< Isaia 16 >

1 Atero ny zanak’ ondrin’ ny mpanapaka ny tany, dia miala an’ i Sela ka mamaky ny efitra hatramin’ ny tendrombohitr’ i Ziona zanakavavy.
O Lord, send forth the Lamb, the Ruler of the earth, from the Rock of the desert to the mountain of the daughter of Zion.
2 Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’ i Moaba ao amin’ ny fitàna any Arnona.
And this shall be: like a bird fleeing away, and like fledglings flying from the nest, so will the daughters of Moab be at the passage of Arnon.
3 Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
Form a plan. Call a council. Let your shadow be as if it were night, even at midday. Conceal the fugitives, and do not betray the wanderers.
4 Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren’ i Moaba ianao, mba tsy ho azon’ ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin’ ny tany intsony ny mpanosihosy.
My fugitives will live with you. Become a hiding place, O Moab, from the face of the destroyer. For the dust is at its end; the miserable one has been consumed. He who trampled the earth has failed.
5 Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ ny fahamarinana ao an-dain’ i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
And a throne will be prepared in mercy, and One shall sit upon it in truth, in the tabernacle of David, judging and seeking judgment, and quickly repaying what is just.
6 Efa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
We have heard of the pride of Moab; he is very proud. His pride and his arrogance and his indignation is more than his strength.
7 Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok’ i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.
For this reason, Moab will wail to Moab; each one will wail. Speak of their wounds to those who rejoice upon the brick walls.
8 Fa malazo avokoa ny sahan’ i Hesbona sy ny voalobok’ i Sibma, norantsanan’ ny andrian’ ny firenena ny sakeliny, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina.
For the suburbs of Heshbon are deserted, and the lords of the Gentiles have cut down the vineyard of Sibmah. Its vines have arrived even at Jazer. They have wandered in the desert. Its seedlings have been abandoned. They have crossed over the sea.
9 Koa izany no hitomaniako ny voalobok’ i Sibma, toy ny fitomanian’ i Jazera, handena anao amin’ ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.
I will weep with the tears of Jazer over this, the vineyard of Sibmah. I will inebriate you with my tears, Heshbon and Elealeh! For the sound of those who trample has rushed over your vintage and over your harvest.
10 Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin’ ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin’ ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin’ ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin’ ny fararano.
And so, rejoicing and exultation will be taken away from Carmel, and there will be no jubilation or exultation in the vineyards. He who was accustomed to tread will not tread out the wine in the winepress. I have taken away the sound of those who tread.
11 Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin’ i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin’ i Kira-haresa.
Over this, my heart will resonate like a harp for Moab, and my inner most being for the brick wall.
12 Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin’ ny fitoerana avo. Ary mankao amin’ ny fitoerany masìna mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
And this shall be: when it is seen that Moab has struggled upon his high places, he will enter his holy places to pray, but he will not prevail.
13 Izany no tenin’ i Jehovah nataony fahiny ny amin’ i Moaba.
This is the word that the Lord has spoken to Moab concerning that time.
14 Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ ny telo taona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’ i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.
And now the Lord has spoken, saying: In three years, like the years of a hired hand, the glory of Moab concerning the entire multitude of the people will be taken away, and what is left behind will be small and weak and not so numerous.

< Isaia 16 >