< Jaona 13 >

1 Ary talohan’ ny andro firavoravoana tamin’ ny Paska, satria fantatr’ i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’ izao tontolo izao ho any amin’ ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’ izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ ny farany.
ᎠᏏᏃ ᎤᏃᏒᎩ ᎧᏃᎯᏰᎩ ᏗᎵᏍᏓᏴᏗᏱ, ᏥᏌ ᎠᎦᏔᎯᏳ ᎨᏒᎩ ᎤᏍᏆᎸᎡᎸ ᎠᏂ ᎡᎶᎯ ᎤᏓᏅᏍᏗᏱ, ᎠᎦᏴᎵᎨᏍᏛᏱ ᏭᎶᎯᏍᏗᏱ, ᏧᎨᏳᎯᏳ ᎢᏳᎵᏍᏔᏅᎯ ᎨᏒᎩ ᏧᏤᎵᎦ ᎡᎶᎯ ᎠᏁᎯ, ᎬᎵᏍᏆᏗᏍᎩ ᏧᎨᏳᎯᏳ ᎨᏒᎩ.
2 Ary raha mbola teo amin’ ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak’ i Simona, efa nomen’ ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
ᎠᏍᎩᎾᏃ ᎿᎭᏉ ᎤᎳᏁᎸᎯ ᎨᏒᎩ ᎤᎾᏫᏱ ᏧᏓᏏ ᎢᏍᎦᎳᏗ ᏌᏩᏂ ᎤᏪᏥ ᎾᏍᎩ ᎤᎶᏄᎮᏗᏱ, ᎤᎾᎵᏍᏓᏴᏃᏅᏃ,
3 sady fantatr’ i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
ᏥᏌ ᎠᎦᏔᎯᏳ ᎨᏒᎩ ᎠᎦᏴᎵᎨᎢ ᏂᎦᎥ ᎪᎱᏍᏗ ᏕᎤᏲᎯᏎᎸᎢ; ᎠᎴ ᎤᏁᎳᏅᎯᏱ ᏅᏓᏳᏓᎴᏅᎯ ᎨᏒᎢ, ᎠᎴ ᎤᏁᎳᏅᎯᏱ ᏭᎶᎯᏍᏗ ᎨᏒᎢ,
4 dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
ᎤᎵᏍᏓᏴᏅᎢ ᏕᎤᎴᏅᎩ ᎠᎴ ᎤᏄᏪᏒᎩ, ᎠᎴ ᎤᏁᏒᎩ ᎠᏄᏬ-ᏗᏑᎴᏗ, ᎤᏓᏠᏍᏔᏅᎩ;
5 ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ ny lamba famaohana izay nisikinany.
ᎿᎭᏉᏃ ᎠᏖᎵᏙ ᎠᎹ ᎤᏟᏍᏔᏅᎩ, ᎠᎴ ᎤᎴᏅᎲᎩ ᏚᏬᏑᎴᎸ ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯ ᏧᎾᎳᏏᏕᏂ, ᎠᎴ ᏚᏅᎦᎸᎡᎸᎩ ᎠᏄᏬ-ᏗᏑᎴᏗ ᎾᏍᎩ ᎤᏓᏠᏍᏛ ᎤᏩᏔᏅᎩ.
6 Dia nankeo amin’ i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
ᎿᎭᏉᏃ ᏌᏩᏂ ᏈᏓ ᎤᏬᎸ ᎤᎷᏨᎩ. ᏈᏓᏃ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᏣᎬᏫᏳᎯ, ᏥᎪ ᏂᎯ ᏙᏓᏍᏉᏑᎴᎵ ᏗᏆᎳᏏᏕᏂ?
7 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
ᏥᏌ ᎤᏁᏨ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᎯᎠ ᏥᏂᎦᏛᏁᎭ ᎥᏝ ᎪᎯ ᎨᏒ ᏱᎦᏔᎭ, ᎣᏂᏍᎩᏂ ᏘᎦᏙᎥᏏ.
