< 詩篇 106 >

1 ヱホバをほめたたへヱホバに感謝せよ そのめぐみはふかくその憐憫はかぎりなし
Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 たれかヱホバの力ある事跡をかたり その讃べきことを悉とくいひあらはし得んや
Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’ i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
3 審判をまもる人々つねに正義をおこなふ者はさいはひなり
Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
4 ヱホバよなんぢの民にたまふ惠をもて我をおぼえ なんぢの救をもてわれに臨みたまへ
Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ ny famonjenao aho,
5 さらば我なんぢの撰びたまへる者のさいはひを見 なんぢの國の歓喜をよろこび なんぢの嗣業とともに誇ることをせん
Hahitako ny soa azon’ ny voafidinao, Hifaliako amin’ ny fifalian’ ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ ny lovanao.
6 われら列祖とともに罪ををかせり 我儕よこしまをなし惡をおこなへり
Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
7 われらの列祖はなんぢがエジプトにてなしたまへる奇しき事跡をさとらず 汝のあはれみの豊かなるを心にとめず 海のほとり即ち紅海のほとりにて逆きたり
Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina Mena
8 されどヱホバはその名のゆゑをもて彼等をすくひたまへり こは大なる能力をしらしめんとてなり
Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
9 また紅海を叱咤したまひたれば乾きたり かくて民をみちびきて野をゆくがごとくに淵をすぎしめ
Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
10 恨むるものの手よりかれらをすくひ 仇の手よりかれらを贖ひたまへり
Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.
11 水その敵をおほひたればその一人だにのこりし者なかりき
Dia nosaronan’ ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
12 このとき彼等そのみことばを信じその頌美をうたへり
Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
13 彼等しばしがほどにその事跡をわすれその訓誨をまたず
Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
14 野にていたくむさぼり荒野にて神をこころみたりき
Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’ Andriamanitra tany an-tany foana.
15 ヱホバはかれらの願欲をかなへたまひしかど その霊魂をやせしめたまへり
Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy.
16 たみは營のうちにてモーセを嫉みヱホパの聖者アロンをねたみしかば
Dia nialona an’ i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’ i Arona, olo-masin’ i Jehovah.
17 地ひらけてダタンを呑みアビラムの黨類をおほひ
Nisokatra ny tany, dia nitelina an’ i Datana Ka nanarona ny antokon’ i Abìrama.
18 火はこのともがらの中にもえおこり熖はあしき者をやきつくせり
Dia nisy afo nirehitra tamin’ ny antokony; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.
19 かれらはホレブの山にて犢をつくり鑄たる像ををがみたり
Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ ny sarin-javatra an-idina.
20 かくの如くおのが榮光をかへて草をくらふ牛のかたちに似す
Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ ny omby homana ahitra.
21 救主なる神はエジプトにて大なるわざをなし
Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
22 ハムの地にて奇しき事跡をなし紅海のほとりにて懼るべきことを爲たまへり かれは斯る神をわすれたり
Dia fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ ny Ranomasina Mena.
23 この故にヱホバかれらを亡さんと宣まへり されど神のえらみたまへる者モーセやぶれの間隙にありてその前にたちその烈怒をひきかへして滅亡をまぬかれしめたり
Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.
24 かれら美しき地を蔑しそのみことばを信ぜず
Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
25 剰さへその幕屋にてつぶやきヱホバの聲をもきかざりき
Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’ i Jehovah.
26 この故に手をあげて彼等にむかひたまへり これ野にてかれらを斃れしめんとし
Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
27 又もろもろの國のうちにてその裔をたふれしめ もろもろの地にかれらを散さんとしたまへるなり
Ary ny taranany kosa any amin’ ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ ny tany maro Izy.
28 彼らはバアルベオルにつきて死るものの祭物をくらひたり
Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,
29 斯のごとくその行爲をもてヱホバの烈怒をひきいだしければえやみ侵しいりたり
Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
30 そのときピネハスたちて裁判をなせり かくて疫癘はやみぬ
Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
31 ピネハスは萬代までとこしへにこのことを義とせられたり
Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
32 民メリバの水のほとりにてヱホバの烈怒をひきおこししかば かれらの故によりてモーセも禍害にあへり
Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;
33 かれら神の霊にそむきしかばモーセその口唇にて妄にものいひたればなり
Fa niodina tamin’ ny Fanahin’ i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
34 かれらはヱホバの命じたまへる事にしたがはずしてもろもろの民をほろぼさず
Tsy naringany ny firenena Izay nasain’ i Jehovah naringany;
35 反てもろもろの國人とまじりをりてその行爲にならひ
Fa nifangaro tamin’ ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
36 おのが羂となりしその偶像につかへたり
Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
37 かれらはその子女を鬼にささぐ
Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ ny demonia ireo;
38 罪なき血すなはちカナンの偶像にささげたる己がむすこむすめの血をながしぬ 斯てくには血にてけがされたり
Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ ny sampin’ i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ ny rà izy.
39 またそのわざは自己をけがし そのおこなふところは姦淫なり
Ary naloto tamin’ ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
40 このゆゑにヱホバの怒その民にむかひて起り その嗣業をにくみて
Dia nirehitra tamin’ ny olony ny fahatezeran’ i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
41 かれらをもろもろの國の手にわたしたまへり 彼等はおのれを恨るものに制へられ
Dia nanolotra azy teo an-tànan’ ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
42 おのれの仇にしへたげられ その手の下にうちふせられたり
Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin’ ny tànany izy.
43 ヱホバはしばしば助けたまひしかどかれらは謀略をまうけて逆き そのよこしまに卑くせられたり
Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
44 されどヱホバはかれらの哭聲をききたまひしとき その患難をかへりみ
Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
45 その契約をかれらの爲におもひいだし その憐憫のゆたかなるにより聖意をかへさせ給ひて
Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.
46 かれらを己がとりこにせられたる者どもに憐まるることを得しめたまへり
Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’ izay rehetra namabo azy.
47 われらの神ヱホバよ われらをすくひて列邦のなかより取集めたまへ われらは聖名に謝し なんぢのほむべき事をほこらん
Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.
48 イスラエルの神ヱホバはとこしへより永遠までほむべきかな すべての民はアーメンととなふべし ヱホバを讃稱へよ
Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.

< 詩篇 106 >