< 歴代誌Ⅱ 31 >

1 この事すべて終りしかば其處に在しイスラエル人みなユダの邑々に出ゆき柱像を碎きアシラ像を斫たふしユダとベニヤミンの全地より崇邱と祭壇を崩し絶ちエフライム、マナセにも及ぼして遂にまつたく之を毀ち而してイスラエルの子孫おのおのその邑々に還りて己の產業にいたれり
Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan’ ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran’ i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin’ ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’ isiraely rehetra.
2 ヒゼキヤ祭司およびレビ人の班列を定めその班列にしたがひて各々にその職を行はしむ即ち祭司とレビ人をして燔祭および酬恩祭を献げしめヱホバの營の門において奉事をなし感謝をなし讃美をなさしめ
Ary Hezekia nanendry ny antokon’ ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin’ ny vavahadin’ ny tobin’ i Jehovah.
3 また己の財產の中より王の分を出して燔祭のためにす即ち朝夕の燔祭および安息日朔日節會などの燔祭のために之を出してヱホバの律法に記さるる如くす
Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ ny mpanjaka avy tamin’ ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ ny Sabata sy amin’ ny voaloham-bolana sy amin’ ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Jehovah.
4 彼またヱルサレムに住む民に祭司とレビ人にその分を與へんことを命ず是かれらをしてヱホバの律法に身を委ねしめんとてなり
Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran’ ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin’ ny lalàn’ i Jehovah.
5 其命令の傳はるや否やイスラエルの子孫穀物酒油蜜ならびに田野の諸の產物の初を多く献げまた一切の物の什一を夥多しく携へきたる
Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’ isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
6 ユダの邑々に住るイスラエルとユダの子孫もまた牛羊の什一ならびにその神ヱホバに納むべき聖物の什一を携へきたりてこれを積疊ぬ
Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman’ osy, ary ny fahafolon’ ny zavatra masìna izay nohamasinina ho an’ i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.
7 三月に之を積疊ぬることを始め七月にいたりて之を終れり
Tamin’ ny volana fahatelo no vao nanomboka nanokotoko azy izy, ary tamin’ ny volana fahafito no nahavitany azy.
8 ヒゼキヤおよび牧伯等きたりて其積疊ねたる物を見ヱホバとその民イスラエルを祝せり
Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an’ i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.
9 ヒゼキヤその積疊ねたる物の事を祭司とレビ人に問尋ねければ
Ary Hezekia nanontany ny mpisorona sy ny Levita ny amin’ ireo niavosa ireo.
10 ザドクの家より出し祭司の長アザリヤ彼に應へて言けるは民ヱホバの室に禮物を携ふることを始めしより以來我儕飽までに食ひしがその餘れる所はなはだ多しヱホバその民をめぐみたまひたればなりその餘れる所かくのごとく夥多しと
Ary Azaria mpisoronabe, taranak’ i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin’ ny niandohan’ ny nitondran’ ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon’ i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
11 ヒゼキヤ、ヱホバの家の内に室を設くることを命じければ則ちこれを設け
Ary nasain’ i Hezekia namboatra efi-trano fitehirizana tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy; dia namboariny izany.
12 忠實にその禮物什一および奉納物を携へいれりレビ人コナニヤこれを主どりその兄弟シメイこれに副ふ
Ary tamin’ ny fahamarinany no nampidirany ny fanatitra sy ny fahafolon-karena sy ny zavatra nohamasininy; ary Konania Levita no mpitahiry ireny, ary simey rahalahiny no manarakaraka.
13 ヱヒエル、アザジヤ、ナハテ、アサヘル、ヱレモテ、ヨザバデ、ヱリエル、イスマキヤ、マハテ、ベナヤ等ヒゼキヤ王および神の室の宰アザリヤの命に依りコナニヤ及びその兄弟シメイの手下につきてこれが監督者となる
Ary Jehiela sy Azazia sy Nahata sy Asahela sy Jerimota sy Jozabada sy Eliala sy Jismakia sy Mahata ary Benaia, fehin’ i Konania sy Simey rahalahiny, no tonian’ ireny, araka ny didin’ i Hezekia mpanjaka sy Azaria, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra.
14 東の門を守る者レビ人ヱムナの子コレ神に献ぐる誠意よりの禮物を司どりてヱホバの献納物および至聖物を頒つ
Ary Kore Levita, zanak’ i Jimna, mpiandry varavarana tao atsinanana, no tonian’ ny fanati-tsitrapo ho an’ Andriamanitra, hizara ny fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah sy ny zava-masìna indrindra.
15 その手につく者はエデン、ミニヤミン、ヱシユア、シマヤ、アマリヤおよびシカニヤみな祭司の邑々に居てその職を盡しその兄弟に班列に依て之を頒つ大小ともに均し
Ary ny fehin’ i Kore dia Edena sy Miniamina sy Jesoa sy Semaia sy Amaria ary Sekania tao amin’ ny tanànan’ ny mpisorona; ary adidin’ ireo ny hizara ho an’ ny rahalahiny araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely,
16 此外にまた凡て名簿に載たる男子三歳以上にしてヱホバの室に入りその班列にしたがひて日々の職分を盡し擔任の勤務を爲すところの者に之を頒つ
afa-tsy ny lehilahy voasoratra hatramin’ ny telo taona no ho miakatra, dia izay miditra ao an-tranon’ i Jehovah handray ny anjarany isanandro noho ny fanompoany amin’ ny anjara-raharahany araka ny antokony avy.
17 またその宗家にしたがひて名簿に載られその班列にしたがひて擔任の事を執行ふところの祭司および二十歳以上のレビ人
Ary ny amin’ ny fanoratana ny mpisorona koa, dia nosoratana araka ny fianakaviany avy, ary ny Levita koa hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny anjara-raharahany sy ny antokony avy.
18 ならびに名簿に載たるその小き者その妻その男子その女子などに盡く之を頒つ會中すべて然り即ち彼等は潔白忠實にその職を盡せり
Ary nomena koa ny ankohonany rehetra izay voasoratra, dia ny vadiny mbamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy rehetra; fa tamin’ ny fahamarinany no nanamasinany ny tenany ny amin’ ny zavatra masìna.
19 また邑々の郊地に居るアロンの子孫たる祭司等のためには邑ごとに人を名指し選び祭司の中の一切の男およびレビ人の中の名簿に載せたる一切の者にその分を予へしむ
Ary ho an’ ny mpisorona, taranak’ i Arona, koa, izay tany amin’ ny tany manodidina ny tanànany, dia nisy olona voatonona anarana tamin’ ny isan-tanàna hanome anjara ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.
20 ヒゼキヤ、ユダ全國に斯のごとく爲し善事正き事忠實なる事をその神ヱホバの前に行へり
Ary toy izany no nataon’ i Hezekia eran’ i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
21 凡てその神の室の職務につき律法につき誡命につきて行ひ始めてその神を求めし工は悉く心をつくして行ひてこれを成就たり
Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an’ Andriamaniny dia nataony tamin’ ny fony rehetra, fa nambinina izy

< 歴代誌Ⅱ 31 >