< Jeremia 36 >

1 Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah izao teny izao hoe:
I KA makahiki eha o Iehoiakima, ke keiki a Iosia, ke alii o ka Iuda, hiki mai keia olelo io Ieremia la, mai Iehova mai, i mai la,
2 Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin’ izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ ny andro nilazako taminao dia hatramin’ ny andron’ i Josia ka mandraka androany.
E lawe oe i owili palapala nau, a e kakau iloko i na olelo a pau a'u i olelo aku ai ia oe no ka Iseraela, a no ka Iuda, a no na lahuikanaka a pau, mai na la mai a'u i olelo aku ai ia oe, mai na la mai o Iosia, a hiki mai i keia la.
3 Angamba hoheverin’ ny taranak’ i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.
E lohe auanei paha ko ka hale o ka Iuda i ka hewa a pau a'u e manao nei e hana aku ai ia lakou; a nolaila e huli kela kanaka keia kanaka mai kona aoao hewa mai, i kala aku ai au i ko lakou hala, a me ko lakou hewa.
4 Ary Jeremia niantso an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ary dia nosoratan’ i Baroka tamin’ ny horonan-taratasy ny tenin’ i Jehovah rehetra avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
Alaila, hea ae la o Ieremia ia Baruka, i ke keiki a Neria, a kakau iho la o Baruka, mai ka waha mai o Ieremia, i na olelo a pau a Iehova ana i olelo ai ia ia.
5 Ary Jeremia nandidy an’ i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon’ i Jehovah;
A kauoha ae la o Ieremia ia Baruka, i ae la, Ua paa wau, aole hiki ia'u ke hele iloko o ka hale o Iehova;
6 fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan’ ny vahoaka ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro fifadiankanina ny tenin’ i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin’ ny vavako, ary vakio eo anatrehan’ ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ ny tanànany koa.
Nolaila, o hele oe e heluhelu i ka owili au i kakau ai mamuli o ko'u waha, i na olelo hoi a Iehova ma na pepeiao o na kanaka maloko o ka hale o Iehova, i ka la e hookeai ai. A e heluhelu no hoi oe ia ma na pepeiao o ka Iuda a pau i hele mai, mailoko mai o ko lakou mau kulanakauhale.
7 Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ity firenena ity.
Ina paha e nonoi lakou ia Iehova, a huli kela mea keia mea, mai koua aoao hewa mai. No ka mea, ua nui ka huhu a me ka inaina a Iehova i hai aku ai ia lakou.
8 Ary Baroka, zanak’ i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taratasy teo an-tranon’ i Jehovah.
A hana iho la o Baruka ke keiki a Neria, e like me na mea a pau a Ieremia, ke kaula i kauoha mai ai ia ia, e heluhelu ana ma ka palapala, i na olelo a pau a Iehova maloko o ka hale o Iehova.
9 Fa tamin’ ny volana fahasivy tamin’ ny taona fahadimy manjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan’ i Jehovah izy tamin’ ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ ny tanànan’ ny Joda.
A i ka makahiki elima o Iehoiakima, ke keiki a Iosia, ke alii o ka Iuda, i ka iwa o ka malama, kala ae la lakou i ka hookeai o na kanaka a pau ma Ierusalema imua o Iehova, a o na kanaka a pau i hele mai i Ierusalema, mai na kalanakauhale o ka Iuda mai.
10 Dia novakin’ i Baroka teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah ny tenin’ i Jeremia tamin’ ny taratasy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ i Gemaria, zanak’ i Safana mpanoratra, teo amin’ ny kianja ambony, teo anoloan’ ny vavahady vaovao amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Alaila, heluhelu aku la o Baruka maloko o ka buke, i na olelo a pau a Ieremia, iloko o ka hale o Iehova, maloko o ke keena o Gemaria ke keiki a Sapana, ke kakauolelo, ma ke kahua maluna, ma ke komo ana o ka pukapa hou o ka hale o Iehova, ma na pepeiao o na kanaka a pau.
