< 1 Tantara 11 >

1 Ary dia nivory teo amin’ i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
رهبران اسرائیل به حبرون نزد داوود رفتند و به او گفتند: «ما گوشت و استخوان تو هستیم؛
2 Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
حتی زمانی که شائول پادشاه بود، سپاهیان ما را تو به جنگ می‌بردی و به سلامت بر می‌گرداندی؛ و خداوند، خدایت فرموده است که تو باید شبان و رهبر قوم او باشی.»
3 Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Samoela.
پس در حبرون داوود در حضور خداوند با رهبران اسرائیل عهد بست و ایشان همان‌طور که خداوند به سموئیل فرموده بود، او را به عنوان پادشاه اسرائیل انتخاب کردند.
4 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
سپس داوود و آن رهبران به اورشلیم که محل سکونت یبوسی‌ها بود و یبوس نیز نامیده می‌شد، رفتند.
5 Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
ولی اهالی یبوس از ورود آنها به شهر جلوگیری کردند. پس داوود قلعهٔ صهیون را که بعد به «شهر داوود» معروف شد، تسخیر کرد
6 Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
و به افراد خود گفت: «اولین کسی که به یبوسی‌ها حمله کند، فرماندهٔ سپاه خواهد شد.» یوآب پسر صرویه اولین کسی بود که به یبوسی‌ها حمله کرد؛ پس مقام فرماندهی سپاه داوود به او داده شد.
7 Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’ i Davida
داوود در آن قلعه ساکن شد و به همین جهت آن قسمت از شهر اورشلیم را شهر داوود نامیدند.
8 Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin’ ny tanàna.
داوود بخش قدیمی شهر را که اطراف قلعه بود به سمت بیرون وسعت داد و یوآب بقیهٔ شهر اورشلیم را تعمیر کرد.
9 Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no nomba azy.
به این ترتیب روز‌به‌روز بر قدرت و نفوذ داوود افزوده می‌شد، زیرا خداوند لشکرهای آسمان با او بود.
10 Ary izao no lohan’ ny lehilahy maherin’ i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ ny fanjakany, mbamin’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely.
این است اسامی سربازان شجاع داوود که همراه قوم اسرائیل او را مطابق کلام خداوند، پادشاه خود ساختند و سلطنت او را استوار نمودند:
11 Dia izao no isan’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Jasobeama, zanak’ i Hakmony, lehiben’ ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka naharingana azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
یشبعام (مردی از اهالی حکمون) فرماندهٔ افسران شجاع داوود پادشاه بود. او یکبار با نیزه خود سیصد نفر را کشت.
12 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery.
العازار پسر دودو، از خاندان اخوخ در رتبهٔ دوم قرار داشت.
13 Izy dia teo amin’ i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
او در جنگی که با فلسطینی‌ها در فَسدَمیم درگرفت، داوود را همراهی می‌کرد. در محلی که مزرعهٔ جو بود، سپاه اسرائیل در برابر فلسطینی‌ها تاب نیاوردند و پا به فرار گذاشتند،
14 Fa nijanona teo afovoan’ io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
ولی العازار و افرادش در آن مزرعهٔ جو در برابر فلسطینی‌ها ایستادگی کردند و آنها را شکست دادند و خداوند پیروزی بزرگی نصیب ایشان نمود.
15 Ary nisy telo lahy malaza tamin’ ny telo-polo nidina nankeo amin’ ny vatolampy ho any amin’ i Davida tamin’ ny zohin’ i Adolama; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby tao amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
در حالی که عده‌ای از فلسطینی‌ها در درهٔ رفائیم اردو زده بودند، سه نفر از سی سردار شجاع داوود پیش او که در غار عدولام پنهان شده بود، رفتند.
16 Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
داوود در پناهگاه خود بود و اردوی فلسطینی‌ها در بیت‌لحم مستقر شده بود.
17 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady.
در این هنگام داوود گفت: «چقدر دلم می‌خواهد از آب چاهی که نزدیک دروازهٔ بیت‌لحم است بنوشم!»
18 Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tao amin’ ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah.
پس آن سه سردار قلب اردوی فلسطینی‌ها را شکافته، از آن گذشتند و از آن چاه آب کشیدند و برای داوود آوردند. ولی داوود آن آب را ننوشید، بلکه آن را چون هدیه به حضور خداوند ریخت
19 Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’ Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin’ ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
و گفت: «نه ای خدا، من این آب را نمی‌نوشم! این آب، خون این سه نفر است که برای آوردنش جان خود را به خطر انداختند.»
