< Ezekiela 36 >

1 Ary ianao, ry zanak’ olona, maminania amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin’ i Jehovah:
Or, fils de l'homme, prophétise pour les montagnes d'Israël et dis: Montagnes d'Israël, écoutez la parole de l'Éternel!
2 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan’ ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola!
Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce que l'ennemi dit de vous: « Ah! ah! ces hauteurs éternelles sont devenues notre propriété! »
3 Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin’ ny tany manodidina, ka dia efa lasan’ ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon’ ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin’ ny firenena,
pour cela, prophétise et dis: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Précisément parce qu'on vous dévaste et vous dévore de toutes parts, pour faire de vous la propriété des autres peuples, et vous exposer aux discours de la langue et aux mauvais propos des hommes,
4 Dia mihainoa ny tenin’ i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin’ ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an’ ny firenena sisa amin’ ny manodidina,
pour cela, montagnes d'Israël, écoutez la parole du Seigneur, l'Éternel! Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel, aux montagnes et aux collines, aux vallées et aux vallons, et aux ruines désertes et aux villes abandonnées, qui sont devenues la proie et la risée des autres peuples d'alentour:
5 Eny, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin’ ny hafalian’ ny fony tokoa sy tamin’ ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
pour cela, ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Oui, dans le feu de ma jalousie je menace les autres peuples et Édom tout entier, qui se sont adjugé la propriété de mon pays, dans toute la joie de leur cœur et l'orgueil de leur âme, pour le dépouiller et en faire une proie.
6 Koa maminania ny amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka lazao amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: (Indro, tamin’ ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin’ ny firenena,
Aussi, adresse la prophétie au pays d'Israël, et dis aux montagnes et aux collines, aux vallées et aux vallons: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, c'est dans ma jalousie et ma fureur que je parle, parce que vous subissez l'opprobre des nations.
7 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
Aussi, ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: De ma main levée je jure que ce sont les peuples qui vous entourent, eux, qui subiront leur opprobre.
8 Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an’ ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian’ ireny.
Mais vous, montagnes d'Israël, vous pousserez vos rameaux, et porterez vos fruits pour mon peuple d'Israël; car ces choses sont près d'arriver.
9 Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
Car c'est vous que j'ai en vue, je me tournerai vers vous, afin que vous soyez cultivées et ensemencées;
10 Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak’ Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;
et je mettrai sur vous des hommes en grand nombre, la maison d'Israël tout entière; et les villes seront habitées, et les ruines relevées,
11 Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin’ ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
et je vous peuplerai d'hommes et d'animaux en grand nombre; ils se multiplieront et seront féconds; et je vous ferai habiter comme dans vos anciens temps, et vous montrerai plus de bonté que dans vos premiers jours, afin que vous sachiez que je suis l'Éternel.
12 Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.
Et je ferai marcher sur vous des hommes, mon peuple d'Israël, et ils te posséderont, et tu seras leur héritage, et tu ne leur ôteras plus leurs enfants.
13 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,
Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Parce qu'ils vous disent: « Tu as dévoré des hommes et privé ton peuple de ses enfants »,
14 Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo.
à cause de cela tu ne dévoreras plus d'hommes, et ne priveras plus ton peuple de ses enfants, dit le Seigneur, l'Éternel;
15 Ary hataoko tsy mahare ny latsan’ ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian’ olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo.
et je ne te ferai plus entendre les outrages des nations, et tu ne subiras plus l'opprobre des peuples, et tu ne priveras plus ton peuple de ses enfants, dit le Seigneur, l'Éternel.
16 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Et la parole de l'Éternel me fut adressée en ces mots:
17 Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely nonina tany amin’ ny taniny, dia nandoto izany tamin’ ny fanaony sy tamin’ ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan’ ny vehivavy mararin’ ny fadim-bolana no fahalotoan’ ny fanaony eo anatrehako.
Fils de l'homme, la maison d'Israël habitait son pays, et elle l'a souillé par sa conduite et par ses crimes, et sa conduite fut à mes yeux comme la souillure d'une femme souillée;
18 Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin’ ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin’ ny sampiny.
et je versai ma colère sur eux à cause du sang qu'ils avaient répandu dans le pays, et parce qu'ils l'avaient souillé par leurs idoles.
19 Ary naeliko ho any amin’ ny firenena izy ka nahahaka ho any amin’ ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.
Et je les dispersai parmi les peuples, et ils furent disséminés dans les pays divers; je les jugeai selon leur conduite et leurs crimes.
