< Ezekiela 47 >

1 Dia nentiny niverina ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano aho; ary, indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ ny tokonan’ ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano teo atsimon’ ny alitara.
फिर वह पुरुष मुझे भवन के द्वार पर लौटा ले गया; और भवन की डेवढ़ी के नीचे से एक सोता निकलकर पूर्व की ओर बह रहा था। भवन का द्वार तो पूर्वमुखी था, और सोता भवन के पूर्व और वेदी के दक्षिण, नीचे से निकलता था।
2 Dia nentiny nivoaka tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin’ ny lalana ivelany, hankany amin’ ny vavahady ivelany, dia teo amin’ ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin’ ny ilany ankavanana.
तब वह मुझे उत्तर के फाटक से होकर बाहर ले गया, और बाहर-बाहर से घुमाकर बाहरी अर्थात् पूर्वमुखी फाटक के पास पहुँचा दिया; और दक्षिणी ओर से जल पसीजकर बह रहा था।
3 Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
जब वह पुरुष हाथ में मापने की डोरी लिए हुए पूर्व की ओर निकला, तब उसने भवन से लेकर, हजार हाथ तक उस सोते को मापा, और मुझे जल में से चलाया, और जल टखनों तक था।
4 Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
उसने फिर हजार हाथ मापकर मुझे जल में से चलाया, और जल घुटनों तक था, फिर और हजार हाथ मापकर मुझे जल में से चलाया, और जल कमर तक था।
5 Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
तब फिर उसने एक हजार हाथ मापे, और ऐसी नदी हो गई जिसके पार मैं न जा सका, क्योंकि जल बढ़कर तैरने के योग्य था; अर्थात् ऐसी नदी थी जिसके पार कोई न जा सकता था।
6 Dia hoy izy tamiko: Ry zanak’ olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron’ ny ony izy.
तब उसने मुझसे पूछा, “हे मनुष्य के सन्तान, क्या तूने यह देखा है?” फिर उसने मुझे नदी के किनारे-किनारे लौटाकर पहुँचा दिया।
7 Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron’ ny ony, dia teny an-daniny roa.
लौटकर मैंने क्या देखा, कि नदी के दोनों तटों पर बहुत से वृक्ष हैं।
8 Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin’ ny tany atsinanana, dia midìna any amin’ ny tani-hay ka miditra eo amin’ ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.
तब उसने मुझसे कहा, “यह सोता पूर्वी देश की ओर बह रहा है, और अराबा में उतरकर ताल की ओर बहेगा; और यह भवन से निकला हुआ सीधा ताल में मिल जाएगा; और उसका जल मीठा हो जाएगा।
9 Ary ny zava-manan’ aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ ny ony.
जहाँ-जहाँ यह नदी बहे, वहाँ-वहाँ सब प्रकार के बहुत अण्डे देनेवाले जीवजन्तु जीएँगे और मछलियाँ भी बहुत हो जाएँगी; क्योंकि इस सोते का जल वहाँ पहुँचा है, और ताल का जल मीठा हो जाएगा; और जहाँ कहीं यह नदी पहुँचेगी वहाँ सब जन्तु जीएँगे।
10 Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin’ ny Ranomasina Lehibe.
१०ताल के तट पर मछुए खड़े रहेंगे, और एनगदी से लेकर एनएगलैम तक वे जाल फैलाए जाएँगे, और उन्हें महासागर की सी भाँति-भाँति की अनगिनत मछलियाँ मिलेंगी।
11 Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
११परन्तु ताल के पास जो दलदल और गड्ढे हैं, उनका जल मीठा न होगा; वे खारे ही रहेंगे।
12 Ary eny amoron’ ny ony, eny an-daniny roa, no anirian’ ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin’ ny fitoerana masìna ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
१२नदी के दोनों किनारों पर भाँति-भाँति के खाने योग्य फलदाई वृक्ष उपजेंगे, जिनके पत्ते न मुर्झाएँगे और उनका फलना भी कभी बन्द न होगा, क्योंकि नदी का जल पवित्रस्थान से निकला है। उनमें महीने-महीने, नये-नये फल लगेंगे। उनके फल तो खाने के, और पत्ते औषधि के काम आएँगे।”
13 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo; anjaran-droa no ho an’ i Josefa.
१३परमेश्वर यहोवा यह कहता है: “जिस सीमा के भीतर तुम को यह देश अपने बारहों गोत्रों के अनुसार बाँटना पड़ेगा, वह यह है: यूसुफ को दो भाग मिलें।
14 Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an’ ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
१४उसे तुम एक दूसरे के समान निज भाग में पाओगे, क्योंकि मैंने शपथ खाई कि उसे तुम्हारे पितरों को दूँगा, इसलिए यह देश तुम्हारा निज भाग ठहरेगा।
15 Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny Ranomasina Lehibe amin’ ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin’ i zedada,
१५“देश की सीमा यह हो, अर्थात् उत्तर ओर की सीमा महासागर से लेकर हेतलोन के पास से सदाद की घाटी तक पहुँचे,
16 dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan’ ny faritanin’ i Damaskosy sy ny fari-tanin’ i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin’ i Haorana.
१६और उस सीमा के पास हमात बेरोता, और सिब्रैम जो दमिश्क और हमात की सीमाओं के बीच में है, और हसर्हत्तीकोन तक, जो हौरान की सीमा पर है।
17 Ary ny fari-taniny dia hatramin’ ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy, ary amin’ ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
१७यह सीमा समुद्र से लेकर दमिश्क की सीमा के पास के हसरेनोन तक पहुँचे, और उसकी उत्तरी ओर हमात हो। उत्तर की सीमा यही हो।
18 Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’ i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin’ ny Isiraely dia Jordana; hatramin’ ny fari-tany ka hatreo amoron’ ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
१८पूर्वी सीमा जिसकी एक ओर हौरान दमिश्क; और यरदन की ओर गिलाद और इस्राएल का देश हो; उत्तरी सीमा से लेकर पूर्वी ताल तक उसे मापना। पूर्वी सीमा तो यही हो।
19 Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
१९दक्षिणी सीमा तामार से लेकर मरीबा-कादेश नामक सोते तक अर्थात् मिस्र के नाले तक, और महासागर तक पहुँचे। दक्षिणी सीमा यही हो।
20 Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin’ ny faritany ka hatrany akaikin’ i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
२०पश्चिमी सीमा दक्षिणी सीमा से लेकर हमात की घाटी के सामने तक का महासागर हो। पश्चिमी सीमा यही हो।
21 Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen’ Isiraely.
२१“इस प्रकार देश को इस्राएल के गोत्रों के अनुसार आपस में बाँट लेना।
22 Ary amin’ ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak’ Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin’ ny firenen’ Isiraely izy.
२२इसको आपस में और उन परदेशियों के साथ बाँट लेना, जो तुम्हारे बीच रहते हुए बालकों को जन्माएँ। वे तुम्हारी दृष्टि में देशी इस्राएलियों के समान ठहरें, और तुम्हारे गोत्रों के बीच अपना-अपना भाग पाएँ।
23 Ary amin’ izay firenena hitoeran’ ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.
२३जो परदेशी जिस गोत्र के देश में रहता हो, उसको वहीं भाग देना, परमेश्वर यहोवा की यही वाणी है।

< Ezekiela 47 >