8 Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko. (aiōn g165)
ᏈᏓ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᎥᏝ ᎢᎸᎯᏳᎯ ᏱᏙᏓᏍᏉᏑᎴᎵ ᏗᏆᎳᏏᏕᏂ. ᏥᏌ ᎤᏁᏤᎸᎩ; ᎢᏳᏃ ᏂᎬᏲᏑᎴᎥᎾ ᏱᎩ ᎥᏝ ᏣᏤᎵᎦ ᏳᏓᏑᏯ ᎠᏆᏤᎵᎦ ᎨᏒᎢ. (aiōn g165)
9 Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
ᏌᏩᏂ ᏈᏓ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᏣᎬᏫᏳᎯ, ᎥᏝ ᏗᏆᎳᏏᏕᏂᏉ ᏧᏩᏒ, ᎾᏍᏉᏍᎩᏂ ᏗᏉᏰᏂ ᎠᎴ ᏥᏍᎪᎵ.
10 Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
ᏥᏌ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᎩᎶ ᎤᏙᏑᎵᏌᏛ ᏥᎨᏐᎢ ᏧᎳᏏᏕᏂᏉ ᏧᏩᏒ ᏧᏬᏑᎴᏗ ᎨᏐᎢ; ᏂᎬᏃ ᎤᏓᏅᎦᎸᏛ ᎨᏐᎢ. ᎠᎴ ᏂᎯ ᎢᏣᏓᏅᎦᎸᏛ, ᎠᏎᏃ ᎥᏝ ᏂᏥᎥ ᏱᎩ.
11 Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
ᎠᎦᏔᎯᏳᏰᏃ ᎨᏒᎩ ᎾᏍᎩ Ꮎ ᎤᎶᏄᎮᏍᎩ; ᎾᏍᎩ ᎢᏳᏍᏗ, ᎥᏝ ᏂᏥᎥ ᎢᏣᏓᏅᎦᎸᏛ ᏱᎩ, ᎤᏛᏅᎩ.
12 Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
ᎿᎭᏉᏃ ᏚᏬᏑᎴᎣᏁᎸ ᏧᎾᎳᏏᏕᏂ, ᎠᎴ ᎢᎤᏄᏬᎥ; ᎠᎴ ᏔᎵᏁ ᎢᎤᏪᏅ, ᎯᎠ ᏂᏚᏪᏎᎸᎩ; ᎢᏥᎦᏔᎭᏍᎪ ᎯᎠ ᎾᏍᎩ ᏥᏂᏨᏯᏛᏂᏏ?
13 Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
ᏔᏕᏲᎲᏍᎩ, ᎠᎴ ᏣᎬᏫᏳᎯ, ᏍᎩᏲᏎᎰᎢ; ᎠᎴ ᏚᏳᎪᏛ ᏂᏥᏪᏍᎪᎢ, ᎾᏍᎩᏰᏃ ᏄᏍᏗ.
14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
ᎢᏳᏃ ᎠᏴ ᎠᎩᎬᏫᏳᎯ ᎢᏣᏤᎵᎦ ᎠᎴ ᏗᏨᏰᏲᎲᏍᎩ ᏗᏣᎳᏏᏕᏂ ᏱᏗᏨᏲᏑᎴᎭ, ᎾᏍᏉᏍᎩᏂ ᎢᏨᏒ ᎢᏣᎳᏏᏕᏂ ᏱᏗᏣᏓᏙᏑᎴᎭ.
15 Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
ᎢᏣᏕᎶᏆᏍᏗᏰᏃ ᎢᏨᎥᏏ, ᎾᏍᎩᏯ ᏂᏨᏯᏛᏁᎸ ᎢᏣᏛᏁᏗᏱ.
16 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
ᎤᏙᎯᏳᎯᏯ ᎤᏙᎯᏳᎯᏯ ᎯᎠ ᏂᏨᏪᏎᎭ; ᎠᏥᎾᏝᎢ ᎥᏝ ᎤᏟ ᎠᏥᎸᏉᏗᏳ ᏱᎨᏐᎢ, ᎡᏍᎦᏉ ᎤᎾᏝᎢ; ᎠᎴ ᎥᏝ ᎠᏥᏅᏏᏛ ᎤᏟ ᎠᏥᎸᏉᏗᏳ ᏱᎨᏐᎢ, ᎡᏍᎦᏉ ᏅᏓᏳᏅᏏᏛ.
17 Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.
ᎢᏳᏃ ᎾᏍᎩ ᎯᎠ ᏱᏥᎦᏔᎭ, ᎣᏏᏳ ᏱᏣᏓᏅᏔ ᎾᏍᎩ ᏱᏂᏣᏛᏁᎭ.
18 Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy.
ᎥᏝ ᏂᏥᎥ ᏱᏨᏯᏛᎦ; ᎦᏥᎦᏔᎭ ᎦