< 歴代誌Ⅱ 3 >

1 ソロモン、ヱルサレムのモリア山にヱホバの家を建ることを始む彼處はその父ダビデにヱホバの顯はれたまひし所にて即ちヱブス人オルナンの打場の中にダピデが備へし處なり
Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ ny fitoerana nofidin’ i Davida teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
2 之を建ることを始めたるはその治世の四年の二月二日なり
Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin’ ny andro faharoa tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona fahefatra nanjakany.
3 神の家を建るためにソロモンの置たる基は是のごとし長六十キユビト濶二十キユビト皆古の尺に循がふ
Ary toy izao no nanorenan’ i Solomona ny tranon’ Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
4 家の前の廊は家の濶にしたがひてその長二十キユビトまたその高は百二十キユビトその内は純金をもて蔽ふ
Ary ny amin’ ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan’ ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
5 またその大殿は松の木をもて張つめ美金をもて之を蔽ひその上に棕櫚と鏈索の形を施こし
Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.
6 また寶石をもてその家を美しく飾るその金はパルワイムの金なり
Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
7 彼また金をもてその家その樑その閾その壁およびその戸を蔽ひ壁の上にケルビムを刻つく
Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima ny rindrina.
8 また至聖所の家を造りしがその長は家の濶にしたがひて二十キユビトその濶も二十キユビト、美金をもてこれを蔽ふその金六百タラント
Ary nanao ny efi-trano masìna indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
9 その釘の金は重五十シケルまた上の室も金にて覆ふ
Ary ny lanjan’ ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
10 また至聖所の家の内に刻鐫めたる二のケルビムを造り金をこれに覆ふ
Ary tao amin’ ny efi-trano masìna indrindra dia nasiany sarin’ ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
11 そのケルビムの翼は長二十キユビト此ケルブの一の翼は五キユビトにして家の壁に達しその他の翼も五キユビトにして彼のケルブの翼に達す
Ny halavan’ ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray;
12 また彼ケルブの一の翼は五キユビトにして家の壁に達しその他の翼も五キユビトにして此ケルブの翼と相接はる
ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray.
13 是等のケルビムの翼はその舒ひろがること二十キユビト共にその足にて立ちその面を家に向く
Nivelatra ny elatr’ ireo kerobima ireo, ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
14 彼また靑紫赤の布および細布をもて障蔽の幕を作りケルビムをその上に繍ふ
Ary izy nanao ny efitra lamba tamin’ ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin’ ny kerobima ny sorany.
15 また家の前に柱二本を作るその高は三十五キユビトその頂の頭は五キユビト
Ary nanao andry roa teo anoloan’ ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
16 また環飾を造り鏈索を之に繞らしてこれを柱の頂に施こし石榴一百をつくりてその鏈索の上に施こす
Ary nanao tongalika tao amin’ ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon’ ny andry ireo; ary nanao sarin’ apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin’ ny tongalika ireo.
17 この柱を拝殿の前に竪て一本を右に一本を左に置ゑ右なる者をヤキンと名け左なる者をボアズと名く
Ary ny andry natsangany teo anoloan’ ny tempoly, ny iray tamin’ ny ankavanana, ary ny iray tamin’ ny ankavia; ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavia kosa natao hoe Boaza.

< 歴代誌Ⅱ 3 >