< Mpitoriteny 8 >

1 Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren’ ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan’ ny endriny.
Quem é tal como o sabio? e quem sabe a interpretação das coisas? A sabedoria do homem allumia o seu rosto, e a aspereza do seu rosto se muda.
2 Hoy izaho: Tandremo ny didin’ ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin’ Andriamanitra.
Eu digo: Observa o mandamento do rei, porém segundo a palavra do juramento que fizeste a Deus.
3 Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin’ ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
Não te apresses a sair da presença d'elle, nem persistas em alguma coisa má, porque elle faz tudo o que quer.
4 fa ny tenin’ ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
Onde ha a palavra do rei, ahi está o poder; e quem lhe dirá: Que fazes?
5 Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin’ ny fanaovan-dratsy; ary ny fon’ ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;
Quem guardar o mandamento não experimentará nenhum mal; e o coração do sabio saberá o tempo e o modo
6 fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.
Porque para todo o proposito ha seu tempo e seu modo; porquanto o mal do homem é muito sobre elle.
7 Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
Porque não sabe o que ha de succeder: e, quando haja de succeder, quem lh'o dará a entender?
8 Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin’ ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin’ ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin’ ny faharatsiany.
Nenhum homem ha que tenha dominio sobre o espirito, para reter o espirito; nem tão pouco tem elle poder sobre o dia da morte: como tambem nem armas n'esta peleja: nem tão pouco a impiedade livrará aos impios.
9 Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin’ ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro. Misy andro anapahan’ ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
Tudo isto vi quando appliquei o meu coração a toda a obra que se faz debaixo do sol: tempo ha em que um homem tem dominio sobre outro homem, para desgraça sua.
10 Ary tamin’ izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin’ ny fitoeran’ ny masìna ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.
Assim tambem vi os impios sepultados, e os que vinham, e sahiam do logar sancto, que foram esquecidos na cidade em que fizeram bem: tambem isto é vaidade.
11 Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovan-dratsy.
Porquanto logo se não executa o juizo sobre a má obra, por isso o coração dos filhos dos homens está inteiramente disposto para obrar o mal.
12 Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
Ainda que o peccador faça mal cem vezes, e os dias se lhe prolonguem, comtudo bem sei eu, que bem succede aos que temem a Deus, aos que temerem diante d'elle.
13 Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’ Andriamanitra.
Porém ao impio não irá bem, e elle não prolongará os dias; será como a sombra; visto que elle não teme diante de Deus.
14 Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin’ ny tany: Misy olo-marina iharan’ izay tokony ho valin’ ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin’ ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
Ainda ha outra vaidade que se faz sobre a terra: que ha justos a quem succede segundo as obras dos impios, e ha impios a quem succede segundo as obras dos justos. Digo que tambem isto é vaidade.
15 Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen’ Andriamanitra azy atỳ ambanin’ ny masoandro.
Assim que louvei eu a alegria, porquanto o homem coisa nenhuma melhor tem debaixo do sol do que comer, beber e alegrar-se; porque isso o acompanhará no seu trabalho nos dias da sua vida que Deus lhe dá debaixo do sol.
16 Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin’ ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
Applicando eu o meu coração a entender a sabedoria, e a ver a occupação que ha sobre a terra; que nem de dia nem de noite vê o homem somno nos seus olhos.
17 dia hitako avokoa ny asan’ Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ ny olona ny asa atao atỳ ambanin’ ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.
Então vi toda a obra de Deus, que o homem não pode alcançar, a obra que se faz debaixo do sol, pela qual trabalha o homem para a buscar, porém não a achará; e, ainda que diga o sabio que a virá a saber, nem por isso a poderá alcançar.

< Mpitoriteny 8 >