< Jeremia 29 >

1 Ary izao no fitenin’ ny taratasy izay nampitondrain’ i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin’ ny sisa amin’ ny loholona voababo sy ho amin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin’ i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona
Eyi ne krataa mu nsɛm a odiyifo Yeremia kyerɛw fii Yerusalem kɔmaa nnommum no mu mpanyimfo nkae, asɔfo, adiyifo ne nnipa a wɔaka nyinaa a Nebukadnessar afa wɔn afi Yerusalem akɔ Babilonia no.
2 (rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy),
(Eyi yɛ bere a ɔhene Yehoiakyin ne ɔhemmea no, asennii adwumayɛfo, Yuda ne Yerusalem ntuanofo, adwumfo ahorow nyinaa afi Yerusalem akɔ nnommum mu no akyi.)
3 dia ilay teny nampitondrainy an’ i Elasa, zanak’ i Safana, sy Gemaria, zanak’ i Hilkia, izay nirahin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho any Babylona, ho any amin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanao hoe:
Ɔde krataa no hyɛɛ Safan babarima Elasa ne Hilkia babarima Gemaria nsa, wɔn na Yudahene Sedekia somaa wɔn kɔɔ Ɔhene Nebukadnessar nkyɛn wɔ Babilonia no. Krataa no mu nsɛm ni:
4 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin’ ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona:
Nea Asafo Awurade, Israel Nyankopɔn, ka kyerɛ wɔn a mema wɔfaa wɔn nnommum fi Yerusalem kɔɔ Babilonia no nyinaa ni:
5 Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.
“Munsisi afi, na momfa mmɔ atenase; monyɛ nturo na munni mu aba.
6 Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy.
Monwareware, na monwowo mmabarima ne mmabea. Monhwehwɛ yerenom mma mo mmabarima na momfa mo mmabea nso mma aware, na wɔn nso nwowo mmabarima ne mmabea. Monnɔ wɔ hɔ na mo so antew.
7 Ary katsaho izay hiadanan’ ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin’ i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo.
Afei, monhwehwɛ kuropɔn a mema wotuu mo kɔtenaa so no asomdwoe ne yiyedi. Mommɔ Awurade mpae mma no, efisɛ ne yiyedi mu na mo nso mubedi yiye.”
8 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin’ ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.
Yiw, sɛɛ na Asafo Awurade, Israel Nyankopɔn se: “Mommma adiyifo ne nkɔmhyɛfo a wɔwɔ mo mu no nnaadaa mo. Munntie wɔn adae a mohyɛ wɔn nkuran ma wɔsoso no.
9 Fa lainga no vinaniny aminareo amin’ ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah.
Wɔhyɛ atoro nkɔm wɔ me din mu. Mensomaa wɔn,” Awurade na ose.
10 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’ i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ ity tany ity ianareo.
Nea Awurade se ni: “Sɛ mosom Babilonia mfe aduɔson a, mɛba abɛhwɛ mo na mɛma mʼadom mu bɔhyɛ sɛ mede mo bɛba ha bio no aba mu.
11 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ ny farany.
Minim nhyehyɛe a mewɔ ma mo,” Awurade na ose, “Nhyehyɛe a ɛde mo besi yiye na ɛrenhaw mo, nhyehyɛe a ɛbɛma mo anidaso ne awiei pa.
12 Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
Afei mobɛfrɛ me na moaba abɛbɔ me mpae, na metie mo.
13 Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ ny fonareo rehetra.
Mobɛhwehwɛ me na mubehu me, sɛ mode mo koma nyinaa hwehwɛ me a.
14 Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ ny firenena rehetra sy avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin’ ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
Mubehu me,” Awurade na ose, “na meyi mo afi nkoasom mu de mo asan aba. Mɛboaboa mo ano afi amanaman ne mu ne faako a mepam mo kɔɔ no nyinaa,” Awurade na ose, “na mede mo bɛsan aba faako a mituu mo fi kɔɔ nnommum mu no bio.”
15 Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
Mobɛka se, “Awurade ama yɛn adiyifo wɔ Babilonia,”
16 Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny amin’ ny vahoaka rehetra izay monina amin’ ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.
nanso, sɛɛ na Awurade ka fa ɔhene a ɔte Dawid ahengua so ne nnipa a wɔaka wɔ kuropɔn no mu nyinaa, mo manfo a wɔne mo ankɔ nnommum mu no.
17 izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
Yiw, nea Asafo Awurade se ni: “Mɛma afoa, ɔkɔm ne ɔyaredɔm aba wɔn so, na wɔayɛ sɛ borɔdɔma a asɛe enti wontumi nni.
