< Liber Numeri 15 >

1 Locutus est Dominus ad Moysen, dicens:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 Loquere ad filios Israel, et dices ad eos: Cum ingressi fueritis Terram habitationis vestræ, quam ego dabo vobis,
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo
3 et feceritis oblationem Domino in holocaustum, aut victimam, vota solventes, vel sponte offerentes munera, aut in sollemnitatibus vestris adolentes odorem suavitatis Domino, de bobus sive de ovibus:
ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry aman’ osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin’ ny sitrapo na amin’ ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah:
4 offeret quicumque immolaverit victimam, sacrificium similæ, decimam partem ephi, conspersæ oleo, quod mensuram habebit quartam partem hin:
izay manatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
5 et vinum ad liba fundenda eiusdem mensuræ dabit in holocaustum sive in victimam.
ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
6 Per agnos singulos et arietes erit sacrificium similæ duarum decimarum, quæ conspersa sit oleo tertiæ partis hin:
Ary ho fanampin’ ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;
7 et vinum ad libamentum tertiæ partis eiusdem mensuræ offeret in odorem suavitatis Domino.
ary divay ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
8 Quando vero de bobus feceris holocaustum aut hostiam, ut impleas votum vel pacificas victimas,
Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah,
9 dabis per singulos boves similæ tres decimas conspersæ oleo, quod habeat medium mensuræ hin:
dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin’ ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;
10 et vinum ad liba fundenda eiusdem mensuræ in oblationem suavissimi odoris Domino.
ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin’ ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
11 Sic facies
Izany no hatao amin’ ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak’ ondry iray, na ny isan-janak’ osy iray.
12 per singulos boves et arietis et agnos et hœdos.
Tahaka izany no hataonareo amin’ izy rehetra, araka ny isan’ ny zavatra aterinareo.
13 Tam indigenæ quam peregrini
Ny tompon-tany rehetra samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izy.
14 eodem ritu offerent sacrificia.
Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
15 Unum præceptum erit atque iudicium tam vobis quam advenis terræ.
Ary ny amin’ ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan’ i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
16 Locutus est Dominus ad Moysen, dicens:
Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
17 Loquere filiis Israel, et dices ad eos:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
18 Cum veneritis in terram, quam dabo vobis,
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ ny tany izay itondrako anareo ianareo
19 et comederitis de panibus regionis illius, separabitis primitias Domino
ka hihinana mofo avy amin’ ny vokatry ny tany, dia hanokana izay ho an’ i Jehovah.
20 de cibis vestris. Sicut de areis primitias separatis,
Hanokana mofo iray izay hatao amin’ ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin’ ny famoloana no hanokananareo izany.
21 ita et de pulmentis dabitis primitiva Domino.
Ny voalohan’ ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’ i Jehovah hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
22 Quod si per ignorantiam præterieritis quidquam horum, quæ locutus est Dominus ad Moysen,
Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy,
23 et mandavit per eum ad vos, a die qua cœpit iubere et ultra,
dia izay rehetra nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy anareo, hatramin’ ny andro izay nanaovan’ i Jehovah izany didy izany ka hatramin’ ny taranakareo fara mandimby,
24 oblitaque fuerit facere multitudo: offeret vitulum de armento, holocaustum in odorem suavissimum Domino, et sacrificum eius ac liba, ut ceremoniæ postulant, hircumque pro peccato:
koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr’ ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
25 et rogabit sacerdos pro omni multitudine filiorum Israel: et dimittetur eis, quoniam non sponte peccaverunt, nihilominus offerentes incensum Domino pro se et pro peccato atque errore suo:
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.
26 et dimittetur universæ plebi filiorum Israel, et advenis, qui peregrinantur inter eos: quoniam culpa est omnis populi per ignorantiam.
Dia havela ny heloky ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, mbamin’ izay vahiny eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy,
27 Quod si anima una nesciens peccaverit, offeret capram anniculam pro peccato suo:
Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
28 et deprecabitur pro ea sacerdos, quod inscia peccaverit coram Domino: impetrabitque ei veniam, et dimittetur illi.
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia havela ny helony.
29 Tam indigenis quam advenis una lex erit omnium, qui peccaverint ignorantes.
Lalàna iray ihany no hatao amin’ izay manota tsy nahy, na amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny vahiny eo aminareo.
30 Anima vero, quæ per superbiam aliquid commiserit, sive civis sit ille, sive peregrinus, (quoniam adversus Dominum rebellis fuit) peribit de populo suo:
Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an’ i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
31 verbum enim Domini contempsit, et præceptum illius fecit irritum: idcirco delebitur, et portabit iniquitatem suam.
Fa ny tenin’ i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
32 Factum est autem, cum essent filii Israel in solitudine, et invenissent hominem colligentem ligna in die Sabbati,
Ary raha tany an-efitra ny Zanak’ Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin’ ny andro Sabata.
33 obtulerunt eum Moysi et Aaron et universæ multitudini.
Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.
34 Qui recluserunt eum in carcerem, nescientes quid super eo facere deberent.
Dia nambenana ralehilahy, satria tsy mbola fantatra izay hatao aminy.
35 Dixitque Dominus ad Moysen: Morte moriatur homo iste, obruat eum lapidibus omnis turba extra castra.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra.
36 Cumque eduxissent eum foras, obruerunt lapidibus, et mortuus est, sicut præceperat Dominus.
Dia namoaka azy ho eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ihany.
37 Dixit quoque Dominus ad Moysen:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
38 Loquere filiis Israel, et dices ad eos ut faciant sibi fimbrias per angulos palliorum, ponentes in eis vittas hyacinthinas:
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka asaovy asiany somotraviavy ny sisin’ ny fitafiany hatramin’ ny taranany fara mandimby, ary aoka hasiany kofehy manga eo amin’ ny somotraviaviny.
39 quas cum viderint, recordentur omnium mandatorum Domini, nec sequantur cogitationes suas et oculos per res varias fornicantes,
Ary ho somotraviavy ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’ i Jehovah rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana,
40 sed magis memores præceptorum Domini faciant ea, sintque sancti Deo suo.
mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka dia ho masìna ho an’ Andriamanitrareo ianareo.
41 Ego Dominus Deus vester, qui eduxi vos de Terra Ægypti, ut essem Deus vester.
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

< Liber Numeri 15 >