20 Ary nony tonga tany amin’ ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masìna tamin’ ny nanaovan’ ny olona azy hoe: Ireo no olon’ i Jehovah, nefa niala tamin’ ny tanin’ i Jehovah izy.
Et ils arrivèrent chez les nations; mais partout où ils vinrent, ils y profanèrent, mon saint nom, en faisant dire d'eux: « C'est là le peuple de l'Éternel, et il a quitté son pays. »
21 Dia namindrako fo ny anarako masìna, izay nolotoin’ ny taranak’ Isiraely tany amin’ ny firenena izay nalehany.
Mais je sauverai l'honneur de mon saint nom, qu'a profané la maison d'Israël parmi les peuples chez lesquels ils sont venus.
22 Koa atsovy amin’ ny taranak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’ Isiraely, fa noho ny anarako, masìna, izay nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa izay nalehanareo.
Aussi, dis à la maison d'Israël: Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Ce n'est pas en vue de vous que je le ferai, maison d'Israël, mais en vue de mon saint nom, que vous avez déshonoré parmi les peuples chez lesquels vous êtes venus;
23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masìna eo imasony Aho amin’ ny ataoko aminareo.
et je sanctifierai mon grand nom qui a été déshonoré parmi les nations, que vous avez déshonoré au milieu d'elles, afin que les nations sachent que je suis l'Éternel, dit le Seigneur, l'Éternel, quand je me montrerai saint envers vous sous vos yeux.
24 Fa halaiko avy any amin’ ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ ny taninareo.
Et je vous retirerai du milieu des nations, et vous rassemblerai de tous les pays, et vous ramènerai dans votre pays;
25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
et je répandrai sur vous une eau pure, afin que vous soyez purifiés; de toutes vos souillures et de toutes vos infamies je vous purifierai;
26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
et je vous donnerai un cœur nouveau, et mettrai un esprit nouveau au dedans de vous, et j'ôterai de votre corps le cœur de pierre et vous donnerai un cœur de chair.
27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
Et je mettrai mon Esprit au dedans de vous, et ferai que vous suiviez mes ordonnances, et gardiez et pratiquiez mes lois;
28 Ary honina any amin’ ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
et vous habiterez le pays que j'ai donné à vos pères, et vous serez mon peuple et je serai votre Dieu;
29 Ary hovonjeko ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
et je vous délivrerai de toutes vos souillures, et ferai venir le blé, et le multiplierai, et ne vous enverrai point de famine,
30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan’ ny jentilisa amin’ ny mosary intsony ianareo.
et je multiplierai les fruits des arbres et les productions de la terre, afin que pour cause de famine vous ne receviez plus d'outrages parmi les nations.
31 Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
Alors vous vous rappellerez votre conduite mauvaise et vos œuvres qui n'étaient pas bonnes, et vous aurez en vous-mêmes le dégoût de vos crimes et de vos infamies.
32 Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’ Isiraely.
Ce n'est pas en vue de vous que je fais ces choses, dit le Seigneur, l'Éternel. Sachez-le! Ayez honte et confusion de votre conduite, maison d'Israël!
33 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Amin’ ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin’ ny tanana, ary haorina indray ny efa rava.
Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Quand je vous purifierai de tous vos crimes, alors je peuplerai vos villes, et les ruines se relèveront;
34 Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason’ ny mpandalo rehetra intsony izy.
et le pays désolé sera cultivé, au lieu d'être un désert à la vue de tous les passants;
35 Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;
et l'on dira: Ce pays désolé est devenu comme le jardin d'Éden, et ces villes ruinées et dévastées et détruites sont fortifiées et habitées.
36 ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
Et les peuples qui survivront autour de vous reconnaîtront que c'est moi, l'Éternel, qui aurai rebâti ce qui était démoli, et planté ce qui était dévasté. Moi, l'Éternel, je l'ai dit et je le ferai.
37 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin’ ny taranak’ Isiraely Aho amin’ ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
Ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Encore en ceci j'exaucerai la maison d'Israël, pour le leur faire: je les multiplierai comme un troupeau d'hommes.
38 Toy ny ondry aman’ osy masìna, izay any Jerosalema amin’ ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan’ ny tanànany efa lao amin’ ny olona maro toy ny ondry aman’ osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Tel le troupeau des brebis consacrées, tel le troupeau de Jérusalem pendant ses solennités, ainsi leurs villes ruinées seront remplies de troupeaux d'hommes, afin qu'ils sachent que je suis l'Éternel.

< Ezekiela 36 >