< Hebreo 8 >

1 Ary amin’ izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ ny Avo Indrindra any an-danitra,
我们所讲论的重点,就是我们有这样的一位大祭司,他已经坐在众天之上至尊者的宝座右边,
2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona.
他在圣所和真正的礼拜堂中供职;这真正的礼拜堂是主建造的,而非人。
3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’ izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.
因为所有大祭司都是为献礼和祭品而设立,所以这位大祭司必须也要有所献奉。
4 Koa raha etỳ ambonin’ ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
如果他在人间,就不会作祭司,因为已经有按照律法献礼物的祭司了。
5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’ izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’ Andriamanitra an’ i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: “Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra”.
这些祭司所供奉的地方,不过是天上的复制品和影像,就像摩西将要造礼拜堂的时候,上帝曾经警告他说:“你要留心,各样物件都要按山上指示你的那样去做。”
6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra.
但是,耶稣被赋予了一个好得多的事奉,既然他是我们与上帝之间更美约定关系的中间人,这约定凭着更美的承诺而立。
7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa.
如果头一个约定很完美,就不必寻求另一个约定。
8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ isiraely sy ny taranak’ i Joda,
但上帝指出他们的错误,说:“注意了,主说,因为那日子要到了,我要与以色列家和犹大家订立新约定。
9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
这新约定不像从前的约定,那时候我曾拉着他们祖先的手,领他们走出埃及。因为他们没有遵守我的约,我就放弃他们。这是主说的。
10 Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
我要与以色列家所立的约是这样:在那之后,主说,我要把我的律法放在他们心里,写在他们的心上。我要作他们的上帝,他们要作我的子民。
11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra;
每个人都不需要教导自己的邻居,也不需要教导自己的家庭成员,不要说:你要认识主。因为所有人,从最渺小到最伟大,都认识我。
12 Fa hamindra fo amin’ ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany".
我将宽恕他们的错误,决不记着他们的罪恶。”
13 Amin’ ny anaovany hoe “vaovao” dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
上帝既然说“一个新的约定关系”,就是把之前的约定废弃;那个约定已变成陈旧,即将消逝。

< Hebreo 8 >