18 Ary henjehiko amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an’ ny firenena izay nandroahako, azy
Mede afoa, ɔkɔm ne ɔyaredɔm betiw wɔn, na mɛyɛ wɔn atantanne ama ahenni a ɛwɔ asase no so nyinaa, ne nnome ne ahodwiriwde, fɛwdi ne animtiaabude wɔ amanaman a mepam wɔn kɔɔ so no mu.
19 noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.
Efisɛ, wɔantie me nsɛm,” sɛɛ na Awurade se, “nsɛm a mede somaa mʼasomfo adiyifo mpɛn bebree baa mo nkyɛn. Na mo nnommum nso antie,” Awurade na ose.
20 Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babylona.
Afei muntie Awurade asɛm, mo nnommum a mama mo afi Yerusalem akɔ Babilonia no nyinaa.
21 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ i Ahaba, zanak’ i Kolaia, sy ny amin’ i Zedekia, zanak’ i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin’ ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo.
Sɛɛ na Asafo Awurade, Israel Nyankopɔn ka fa Kolaia babarima Ahab ne Maaseia babarima Sedekia a wɔde me din rehyɛ mo atoro nkɔm no ho ni: “Mede wɔn bɛhyɛ Babiloniahene Nebukadnessar nsa, na wakum wɔn wɔ mo anim.
22 Ary izy roa lahy dia hataon’ ny babo rehetra amin’ ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran’ ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny afo, anie ianao,
Esiane wɔn nti, Yuda nnommum a wɔwɔ Babilonia nyinaa de saa nnome yi bɛdome sɛ: ‘Awurade nyɛ wo sɛ, Sedekia ne Ahab a Babiloniahene hyew wɔn wɔ ogya mu no.’
23 noho ny nanaovany izay fady indrindra tao amin’ ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin’ ny vadin’ ny namany ary ny nitenenany lainga tamin’ ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.
Na wɔayɛ akyiwade a ɛboro so wɔ Israel: wɔne wɔn yɔnkonom yerenom adeda de asɛe aware, na wɔde me din adi atoro a menka nkyerɛɛ wɔn sɛ wɔnyɛ. Minim na midi ho adanse,” Awurade na ose.
24 Ary Semaia Nehelamita dia hilazanao hoe:
Ka kyerɛ Nehelamni Semaia se,
25 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin’ ny anaranao ho amin’ ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin’ i Zefania mpisorona, zanak’ i Mahaseia, ary amin’ ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe:
“Nea Asafo Awurade, Israel Nyankopɔn se ni: Wokyerɛw krataa wɔ wo din mu kɔmaa nnipa a wɔwɔ Yerusalem nyinaa, ɔsɔfo Maaseia babarima Sefania, ne asɔfo a aka no nyinaa. Woka kyerɛɛ Sefania se,
26 Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon’ i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon’ i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony;
‘Awurade ahyɛ wo sɔfo asi Yehoiada anan mu se hwɛ Awurade fi no so; Ɛsɛ sɛ wode nkɔnsɔnkɔnsɔn ne dade konnua gu obiara a wabɔ dam na ɔyɛ ne ho sɛ odiyifo no.
27 koa nahoana ianao no tsy nananatra mafy an’ i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo?
Afei adɛn nti na wonka Yeremia a ofi Anatot a ɔyɛ ne ho sɛ odiyifo wɔ mo mu no anim?
28 Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy.
Ɔde saa nkra yi abrɛ yɛn wɔ Babilonia: Ɛbɛkyɛ. Ɛno nti munsisi afi mfa nyɛ atenae; monyɛ nturo na munni mu aba.’”
29 Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan’ i Jeremia mpaminany.
Ɔsɔfo Sefania kenkan krataa no kyerɛɛ odiyifo Yeremia.
30 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
Na Awurade asɛm baa Yeremia nkyɛn se,
31 Maniraha ho any amin’ ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian’ i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin’ ny lainga
“Fa saa nkra yi kɔma nnommum no nyinaa se, ‘Eyi ne nea Awurade ka fa Nehelamni Semaia ho: Esiane sɛ wahyɛ mo nkɔm a mpo mansoma no, na wama moagye atoro adi nti,
32 dia izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hamaly an’ i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin’ ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin’ ny hahitana ny soa izay hataoko amin’ ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notoriny.
nea Awurade se ni: Nokware, mɛtwe Nehelamni Semaia ne nʼasefo aso. Ɔrennya obiara a ɔbɛka wɔ saa nkurɔfo yi mu, na ɔrenhu nneɛma pa a mɛyɛ ama me nkurɔfo, efisɛ waka atuatew nsɛm atia me,’” Awurade na ose.

< Jeremia 29 >