< Deotoronomia 2 >

1 Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain’ i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seïra ela ihany isika.
Kenaka tinabwerera ndi kuyamba ulendo wolowera ku chipululu motsatira njira ya ku Nyanja Yofiira, monga mmene Yehova anatilamulira. Kwa nthawi yayitali tinayendayenda cha ku dziko la mapiri la Seiri.
2 Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
Ndipo Yehova anati kwa ine,
3 Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo.
“Mwazungulira mokwanira dziko la mapiri, tsopano tembenukirani kumpoto.
4 Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin’ ny taranak’ i Esao rahalahinareo, izay monina any Seïra; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,
Apatse anthu malamulo awa: ‘Muli pafupi kudutsa mʼchigawo cha abale anu adzukulu a Esau okhala ku Seiri. Iwowa adzachita nanu mantha koma musamale kwambiri.
5 ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra.
Musayambane nawo popeza sindidzakupatsani gawo lina lililonse la dziko lawo ngakhale poti mungoyika phazi. Ndamupatsa Esau dziko lamapiri la Seiri kuti likhale lakelake.
6 Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.
Inu muyenera kuwalipira ndi siliva pa chakudya chimene mudye ndi madzi amene mumwe.’”
7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’ izay rehetra nataon’ ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
Yehova Mulungu wanu wakudalitsani mʼntchito zonse za manja anu. Iye wakuyangʼanirani pa ulendo wanu wodutsa mʼchipululu chachikulu. Yehova Mulungu wanu wakhala nanu mʼzaka makumi anayi, ndipo simunasowe kalikonse.
8 Ary raha nandalo ny taranak’ i Esao rahalahintsika izay monina any Seïra isika ary niala tamin’ ny lalana amin’ ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Moaba.
Choncho tinapitiriza ulendo modutsa abale athu, adzukulu a Esau okhala ku Seiri. Tinapatukira njira ya ku Araba imene imachokera ku Elati ndi Ezioni Geberi ndipo tinayenda njira ya ku chipululu cha Mowabu.
9 Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan’ ny taranak’ i Lota.
Ndipo Yehova anati kwa ine, “Musawavutitse Amowabu kapena kuwaputa kuti muchite nawo nkhondo popeza sindidzakupatsani gawo lina lililonse la dziko lawo. Ndinapereka Ari kwa adzukulu a Loti ngati chuma chawo.”
10 (Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
(Aemi, anthu amphamvu ndi ochuluka komanso ataliatali ngati Aanaki amakhala kumeneko.
11 Ireo koa no natao ho Refaïta tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.
Ngati Aanaki, nawonso ankawayesa kuti anali Arefai, koma Amowabu ankawatcha iwo Aemi.
12 Ary ny tany Seïra dia nonenan’ ny Horita, fa ny taranak’ i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon’ ny Isiraely tao amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy ho lovany.)
Ahori amakhala ku Seiri koma adzukulu a Esau anawapirikitsa. Iwo anawononga Ahori pamaso pawo nawakhalira pamalo pawo monga Aisraeli anachitira mʼdziko limene Yehova anawapatsa ngati chuma chawo).
13 Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.
Ndipo Yehova anati, “Tsopano nyamukani ndipo muwoloke Chigwa cha Zeredi.” Choncho tinawoloka chigwacho.
14 Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin’ ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran’ ny mpanafika rehetra tamin’ izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby, araka izay efa nianianan’ i Jehovah taminy.
Panapita zaka 38 kuchokera pa nthawi imene tinachoka ku Kadesi Barinea mpaka pamene tinawoloka Chigwa cha Zeredi. Pa nthawi imeneyi nʼkuti mʼbado wonse wa anthu ankhondowo utawonongeka ku msasa monga Yehova anawalumbirira.
15 Ary koa, ny tànan’ i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby.
Dzanja la Yehova linatsutsana nawo mpaka wonse anathera ku msasa.
16 Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
Tsono atafa munthu wotsiriza mwa anthu ankhondowo,
17 dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
Yehova anati kwa ine,
18 Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
“Lero mudutsa malire a Mowabu ku Ari podzera ku Ari.
19 dia ho tonga ao akaikin’ ny taranak’ i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin’ ny taranak’ i Amona, satria nomeko ho lovan’ ny taranak’ i Lota izany.
Mukafika kwa Aamoni, musawavutitse kapena kuwaputa, popeza sindidzakupatsani gawo lililonse la dziko la Aamoni. Ine ndalipereka dzikoli ngati chuma kwa adzukulu a Loti.”
20 (Izany koa no natao ho tanin’ ny Refaïta; fa ny Refaïta no nitoetra tao tany aloha ka nataon’ ny Amonita hoe Zamzomita.
