< Eksodosy 7 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an’ i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.
The LORD said to Moses, “Behold, I have made you as God to Pharaoh; and Aaron your brother shall be your prophet.
2 Hianao hilaza izay rehetra nandidiako anao, ary Arona rahalahinao kosa hilaza amin’ i Farao, mba handefasany ny Zanak’ Isiraely hiala amin’ ny taniny,
You shall speak all that I command you; and Aaron your brother shall speak to Pharaoh, that he let the children of Israel go out of his land.
3 Ary Izaho hanamafy ny fon’ i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.
I will harden Pharaoh’s heart, and multiply my signs and my wonders in the land of Egypt.
4 Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an’ i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon’ ny Zanak’ Isiraely oloko hiala amin’ ny tany Egypta.
But Pharaoh will not listen to you, so I will lay my hand on Egypt, and bring out my armies, my people the children of Israel, out of the land of Egypt by great judgements.
5 Dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa maninjitra ny tanako amin’ i Egypta Aho ka mitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any.
The Egyptians shall know that I am the LORD when I stretch out my hand on Egypt, and bring the children of Israel out from amongst them.”
6 Dia nataon’ i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
Moses and Aaron did so. As the LORD commanded them, so they did.
7 Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin’ i Farao izy mirahalahy.
Moses was eighty years old, and Aaron eighty-three years old, when they spoke to Pharaoh.
8 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona:
The LORD spoke to Moses and to Aaron, saying,
9 Raha miteny aminareo Farao ka manao hoe: Manaova fahagagana hanambara anareo, dia lazao amin’ i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anatrehan’ i Farao, dia ho tonga menarana iny.
“When Pharaoh speaks to you, saying, ‘Perform a miracle!’ then you shall tell Aaron, ‘Take your rod, and cast it down before Pharaoh, and it will become a serpent.’”
10 Ary Mosesy sy Arona nankao amin’ i Farao ka nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah; dia natsipin’ i Arona teo anatrehan’ i Farao sy teo anatrehan’ ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.
Moses and Aaron went in to Pharaoh, and they did so, as the LORD had commanded. Aaron cast down his rod before Pharaoh and before his servants, and it became a serpent.
11 Dia nampanalain’ i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin’ ny fankatovany.
Then Pharaoh also called for the wise men and the sorcerers. They also, the magicians of Egypt, did the same thing with their enchantments.
12 Fa samy nanipy ny tehiny avy izy ireo, ka tonga menarana ireny; nefa ny tehin’ i Arona nitelina ny tehin’ ireo.
For they each cast down their rods, and they became serpents; but Aaron’s rod swallowed up their rods.
13 Dia nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Pharaoh’s heart was hardened, and he didn’t listen to them, as the LORD had spoken.
14 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Efa mafy ny fon’ i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.
The LORD said to Moses, “Pharaoh’s heart is stubborn. He refuses to let the people go.
15 Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin’ ny rano izy; dia mijanona eo amoron’ i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao),
Go to Pharaoh in the morning. Behold, he is going out to the water. You shall stand by the river’s bank to meet him. You shall take the rod which was turned to a serpent in your hand.
16 dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.
You shall tell him, ‘The LORD, the God of the Hebrews, has sent me to you, saying, “Let my people go, that they may serve me in the wilderness. Behold, until now you haven’t listened.”
17 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko etỳ an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy.
The LORD says, “In this you shall know that I am the LORD. Behold: I will strike with the rod that is in my hand on the waters which are in the river, and they shall be turned to blood.
18 Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian’ ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao.
The fish that are in the river will die and the river will become foul. The Egyptians will loathe to drink water from the river.”’”
19 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin’ ny ranon’ i Egypta ny tananao, dia ambonin’ ny sampan-dranony sy ambonin’ ny lahin-dranony, sy ambonin’ ny heniheniny, ary ambonin’ ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran’ ny tany Egypta rehetra, na amin’ ny fitoeran-drano hazo na amin’ ny fitoeran-drano vato.
The LORD said to Moses, “Tell Aaron, ‘Take your rod, and stretch out your hand over the waters of Egypt, over their rivers, over their streams, and over their pools, and over all their ponds of water, that they may become blood. There will be blood throughout all the land of Egypt, both in vessels of wood and in vessels of stone.’”
20 Ary nataon’ i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason’ i Farao sy teo imason’ ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily;
Moses and Aaron did so, as the LORD commanded; and he lifted up the rod, and struck the waters that were in the river, in the sight of Pharaoh, and in the sight of his servants; and all the waters that were in the river were turned to blood.
21 koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon’ ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra.
The fish that were in the river died. The river became foul. The Egyptians couldn’t drink water from the river. The blood was throughout all the land of Egypt.
22 Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
The magicians of Egypt did the same thing with their enchantments. So Pharaoh’s heart was hardened, and he didn’t listen to them, as the LORD had spoken.
23 Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza.
Pharaoh turned and went into his house, and he didn’t even take this to heart.
24 Dia nihady rano hosotroiny teo amoron’ i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily.
All the Egyptians dug around the river for water to drink; for they couldn’t drink the river water.
25 Ary nisy hafitoana taorian’ ny namelezan’ i Jehovah an’ i Neily.
Seven days were fulfilled, after the LORD had struck the river.

< Eksodosy 7 >