< Luke 5 >

1 Now it happened, while the crowd pressed on him and heard the word of God, that he was standing by the lake of Gennesaret.
Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ ny Farihin’ i Genesareta Jesosy;
2 He saw two boats standing by the lake, but the fishermen had gone out of them, and were washing their nets.
ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
3 He entered into one of the boats, which was Simon's, and asked him to put out a little from the land. He sat down and taught the crowds from the boat.
Ary niditra teo amin’ ny sambokely anankiray izay an’ i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
4 When he had finished speaking, he said to Simon, "Put out into the deep, and let down your nets for a catch."
Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’ i Simona: Mandrosoa ho any amin’ ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
5 Simon answered him, "Master, we worked all night, and took nothing; but at your word I will let down the nets."
Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
6 When they had done this, they caught a great multitude of fish, and their net was breaking.
Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
7 They beckoned to their partners in the other boat, that they should come and help them. They came, and filled both boats, so that they began to sink.
Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
8 But Simon Peter, when he saw it, fell down at Jesus' knees, saying, "Depart from me, for I am a sinful man, Lord."
Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
9 For he was amazed, and all who were with him, at the catch of fish which they had caught;
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ ny hazandrano izay azony.
10 and so also were James and John, sons of Zebedee, who were partners with Simon. Jesus said to Simon, "Do not be afraid. From now on you will be catching people."
Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’ i Simona. Dia hoy Jesosy tamin’ i Simona: Aza matahotra; hatramin’ izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.
11 When they had brought their boats to land, they left everything, and followed him.
Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’ i Jesosy.
12 It happened, while he was in one of the cities, look, there was a man full of leprosy. When he saw Jesus, he fell on his face, and begged him, saying, "Lord, if you want to, you can make me clean."
Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
13 And he stretched out his hand, and touched him, saying, "I am willing. Be cleansed." Immediately the leprosy left him.
Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin’ izay.
14 And he commanded him, "Do not tell anyone, but go your way, and show yourself to the priest, and offer for your cleansing according to what Moses commanded, for a testimony to them."
Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
15 But the report concerning him spread much more, and large crowds came together to hear, and to be healed of their infirmities.
Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin’ ny aretiny.
16 But he withdrew himself into the desert, and prayed.
Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
17 It happened on one of those days, that he was teaching; and there were Pharisees and teachers of the Law sitting by, who had come out of every village of Galilee, Judea, and Jerusalem. The power of the Lord was with him to heal.
Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin’ ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
18 And look, men brought a paralyzed man on a cot, and they sought to bring him in to lay before him.
Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin’ ny fandriana, izay mararin’ ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
19 Not finding a way to bring him in because of the crowd, they went up to the housetop, and let him down through the tiles with his cot into the midst before Jesus.
Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin’ ny fandriany ho eo afovoan’ ny olona, dia teo anatrehan’ i Jesosy.
20 Seeing their faith, he said, "Man, your sins are forgiven you."
Ary raha hitan’ i Jesosy ny finoan’ ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
21 The scribes and the Pharisees began to reason, saying, "Who is this that speaks blasphemies? Who can forgive sins, but God alone?"
Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
22 But Jesus, perceiving their thoughts, answered them, "Why are you reasoning so in your hearts?
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
23 Which is easier to say, 'Your sins are forgiven you;' or to say, 'Arise and walk?'
Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
24 But that you may know that the Son of Man has authority on earth to forgive sins" (he said to the paralyzed man), "I tell you, arise, and take up your cot, and go to your house."
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka ― dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
25 Immediately he rose up before them, and took up that which he was laying on, and departed to his house, glorifying God.
Ary tamin’ izay dia nitsangana teo anatrehan’ ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an’ Andriamanitra.
26 Amazement took hold on all, and they glorified God. They were filled with fear, saying, "We have seen remarkable things today."
Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’ Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
27 After these things he went out, and saw a tax collector named Levi sitting at the tax office, and said to him, "Follow me."
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
28 He left everything, and rose up and followed him.
Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
29 Levi made a great feast for him in his house. There was a large crowd of tax collectors and others who were reclining with them.
Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’ i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
30 The Pharisees and their scribes grumbled at his disciples, saying, "Why do you eat and drink with the tax collectors and sinners?"
Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ ny mpianatr’ i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
31 Jesus answered them, "Those who are healthy have no need for a physician, but those who are sick do.
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
32 I have not come to call the righteous, but sinners to repentance."
tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
33 They said to him, "The disciples of John often fast and pray, likewise also the disciples of the Pharisees, but yours eat and drink."
Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr’ i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
34 He said to them, "Can you make the friends of the bridegroom fast, while the bridegroom is with them?
Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan’ ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
35 But the days will come when the bridegroom will be taken away from them. Then they will fast in those days."
Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izany andro izany vao hifady izy.
36 He also told a parable to them. "No one having torn a piece from a new garment puts it on an old garment, or else he will tear the new, and also the piece from the new will not match the old.
Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ ny tonta.
37 And no one puts new wine into old wineskins, or else the new wine will burst the skins, and it will be spilled, and the skins will be destroyed.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
38 But new wine must be put into fresh wineskins.
Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
39 No one having drunk old wine desires new, for he says, 'The old is good.'"
Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.

< Luke 5 >