< Jeremia 21 >

1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an’ i Pasora, zanak’ i Malkia, sy Zefania, zanak’ i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
The worde which came vnto Ieremiah from the Lord, when king Zedekiah sent vnto him Pashur, the sonne of Malchiah, and Zephaniah, the sonne of Maaseiah the Priest, saying,
2 Masìna ianao, manontania amin’ i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ ireo aminay.
Inquire, I pray thee, of the Lord for vs, (for Nebuchad-nezzar King of Babel maketh warre against vs) if so be that the Lord will deale with vs according to all his wonderous workes, that he may returne vp from vs.
3 Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin’ i Zedekia hoe:
Then said Ieremiah, Thus shall you say to Zedekiah,
4 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan’ ny manda amin’ ny mpanjakan’ i Babylona sy amin’ ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ ity tanàna ity ireo.
Thus saith the Lord God of Israel, Behold, I will turne backe the weapons of warre that are in your hands, wherewith ye fight against the King of Babel, and against the Caldeans, which besiege you without the walles, and I will assemble them into the middes of this citie.
5 Ary Izaho no hiady aminareo amin’ ny tanana ahinjitra sy amin’ ny sandry mahery ary amin’ ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
And I my selfe will fight against you with an outstretched hand, and with a mighty arme, eue in anger and in wrath, and in great indignation.
6 Ary hamely ny mponina amin’ ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin’ ny aretim-be mandringana izy.
And I will smite the inhabitants of this citie, both man, and beast: they shall die of a great pestilence.
7 Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
And after this, sayeth the Lord, I will deliuer Zedekiah the King of Iudah, and his seruants, and the people, and such as are left in this citie, from the pestilence, from the sworde and from the famine into the hande of Nebuchad-nezzar King of Babel, and into the hande of their enemies, and into the hande of those that seeke their liues, and he shall smite them with the edge of the sworde: he shall not spare them, neither haue pitie nor compassion.
8 Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan’ ny fiainana sy ny lalan’ ny fahafatesana:
And vnto this people thou shalt say, Thus saith the Lord, Beholde, I set before you the way of life, and the way of death.
9 Izay mbola mitoetra eto amin’ ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
He that abideth in this citie, shall dye by the sword and by the famine, and by the pestilence: but he that goeth out, and falleth to the Caldeans, that besiege you, he shall liue, and his life shalbe vnto him for a pray.
10 Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity ka hodoroany amin’ ny afo.
For I haue set my face against this citie, for euill and not for good, saith the Lord: it shalbe giuen into the hande of the King of Babel, and he shall burne it with fire.
11 Ary henoy ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny taranaky ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny.
And say vnto the house of the King of Iudah, Heare ye the worde of the Lord.
12 Ry taranak’ i Davida, izao no lazain’ i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian’ ny ataonareo.
O house of Dauid, thus saith the Lord, Execute iudgement in the morning, and deliuer the oppressed out of the hande of the oppressor, lest my wrath go out like fire and burne, that none can quench it, because of the wickednes of your workes.
13 Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ ny vatolampy amin’ ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin’ ny fonenanay?
Beholde, I come against thee, O inhabitant of the valley, and rocke of the plaine, saith the Lord, which say, Who shall come downe against vs? or who shall enter into our habitations?
14 Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin’ ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
But I will visite you according to the fruite of your workes, saith the Lord, and I will kindle a fire in the forest thereof, and it shall deuoure rounde about it.

< Jeremia 21 >