11 Ary nony ren’ i Mikaia, zanak’ i Gemaria, zanak’ i Safana, ny tenin’ i Jehovah rehetra tamin’ ny boky,
A lohe o Mikaia, ke keiki a Gemaria ke keiki a Sapana, i na olelo a pau a Iehova maloko mai o ka buke;
12 dia nidina nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izy ka nankao amin’ ny efi-tranon’ ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak’ i Semaia, sy Elnatana zanak’ i Akbora, sy Gemaria, zanak’ i Safana, sy Zedekia, zanak’ i Hanania, mbamin’ ny mpanapaka rehetra.
Alaila, iho iho la ia ilalo i ka hale o ke alii, i ke keena o ke kakauolelo. Aia hoi, e noho ana na'lii a pau malaila, o Elisama ke kakauolelo, o Delaia ke keiki a Semaia, o Elenatana ke keiki a Akebora, o Gemaria ke keiki a Sapana, a me Zedekia ke keiki o Hanenia, a me na'lii a pau.
13 Dia nambaran’ i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin’ ny namakian’ i Baroka ny taratasy teo anatrehan’ ny vahoaka.
Alaila, hai ae la o Mikaia ia lakou i na olelo a pau ana i lohe ai, ia Baruka i heluhelu ai i ka buke ma na pepeiao o na kanaka.
14 Dia nirahin’ ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak’ i Netania, zanak’ i Selemia, zanak’ i Kosy, ho any amin’ i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin’ i Baroka, zanak’ i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
Hoouna aku la na'lii a pau ia Iehudi, ke keiki a Netania, ke keiki a Selemia, ke keiki a Kusi, io Baruka la, i aku la, E lawe oe ma kou lima i ka owili, ka mea au i heluhelu ai ma na pepeiao o na kanaka, a e hele mai. Alaila, lawe iho la o Baruka, ke keiki a Neria i ka owili ma kona lima, a hele ae la io lakou la.
15 Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin’ i Baroka teo anatrehany.
I mai la lakou ia ia, E noho iho oe, a e heluhelu mai ia mea ma ko makou pepeiao. Heluhelu iho la o Baruka ma ko lakou pepeiao.
16 Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin’ i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin’ ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
A i ko lakou lohe ana i na oleie a pau, makau ae la lakou, o kekahi, a me kekahi, a olelo mai la ia Baruka, Oiaio no e hai aku no makou i ke alii i keia mau olelo a pau.
17 Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin’ ny vavany.
Ninau mai la lakou ia Baruka, i mai la, E hai mai oe, ea, pehea kau kakau ana i keia mau olelo a pau na kona waha?
18 Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin’ ny ranomainty.
Alaila, hai aku la o Baruka ia lakou, Nana no i olelo mai ia'u i keia mau olelo a pau ma kona waha, a na'u no i kakau i ka inika ma ka buke.
19 Dia hoy ny mpanapaka tamin’ i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
Alaila, olelo mai la na'lii ia Baruka, o hele, a pee, o oe, a me Ieremia. Mai hoike i kekahi kanaka i kahi o olua.
20 Dia niditra tao amin’ ny mpanjaka tao amin’ ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin’ ny efi-tranon’ i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan’ ny mpanjaka ny teny rehetra.
A komo aku la lakou iloko i ke alii maloko o ke kahua, ua kau aku la nae lakou i ka owili maloko o ke keena o Eliasama, ke kakauolelo, a hai aku la lakou i na olelo a pau ma na pepeiao o ke alii.
21 Ary nirahin’ ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin’ ny efi-tranon’ i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin’ i Jehody teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
Alaila hoouna ae la ke alii ia Iehudi e lawe mai i ka owili; a lawe ae la oia ia mea mailoko aku o ke keena o Elisama, ke kakauolelo. A heluhelu iho la o Iehudi ia mea ma na pepeiao o ke alii, a ma na pepeiao o na'lii a pau e ku pu ana me ke alii.