(Ilinso ankaliyesa dziko la Arefai amene ankakhala kumeneko. Koma Aamoni ankawatcha iwo Azamuzumi.
21 Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
Iwo anali anthu amphamvu ndiponso ochuluka, ataliatali ngati Aanaki. Yehova anawawononga ndi kuwachotsa pamaso pa Aamoni, amene anawapirikitsa nawakhalira pa malo pawo.
22 araka izay nataony koa ho an’ ny taranak’ i Esao, izay mitoetra any Seïra, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
Yehova anachitanso chimodzimodzi ndi adzukulu a Esau omwe anakhazikika ku Seiri atawononga Ahori powachotsa pamaso pawo. Iwo anawapirikitsa Ahoriwo ndi kuwakhalira pamalo pawo mpaka lero.
23 ary ny amin’ ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
Ndipo za Aavi omwe ankakhala mʼmidzi yofika mpaka ku Gaza, anagonjetsedwa ndi Akafitori wochokera ku Akafitori nakhala pamalo pawo).
24 Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan’ i Hesbona, mbamin’ ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
“Tsopano nyamukani, muwoloke khwawa la Arinoni. Taona ndapereka mʼmanja mwako Sihoni Mwamori mfumu ya Hesiboni ndi dziko lake lonse. Yambapo kutenga chuma chake ndi kumenyana naye nkhondo.
25 Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
Lero lomwe lino ndidzayamba kuyika chiopsezo ndi mantha pa mitundu yonse pansi pa thambo kuti akuope. Iwowo adzamva zambiri yako ndipo adzanjenjemera ndi kuwawidwa mtima chifukwa cha iwe.”
26 Dia naniraka olona avy tany an-efitr’ i Kedemota aho hankany amin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:
Ine ndinatuma amithenga kuchokera ku chipululu cha Kedemoti kupita kwa Sihoni mfumu ya Hesiboni kukanena mawu ofuna mtendere ndipo ndinati,
27 Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;
“Tiloleni tidutse mʼdziko mwanu. Ife tidzangodutsa ndi msewu waukulu, ndipo sitidzapatukira kumanja kapena kumanzere.
28 vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho
Mutigulitse chakudya kuti tidye ndi madzi kuti timwe pa mtengo wa siliva. Mungotilola kuti tidutse, tikuyenda pansi
29 (araka izay nataon’ ny taranak’ i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitray anay.
monga mmene anatichitira adzukulu a Esau okhala ku Seiri ndi Amowabu okhala ku Ari mpaka titawoloka Yorodani kufika ku dziko limene Yehova Mulungu wathu akutipatsa.”
30 Fa Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
Koma Sihoni mfumu ya Hesiboni sanalole kuti tidutse. Popeza Yehova Mulungu wanu analimbitsa mzimu wake, nawumitsa mtima wake kuti amupereke mʼmanja mwanu monga wachitira lero lino.
31 Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an’ i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.
Yehova anati kwa ine, “Taona ndayamba kumupereka Sihoni ndi dziko lake kwa iwe. Tsopano yamba kugonjetsa ndi kulanda dziko lake.”
32 Dia nivoaka Sihona mbamin’ ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.
Sihoni ndi ankhondo ake atabwera kudzakumana nafe mwankhondo pa Yahazi,
33 Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
Yehova Mulungu anamupereka iye kwa ife ndipo tinankantha, pamodzi ndi ana ake aamuna ndi gulu lake lonse lankhondo.
34 Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin’ izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.
Pa nthawi imeneyi tinamulanda mizinda yake yonse ndi kuyiwononga kwathunthu, amuna, akazi ndi ana. Palibe amene anapulumuka.
35 Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin’ ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.
Koma ziweto ndi zinthu zonse zimene tinalanda mʼmizinda imene tinagonjetsayo, tinazitenga kukhala zathu.
36 Hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.
Kuchokera ku Aroeri mʼmphepete mwa mtsinje wa Arinoni ndi ku mzinda wa ku mtsinjeko mpaka kukafika ku Giliyadi, panalibe ndi mzinda ndi umodzi omwe umene unatikanika kuwugonjetsa. Yehova Mulungu wathu anatipatsa onsewo.
37 Kanefa ny tanin’ ny taranak’ i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron’ ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin’ ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran’ i Jehovah Andriamanitsika antsika.
Molingana ndi lamulo la Yehova Mulungu wathu, simunalowerere dziko lililonse la Aamoni, ngakhale dera lonse la ku mtsinje wa Yaboki kapena dera lozungulira dera la ku mizinda ya ku mapiri.

< Deotoronomia 2 >