20 Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, no lehibe tamin’ izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
ابیشای برادر یوآب، فرماندهٔ آن سه نفر بود. او یکبار با کشتن سیصد نفر با نیزهٔ خود، مانند آن سه نفر معروف شد.
21 Eny, tamin’ izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
هر چند ابیشای رئیس آن سه دلاور و معروفتر از ایشان بود، ولی جزو آن سه نفر محسوب نمی‌شد.
22 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ ny lavaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny.
بنایا پسر یهویاداع اهل قبصئیل، سرباز معروفی بود و کارهای متهورانه انجام می‌داد. بنایا دو سردار معروف موآبی را کشت. او همچنین در یک روز برفی به حفره‌ای داخل شد و شیری را کشت.
23 Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan’ ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona; nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
یکبار با یک چوبدستی یک جنگجوی مصری را که قدش دو متر و نیم و نیزه‌اش به کلفتی چوب نساجان بود، از پای درآورد. آن مصری نیزه‌ای در دست داشت و بنایا نیزه را از دست او ربود و وی را با آن نیزه کشت.
24 Izany zavatra izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
این بود کارهای بنایا که او را مانند سه سردار ارشد معروف ساخت.
25 Indro fa be voninahitra tamin’ ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
او از آن سی نفر معروفتر بود ولی جزو سه سردار ارشد محسوب نمی‌شد. داوود او را به فرماندهی گارد سلطنتی گماشت.
26 Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, sy Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
سربازان معروف دیگر داوود پادشاه اینها بودند: عسائیل (برادر یوآب)، الحانان (پسر دودو) اهل بیت‌لحم، شموت اهل هرور، حالص اهل فلونی، عیرا (پسر عقیش) اهل تقوع، ابیعزر اهل عناتوت، سبکای اهل حوشات، عیلای اهل اخوخ، مهرای اهل نطوفات، حالد (پسر بعنه) اهل نطوفات، اتای (پسر ریبای) از جِبعهٔ بنیامین، بنایا اهل فرعاتون، حورای اهل وادیهای جاعش، ابی‌ئیل اهل عربات، عزموت اهل بحروم، الیحبای اهل شعلبون، پسران هاشم اهل جزون، یوناتان (پسر شاجای) اهل حرار، اخیام (پسر ساکار) اهل حرار، الیفال (پسر اور)، حافر اهل مکرات، اخیا اهل فلون، حصرو اهل کرمل، نعرای (پسر ازبای)، یوئیل (برادر ناتان)، مبحار (پسر هجری)، صالق اهل عمون، نحرای اهل بیروت (او سلاحدار سردار یوآب بود)، عیرا اهل یتر، جارب اهل یتر، اوریا اهل حیت، زاباد (پسر احلای)، عدینا (پسر شیزا) از قبیلهٔ رئوبین (او جزو سی و یک رهبر قبیلهٔ رئوبین بود.) حانان (پسر معکه)، یوشافاط از اهالی متنا، عزیا اهل عشتروت، شاماع و یعوئیل (پسران حوتام) اهل عروعیر، یدیعی‌ئیل (پسر شمری)، یوخا (برادر یدیعی‌ئیل) از اهالی تیص، الی‌ئیل اهل محوی، یریبای و یوشویا (پسران الناعم)، یتمه اهل موآب، الی‌ئیل، عوبید و یعسی‌ئیل اهل مصوبات.
27 sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
28 sy Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta, sy Abiezera Anatotita
29 sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
30 sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak’ i Bana Netofatita,
31 sy Itahy, zanak’ i Ribay avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina, sy Benaia Piratonita
32 sy Horay, any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy, sy Abiela Arbatita
33 sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
34 sy ny zanak’ i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak’ i Sage Hararita,
35 sy Ahiama, zanak’ i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak’ i Ora,
36 sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
37 sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak’ i Ezbay,
38 sy Joela, rahalahin’ i Natana, sy Mibara, zanak’ i Hagry.
39 sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
40 sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita
41 sy Oria Hetita sy Zabada, zanak’ i Ahelay,
42 sy Adina, zanak’ i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
43 sy Hanana, zanak’ i Maka, sy Josafata Mitnita
44 sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak’ i Hotama Aroerita,
45 sy Jediaela, zanak’ i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
46 sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak’ i Elnama, sy Jitma Moabita
47 sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaïta.

< 1 Tantara 11 >