< 1 Mpanjaka 17 >

1 Ary Elia Tisbita, isan’ ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin’ i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’ izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
Elijah the Tishbite, who was one of the settlers of Gilead, said to Ahab, “As the LORD, the God of Israel, lives, before whom I stand, there shall not be dew nor rain these years, but according to my word.”
2 Ary ny tenin’ i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
Then the LORD’s word came to him, saying,
3 Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan’ ny renirano Kerita, izay any atsinanan’ i Jordana.
“Go away from here, turn eastward, and hide yourself by the brook Cherith, that is before the Jordan.
4 Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
You shall drink from the brook. I have commanded the ravens to feed you there.”
5 Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin’ i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan’ ny renirano Kerita any atsinanan’ i Jordana.
So he went and did according to the LORD’s word, for he went and lived by the brook Cherith that is before the Jordan.
6 Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin’ ny renirano no nisotroany.
The ravens brought him bread and meat in the morning, and bread and meat in the evening; and he drank from the brook.
7 Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian’ ny ranonorana tamin’ ny tany.
After a while, the brook dried up, because there was no rain in the land.
8 Ary ny tenin’ i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:
The LORD’s word came to him, saying,
9 Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman’ i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
“Arise, go to Zarephath, which belongs to Sidon, and stay there. Behold, I have commanded a widow there to sustain you.”
10 Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin’ ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna hianao, itondray rano kely amin’ ny fisotroana aho mba hosotroiko.
So he arose and went to Zarephath; and when he came to the gate of the city, behold, a widow was there gathering sticks. He called to her and said, “Please get me a little water in a jar, that I may drink.”
11 Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
As she was going to get it, he called to her and said, “Please bring me a morsel of bread in your hand.”
12 Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan’ ila ao amin’ ny barika sy diloilo kely foana ao amin’ ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
She said, “As the LORD your God lives, I don’t have anything baked, but only a handful of meal in a jar and a little oil in a jar. Behold, I am gathering two sticks, that I may go in and bake it for me and my son, that we may eat it, and die.”
13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
Elijah said to her, “Don’t be afraid. Go and do as you have said; but make me a little cake from it first, and bring it out to me, and afterward make some for you and for your son.
14 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ ny tavoara mandra-pihavin’ ny andro handatsahan’ i Jehovah ranonorana amin’ ny tany.
For the LORD, the God of Israel, says, ‘The jar of meal will not run out, and the jar of oil will not fail, until the day that the LORD sends rain on the earth.’”
15 Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin’ ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
She went and did according to the saying of Elijah; and she, he, and her household ate many days.
16 Nefa tsy lany ny koba tao amin’ ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ ny tavoara, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Elia.
The jar of meal didn’t run out and the jar of oil didn’t fail, according to the LORD’s word, which he spoke by Elijah.
17 Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy.
After these things, the son of the woman, the mistress of the house, became sick; and his sickness was so severe that there was no breath left in him.
18 Dia hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?
She said to Elijah, “What have I to do with you, you man of God? You have come to me to bring my sin to memory, and to kill my son!”
19 Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
He said to her, “Give me your son.” He took him out of her bosom, and carried him up into the room where he stayed, and laid him on his own bed.
20 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin’ ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
He cried to the LORD and said, “LORD my God, have you also brought evil on the widow with whom I am staying, by killing her son?”
21 Dia niampatra intelo tamin’ ny zaza izy sady nitaraina tamin’ i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain’ ity zaza ity.
He stretched himself on the child three times, and cried to the LORD and said, “LORD my God, please let this child’s soul come into him again.”
22 Ary Jehovah nihaino ny feon’ i Elia, dia nody taminy indray ny ain’ ny zaza, ka dia velona izy.
The LORD listened to the voice of Elijah; and the soul of the child came into him again, and he revived.
23 Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao.
Elijah took the child and brought him down out of the room into the house, and delivered him to his mother; and Elijah said, “Behold, your son lives.”
24 Ary hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’ Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’ i Jehovah aloaky ny vavanao.
The woman said to Elijah, “Now I know that you are a man of God, and that the LORD’s word in your mouth is truth.”

< 1 Mpanjaka 17 >