< 2 Korintiana 4 >

1 Ary amin’ izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.
Therefore seeing we have this ministry, even as we obtained mercy, we do not faint.
2 Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’ Andriamanitra izahay; fa amin’ ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ ny fieritreretan’ ny olona rehetra eo imason’ Andriamanitra.
But we have renounced the hidden things of shame, not walking in craftiness, nor handling the word of God deceitfully; but by the manifestation of the truth commending ourselves to every man's conscience in the sight of God.
3 Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’ izay ho very izany,
Even if our Good News is veiled, it is veiled to those who are perishing;
4 izay nohajambain’ ny andriamanitr’ izao tontolo izao, dia ny sain’ ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny filazantsaran’ ny voninahitr’ i Kristy, Izay endrik’ Andriamanitra. (aiōn g165)
in whom the god of this world has blinded the minds of the unbelieving, so they would not see the light of the glorious Good News of Meshikha, who is the image of God. (aiōn g165)
5 Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin’ i Jesosy.
For we do not preach ourselves, but Meshikha Yeshua as Lord, and ourselves as your slaves because of Yeshua.
6 Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy.
For it is God, who spoke for light to shine out of darkness, who has shone in our hearts to give the light of the knowledge of the glory of God in the face of Meshikha.
7 Fa manana izao rakitra izao amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay.
But we have this treasure in clay vessels, that the exceeding greatness of the power may be of God, and not from ourselves.
8 Voageja manodidina izahay, nefa tsy terỳ; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
We are pressed on every side, yet not crushed; perplexed, yet not to despair;
9 enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;
pursued, yet not forsaken; struck down, yet not destroyed;
10 mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba haseho ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy.
always carrying in the body the death of Yeshua, that the life of Yeshua may also be revealed in our body.
11 Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’ i Jesosy, mba haseho ao amin’ ny nofonay mety maty koa ny fiainan’ i Jesosy.
For we who live are always delivered to death for Yeshua's sake, that the life also of Yeshua may be revealed in our mortal flesh.
12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
So then death works in us, but life in you.
13 Ary satria manana izany fanahin’ ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny, dia mino koa izahay ka miteny;
But having the same spirit of faith, according to that which is written, "I believed, and therefore I spoke." We also believe, and therefore also we speak;
14 fa fantatray fa Izay nanangana an’ i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
knowing that he who raised the Lord Yeshua will raise us also with Yeshua, and will present us with you.
15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ ny fisaorana ho voninahitr’ Andriamanitra noho ny fitombon’ ny fahasoavana amin’ ny maro.
For all things are for your sakes, that the grace, being multiplied through the many, may cause the thanksgiving to abound to the glory of God.
16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’ andro isan’ andro kosa ny toetray anatiny.
Therefore we do not become discouraged, but even though our outer nature is wearing away, yet our inner nature is being renewed day by day.
17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, (aiōnios g166)
For this momentary light affliction is working for us a far more exceeding and everlasting weight of glory; (aiōnios g166)
18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. (aiōnios g166)
while we do not look at the things which are seen, but at the things which are not seen. For the things which are seen are temporal, but the things which are not seen are everlasting. (aiōnios g166)

< 2 Korintiana 4 >