< Exodus 11 >

1 And Jehovah said to Moses, Yet one plague will I bring upon Pharaoh, and upon Egypt; afterwards he will let you go hence: when he shall let [you] go altogether, he shall utterly drive you out hence.
Fa Jehovah nilaza tamin’ i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin’ i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
2 Speak now in the ears of the people, that they ask every man of his neighbour, and every woman of her neighbour, utensils of silver and utensils of gold.
Koa mitenena amin’ ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ ny namany avy, ary ny vehivavy amin’ ny namany avy koa.
3 And Jehovah gave the people favour in the eyes of the Egyptians. Moreover the man Moses was very great in the land of Egypt — in the eyes of Pharaoh's bondmen, and in the eyes of the people.
Dia nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin’ ny tany Egypta, dia teo imason’ ny mpanompon’ i Farao sy teo imason’ ny vahoaka.
4 And Moses said, Thus saith Jehovah: About midnight I will go out into the midst of Egypt.
Ary hoy Mosesy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan’ i Egypta,
5 And all the firstborn in the land of Egypt shall die, from the firstborn of Pharaoh who sitteth on his throne, even unto the firstborn of the bondwoman that is behind the mill; and all the firstborn of cattle.
dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
6 And there shall be a great cry throughout the land of Egypt, such as there hath been none like it, nor shall be like it any more.
Ary hisy fidradradradrana mafy eran’ ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
7 But against any of the children of Israel shall not a dog move his tongue, against man or beast; that ye may know that Jehovah distinguisheth between the Egyptians and Israel.
Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny olona, na amin’ ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’ i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
8 And all these thy bondmen shall come down unto me, and bow down to me, saying, Go out, thou, and all the people that follow thee; and after that I will go out. And he went out from Pharaoh in a glowing anger.
Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
9 And Jehovah had said to Moses, Pharaoh shall not hearken to you; that my wonders may be multiplied in the land of Egypt.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan’ ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.
10 And Moses and Aaron did all these wonders before Pharaoh; but Jehovah made Pharaoh's heart stubborn, and he did not let the children of Israel go out of his land.
Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin’ i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely hiala tamin’ ny taniny izy.

< Exodus 11 >