22 Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin’ ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
E noho ana no ke alii maloko o ka hale hoilo, i ka malama eiwa; a e a ana ke ahi ma ka ipu ahi imua ona.
23 Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin’ ny mpanjaka tamin’ ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ ny afo azy rehetra teo am-patana.
A heluhelu o Iehudi i ekolu, a i eha paha lalani, alaila, okioki ae la oia ia mea i ka pahipeni, a hoolei aku la iloko o ke ahi ma ka ipu ahi, a pau ka owili i ke ahi maluna o ka ipu ahi.
24 Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
Aole nae lakou i makau, aole i haehae i ko lakou aahu, aole ke alii, aole kekahi o kana mau kauwa i lohe i keia mau olelo a pau.
25 Ary na dia efa nifona tamin’ ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
Aka, ua nonoi aku a Elenatana a me Delaia a me Gemaria i ke alii i ole ia e puhi i ka owili. Aole ia i hoolohe mai i ka lakou.
26 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Jeremeia, zanak’ andriana, sy Seraia, zanak’ i Azriela, ary Selemia, zanak’ i Abdela, hisambotra an’ i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin’ i Jehovah izy roa lahy.
Alaila, kena ae la ke alii ia Ierameela, ke keiki a Hameleka, a me Seraia, ke keiki a Azeriela, a me Selemia, ke keiki a Abedeela, e kii ia Baruka i ke kakauolelo, a me Ieremia ke kaula; huna nae o Iehova ia laua.
27 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, taorian’ ny nandoroan’ ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan’ i Baroka avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, nanao hoe:
Alaila hiki mai ka olelo a Iehova io Ieremia la, mahope iho o ka puhi ana o ke alii i ka owili, a me na olelo o Baruka i kakau ai mai ka waha mai o Ieremia, i mai la,
28 Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin’ ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda.
E lawe oe i owili hou nau, a e kakau iho maloko olaila i na olelo a pau o ka owili mua, ka mea a Iehoiakima ke alii o ka Iuda i puhi ai.
29 Ary ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’ iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’ i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ ny biby eto?
A e olelo aku oe ia Iehoiakima, i ke alii o ka Iuda, Ke olelo mai nei o Iehova, penei; Ua puhi oe i keia owili, me ka ninau iho, No ke aha la oe i palapala maloko, i ka i ana ae, E oiaio no e hele mai ke alii o Babulona a e luku i keia aina, a e hoopau i ke kanaka a me ka holoholona, mai ia wahi aku?
30 Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian’ ny hainandro amin’ ny antoandro ary ny fanala amin’ ny alina.
Nolaila, ke olelo mai nei o Iehova, no Iehoiakima ke alii o ka Iuda penei; Aole e loaa ia ia ka mea nana e noho maluna o ka nohoalii o Davida: a e hoolei wale ia kona kupapau mawaho i ke ao ma ka wela, a i ka po ma ke hau.
31 Ary hampijaliko izy mbamin’ ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin’ ny mponina any Jerosalema ary amin’ ny lehilahy amin’ ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
A nau no e hoopai aku ia ia, a me kana poe mamo, a me kana mau kauwa, no ko lakou hewa; a na'u no e lawe aku maluna o lakou, a maluna o ka poe e noho la ma Ierusalema, a maluna o na kanaka o ka Iuda, i ka hewa a pau a'u i olelo ai no lakou; aole nae lakou i hoolohe mai.
32 Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an’ i Baroka mpanoratra, zanak’ i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin’ ilay horonan-taratasy nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
Alaila, lawe ae la o Ieremia i owili hou, a haawi ae la ia ia Baruka, i ke kakauolelo, ke keiki a Neria; a kakau iho la oia mai ka waha mai o Ieremia, i na olelo a pau o ka buke a Iehoiakima ke alii o ka Iuda i puhi ai iloko o ke ahi; a nui na olelo like i hoopili pu ia me lakou.

< Jeremia 36 >