< Eksodosy 40 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And Jehovah spake unto Moses, saying,
2 Amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
On the first day of the first month shalt thou rear up the tabernacle of the tent of meeting.
3 Ary ataovy ao ny fiaran’ ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
And thou shalt put therein the ark of the testimony, and thou shalt screen the ark with the veil.
4 Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
And thou shalt bring in the table, and set in order the things that are upon it; and thou shalt bring in the candlestick, and light the lamps thereof.
5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely.
And thou shalt set the golden altar for incense before the ark of the testimony, and put the screen of the door to the tabernacle.
6 Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
And thou shalt set the altar of burnt-offering before the door of the tabernacle of the tent of meeting.
7 Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
And thou shalt set the laver between the tent of meeting and the altar, and shalt put water therein.
8 Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja.
And thou shalt set up the court round about, and hang up the screen of the gate of the court.
9 Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masìna izy.
And thou shalt take the anointing oil, and anoint the tabernacle, and all that is therein, and shalt hallow it, and all the furniture thereof: and it shall be holy.
10 Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masìna indrindra izy.
And thou shalt anoint the altar of burnt-offering, and all its vessels, and sanctify the altar: and the altar shall be most holy.
11 Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
And thou shalt anoint the laver and its base, and sanctify it.
12 Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy.
And thou shalt bring Aaron and his sons unto the door of the tent of meeting, and shalt wash them with water.
13 Ary ampiakanjoy an’ i Arona ny fitafiana masìna, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
And thou shalt put upon Aaron the holy garments; and thou shalt anoint him, and sanctify him, that he may minister unto me in the priest’s office.
14 Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
And thou shalt bring his sons, and put coats upon them;
15 Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ ny taranany fara mandimby.
and thou shalt anoint them, as thou didst anoint their father, that they may minister unto me in the priest’s office: and their anointing shall be to them for an everlasting priesthood throughout their generations.
16 Dia nataon’ i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
Thus did Moses: according to all that Jehovah commanded him, so did he.
17 Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
And it came to pass in the first month in the second year, on the first day of the month, that the tabernacle was reared up.
18 Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
And Moses reared up the tabernacle, and laid its sockets, and set up the boards thereof, and put in the bars thereof, and reared up its pillars.
19 Ary namelatra ny lay teo ambonin’ ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
And he spread the tent over the tabernacle, and put the covering of the tent above upon it; as Jehovah commanded Moses.
20 Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ ny fiara.
And he took and put the testimony into the ark, and set the staves on the ark, and put the mercy-seat above upon the ark:
21 Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
and he brought the ark into the tabernacle, and set up the veil of the screen, and screened the ark of the testimony; as Jehovah commanded Moses.
22 Ary ny latabatra dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, dia teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely avaratra, teo ivelan’ ny efitra lamba.
And he put the table in the tent of meeting, upon the side of the tabernacle northward, without the veil.
23 Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
And he set the bread in order upon it before Jehovah; as Jehovah commanded Moses.
24 Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny latabatra, teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely atsimo.
And he put the candlestick in the tent of meeting, over against the table, on the side of the tabernacle southward.
25 Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
And he lighted the lamps before Jehovah; as Jehovah commanded Moses.
26 Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anoloan’ ny efitra lamba;
And he put the golden altar in the tent of meeting before the veil:
27 ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
and he burnt thereon incense of sweet spices; as Jehovah commanded Moses.
28 Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely;
And he put the screen of the door to the tabernacle.
29 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ ny varavaran’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
And he set the altar of burnt-offering at the door of the tabernacle of the tent of meeting, and offered upon it the burnt-offering and the meal-offering; as Jehovah commanded Moses.
30 Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
And he set the laver between the tent of meeting and the altar, and put water therein, wherewith to wash.
31 Ary teo no nanasan’ i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
And Moses and Aaron and his sons washed their hands and their feet thereat;
32 Raha niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
when they went into the tent of meeting, and when they came near unto the altar, they washed; as Jehovah commanded Moses.
33 Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ ny vavahadin’ ny kianja. Dia vitan’ i Mosesy ny asa rehetra.
And he reared up the court round about the tabernacle and the altar, and set up the screen of the gate of the court. So Moses finished the work.
34 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
Then the cloud covered the tent of meeting, and the glory of Jehovah filled the tabernacle.
35 Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
And Moses was not able to enter into the tent of meeting, because the cloud abode thereon, and the glory of Jehovah filled the tabernacle.
36 Ary raha niakatra niala tamin’ ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nandehanany rehetra;
And when the cloud was taken up from over the tabernacle, the children of Israel went onward, throughout all their journeys:
37 fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin’ izay andro hiakarany.
but if the cloud was not taken up, then they journeyed not till the day that it was taken up.
38 Fa ny rahon’ i Jehovah dia teo ambonin’ ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ ny taranak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny nandehanany rehetra.
For the cloud of Jehovah was upon the tabernacle by day, and there was fire therein by night, in the sight of all the house of Israel, throughout all their journeys.

< Eksodosy 40 >