste denne Stad, som jeg udvalgte, Jerusalem, og det Hus, om hvilket jeg sagde: Mit Navn skal være der.
Dia hoy Jehovah: Hesoriko koa ny Joda hiala eo imasoko, tahaka ny nanesorako ny Isiraely, ary holaviko ity tanàna Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko hoe: Ho ao ny anarako.
28 Men det øvrige af Josias's Handeler og alt, hvad han gjorde, ere de Ting ikke skrevne i Judas Kongers Krønikers Bog?
Ary ny tantaran’ i Josia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
29 I hans Dage drog Farao Neko, Kongen af Ægypten, op imod Kongen af Assyrien til Floden Frat, og Kong Josias drog imod ham; men denne dræbte ham i Megiddo, der han havde set ham.
Tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia no niakaran’ i Farao-neko, mpanjakan’ i Egypta, hankany amoron’ ny ony Eofrata hiady amin’ ny mpanjakan’ i Asyria; ary Josia mpanjaka dia nandeha hiady amin’ i Farao. Kanjo nony hitany, dia matiny tao Megido izy.
30 Og hans Tjenere førte ham død fra Megiddo og førte ham til Jerusalem og begravede ham i hans Grav; og Folket i Landet tog Joakas, Josias's Søn, og salvede ham og gjorde ham til Konge i hans Faders Sted.
Ary ny fatiny dia napetraky ny mpanompony tao anaty kalesy ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema, dia naleviny tao amin’ ny fasany. Ary nalain’ ny vahoaka Joahaza, zanak’ i Josia, dia nohosorany ka nampanjakainy handimby an-drainy.
31 Joakas var tre og tyve Aar gammel, der han blev Konge, og regerede tre Maaneder i Jerusalem, og hans Moders Navn var Hamutal, Jeremias's Datter fra Libna.
Telo amby roa-polo taona Joahaza fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.
32 Og han gjorde det, som var ondt for Herrens Øjne, efter alt det, som hans Fædre gjorde.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ ny razany.
33 Og Farao Neko lod ham lægge i Lænker i Ribla udi Hamaths Land, at han ikke skulde regere i Jerusalem, og han lagde en Straf paa Landet, hundrede Centner Sølv og et Centner Guld.
Ary nafatotr’ i Farao-neko tao Ribla any amin’ ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
34 Og Farao Neko gjorde Eliakim, Josias's Søn, til Konge i hans Faders, Josias's Sted, og omvendte hans Navn til Jojakim; men Joakas tog han med, og denne kom til Ægypten og døde der.
Ary Farao-neko nanendry an’ i Eliakima, zanak’ i Josia, ho mpanjaka hisolo an’ i Josia rainy; ary ny anarany novany ho Joiakima, fa Joahaza kosa dia nentiny ho any Egypta ka maty tany.
35 Og Jojakim gav Farao Sølvet og Guldet, men han lignede en Skat paa Landet for at kunne give Pengene efter Faraos Befaling; eftersom Skatten var lignet paa hver især, inddrev han Sølvet og Guldet af Folket i Landet for at give det til Farao Neko.
Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’ i Joiakima an’ i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin’ i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an’ i Farao-neko.
36 Jojakim var fem og tyve Aar gammel, der han blev Konge, og regerede elleve Aar i Jerusalem, og hans Moders Navn var Sebuda, Pedajas Datter fra Ruma.
Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin’ ny folo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Zebida, zanakavavin’ i Pedaia, avy any Romaha.
37 Og han gjorde det, som var ondt for Herrens Øjne, efter alt det, som hans Fædre havde gjort.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay nataon’ ny razany.

< Anden Kongebog 23 >