< 2 Mpanjaka 12 >

1 Ary tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
Anno septimo Iehu regnavit Ioas: et quadraginta annis regnavit in Ierusalem. nomen matris eius Sebia de Bersabee.
2 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny androny rehetra izay nanoloran’ i Joiada mpisorona saina azy.
Fecitque Ioas rectum coram Domino cunctis diebus, quibus docuit eum Ioiada sacerdos.
3 Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin’ ny fitoerana avo ihany.
Verumtamen excelsa non abstulit: adhuc enim populus immolabat, et adolebat in excelsis incensum.
4 Ary hoy Joasy tamin’ ny mpisorona: Ny vola amin’ ny zava-masìna rehetra izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah, dia ny volan’ ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ ny tomban’ olona ary ny vola rehetra Izay nentin’ ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon’ i Jehovah,
Dixitque Ioas ad sacerdotes: Omnem pecuniam sanctorum, quæ illata fuerit in templum Domini a prætereuntibus, quæ offertur pro pretio animæ, et quam sponte et arbitrio cordis sui inferunt in templum Domini:
5 aoka horaisin’ ny mpisorona amin’ ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin’ ny trano, na amin’ inona na amin’ inona no hitany misy simba.
accipiant illam sacerdotes iuxta ordinem suum, et instaurent sartatecta domus, siquid necessarium viderint instauratione.
6 Kanjo hatramin’ ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan’ i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin’ ny trano.
Igitur usque ad vigesimum tertium annum regis Ioas, non instauraverunt sacerdotes sartatecta templi.
7 Ka dia niantso an’ i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin’ ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin’ ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin’ ny trano ny vola.
Vocavitque rex Ioas Ioiadam pontificem et sacerdotes, dicens eis: Quare sartatecta non instauratis templi? nolite ergo amplius accipere pecuniam iuxta ordinem vestrum, sed ad instaurationem templi reddite eam.
8 Ary ny mpisorona nanaiky tsy handray vola amin’ ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba amin’ ny trano.
Prohibitique sunt sacerdotes ultra accipere pecuniam a populo, et instaurare sartatecta domus.
9 Fa Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan’ ny alitara tamin’ ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon’ i Jehovah.
Et tulit Ioiada pontifex gazophylacium unum, aperuitque foramen desuper, et posuit illud iuxta altare ad dexteram ingredientium domum Domini, mittebantque in eo sacerdotes, qui custodiebant ostia, omnem pecuniam, quæ deferebatur ad templum Domini.
10 Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sady nisainy.
Cumque viderent nimiam pecuniam esse in gazophylacio, ascendebat scriba regis, et pontifex, effundebantque et numerabant pecuniam, quæ inveniebatur in domo Domini:
11 Ary ny vola voalanja dia natolotr’ ireo ho eo an-tanan’ ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin’ ny tranon’ i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin’ ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon’ i Jehovah
et dabant eam iuxta numerum atque mensuram in manu eorum, qui præerant cæmentariis domus Domini: qui impendebant eam in fabris lignorum, et in cæmentariis iis, qui operabantur in domo Domini,
12 sy ho amin’ ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ ny tranon’ i Jehovah sy holanina amin’ izay rehetra hanamboarana azy.
et sartatecta faciebant: et in iis, qui cædebant saxa, et ut emerent ligna, et lapides, qui excidebantur, ita ut impleretur instauratio domus Domini in universis, quæ indigebant expensa ad muniendam domum.
13 Nefa tsy nisy lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin’ ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny volafotsy nampidirina tao;
Verumtamen non fiebant ex eadem pecunia hydriæ templi Domini, et fuscinulæ, et thuribula, et tubæ, et omne vas aureum et argenteum de pecunia, quæ inferebatur in templum Domini.
14 fa nomeny ny mpiasa izany ka nentin’ ireo nanamboatra ny tranon’ i Jehovah.
iis enim, qui faciebant opus, dabatur ut instauraretur templum Domini:
15 Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.
et non fiebat ratio iis hominibus, qui accipiebant pecuniam ut distribuerent eam artificibus, sed in fide tractabant eam.
16 Fa ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona kosa izany.
Pecuniam vero pro delicto, et pecuniam pro peccatis non inferebant in templum Domini, quia sacerdotum erat.
17 Ary tamin’ izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan’ i Syria, ary namely an’ i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an’ i Jerosalema koa izy.
Tunc ascendit Hazael rex Syriæ, et pugnabat contra Geth, cepitque eam: et direxit faciem suam ut ascenderet in Ierusalem.
18 Ary Joasy, mpanjakan’ ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin’ ny mpanjakan’ ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin’ ny zavatra nohamasinin’ ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin’ ny rakitra, na ny tao an-tranon’ i Jehovah, na ny tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.
Quam ob rem tulit Ioas rex Iuda omnia sanctificata, quæ consecraverant Iosaphat, et Ioram, et Ochozias patres eius reges Iuda, et quæ ipse obtulerat: et universum argentum, quod inveniri potuit in thesauris templi Domini, et in palatio regis: misitque Hazaeli regi Syriæ, et recessit ab Ierusalem.
19 Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
Reliqua autem sermonum Ioas, et universa quæ fecit, nonne hæc scripta sunt in Libro verborum dierum regum Iuda?
20 Ary nitsangana ny mpanompon’ i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila.
Surrexerunt autem servi eius, et coniuraverunt inter se, percusseruntque Ioas in Domo Mello in descensu Sella.
21 Fa Jozakara, zanak’ i Simata, sy Jozabada, zanak’ i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Iosachar namque filius Semaath, et Iozabad filius Somer servi eius, percusserunt eum, et mortuus est: et sepelierunt eum cum patribus suis in Civitate David, regnavitque Amasias filius eius pro eo.

< 2 Mpanjaka 12 >