< Isaia 11 >

1 Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin’ ny fototr’ i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin’ ny fakany;
エッサイの株から一つの芽が出、その根から一つの若枝が生えて実を結び、
2 Ary ny fanahin’ i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin’ ny fahalalana sy ny fahatahorana an’ i Jehovah;
その上に主の霊がとどまる。これは知恵と悟りの霊、深慮と才能の霊、主を知る知識と主を恐れる霊である。
3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan’ ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren’ ny sofiny;
彼は主を恐れることを楽しみとし、その目の見るところによって、さばきをなさず、その耳の聞くところによって、定めをなさず、
4 Fa hotsarainy amin’ ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ ny tany; hamely ny tany amin’ ny tsorakazon’ ny vavany Izy, ary ny fofonain’ ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
正義をもって貧しい者をさばき、公平をもって国のうちの柔和な者のために定めをなし、その口のむちをもって国を撃ち、そのくちびるの息をもって悪しき者を殺す。
5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony
正義はその腰の帯となり、忠信はその身の帯となる。
6 Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ ny zanak’ ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ ny zanak’ osy; Ary ny zanak’ omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.
おおかみは小羊と共にやどり、ひょうは子やぎと共に伏し、子牛、若じし、肥えたる家畜は共にいて、小さいわらべに導かれ、
7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby;
雌牛と熊とは食い物を共にし、牛の子と熊の子と共に伏し、ししは牛のようにわらを食い、
8 Ny zaza minono hilalao amin’ ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ ny lavaky ny menarana.
乳のみ子は毒蛇のほらに戯れ、乳離れの子は手をまむしの穴に入れる。
9 Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’ i Jehovah, tahaka ny anaronan’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina.
彼らはわが聖なる山のどこにおいても、そこなうことなく、やぶることがない。水が海をおおっているように、主を知る知識が地に満ちるからである。
10 Ary amin’ izany andro izany ny solofon’ i Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.
その日、エッサイの根が立って、もろもろの民の旗となり、もろもろの国びとはこれに尋ね求め、その置かれる所に栄光がある。
11 Ary amin’ izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ ny moron-dranomasina.
その日、主は再び手を伸べて、その民の残れる者をアッスリヤ、エジプト、パテロス、エチオピヤ、エラム、シナル、ハマテおよび海沿いの国々からあがなわれる。
12 Dia hanangana faneva ho an’ ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin’ ny vazan-tany efatra.
主は国々のために旗をあげて、イスラエルの追いやられた者を集め、ユダの散らされた者を地の四方から集められる。
13 Ary hitsahatra ny fialonan’ i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana’ an i Joda: Efraima tsy hialona an’ i Joda, Ary Joda tsy handrafy an’ i Efraima.
エフライムのねたみはうせ、ユダを悩ます者は断たれ、エフライムはユダをねたまず、ユダはエフライムを悩ますことはない。
14 Fa hipaoka ny tanin’ ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’ i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak’ i Amona hanoa azy.
しかし彼らは西の方ペリシテびとの肩に襲いかかり、相共に東の民をかすめ、その手をエドムおよびモアブに伸べ、アンモンの人々をおのれに従わせる。
15 Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin’ ny ony ka hamely azy amin’ ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.
主はエジプトの海の舌をからし、川の上に手を振って熱い風を吹かせ、その川を打って七つの川となし、くつをぬらさないで渡らせられる。
16 Ary hisy lalana voavoatra halehan’ ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an’ ny Isiraely tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.
その民の残れる者のためにアッスリヤからの大路があり、昔イスラエルがエジプトの国から上ってきた時にあったようになる。

< Isaia 11 >