< Corinthios Ii 4 >

1 Ideo habentes administrationem, iuxta quod misericordiam consecuti sumus, non deficimus,
Ary amin’ izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.
2 sed abdicamus occulta dedecoris, non ambulantes in astutia, neque adulterantes verbum Dei, sed in manifestatione veritatis commendantes nosmetipsos ad omnem conscientiam hominum coram Deo.
Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’ Andriamanitra izahay; fa amin’ ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ ny fieritreretan’ ny olona rehetra eo imason’ Andriamanitra.
3 Quod si etiam opertum est Evangelium nostrum: in iis, qui pereunt, est opertum:
Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’ izay ho very izany,
4 in quibus Deus huius sæculi excæcavit mentes infidelium, ut non fulgeat illis illuminatio Evangelii gloriæ Christi, qui est imago Dei. (aiōn g165)
izay nohajambain’ ny andriamanitr’ izao tontolo izao, dia ny sain’ ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny filazantsaran’ ny voninahitr’ i Kristy, Izay endrik’ Andriamanitra. (aiōn g165)
5 Non enim nosmetipsos prædicamus, sed Iesum Christum Dominum nostrum: nos autem servos vestros per Iesum:
Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin’ i Jesosy.
6 quoniam Deus, qui dixit de tenebris lucem splendescere, ipse illuxit in cordibus nostris ad illuminationem scientiæ claritatis Dei, in facie Christi Iesu.
Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy.
7 Habemus autem thesaurum istum in vasis fictilibus: ut sublimitas sit virtutis Dei, et non ex nobis.
Fa manana izao rakitra izao amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay.
8 In omnibus tribulationem patimur, sed non angustiamur: aporiamur, sed non destituimur:
Voageja manodidina izahay, nefa tsy terỳ; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
9 persecutionem patimur, sed non derelinquimur: deiicimur, sed non perimus:
enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;
10 semper mortificationem Iesu in corpore nostro circumferentes, ut et vita Iesu manifestetur in corporibus nostris.
mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba haseho ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy.
11 Semper enim nos, qui vivimus, in mortem tradimur propter Iesum: ut et vita Iesu manifestetur in carne nostra mortali.
Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’ i Jesosy, mba haseho ao amin’ ny nofonay mety maty koa ny fiainan’ i Jesosy.
12 Ergo mors in nobis operatur, vita autem in vobis.
Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
13 Habentes autem eundem spiritum fidei, sicut scriptum est: Credidi, Propter quod locutus sum: et nos credimus, propter quod et loquimur:
Ary satria manana izany fanahin’ ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny, dia mino koa izahay ka miteny;
14 scientes quoniam qui suscitavit Iesum, et nos cum Iesu suscitabit, et constituet vobiscum.
fa fantatray fa Izay nanangana an’ i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
15 Omnia enim propter vos: ut gratia abundans, per multos in gratiarum actione, abundet in gloriam Dei.
Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ ny fisaorana ho voninahitr’ Andriamanitra noho ny fitombon’ ny fahasoavana amin’ ny maro.
16 Propter quod non deficimus: sed licet is, qui foris est, noster homo corrumpatur: tamen is, qui intus est, renovatur de die in diem.
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’ andro isan’ andro kosa ny toetray anatiny.
17 Id enim, quod in præsenti est momentaneum et leve tribulationis nostræ, supra modum in sublimitate æternum gloriæ pondus operatur in nobis, (aiōnios g166)
Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, (aiōnios g166)
18 non contemplantibus nobis quæ videntur, sed quæ non videntur. Quæ enim videntur, temporalia sunt: quæ autem non videntur, æterna sunt. (aiōnios g166)
raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. (aiōnios g166)

< Corinthios Ii 4 >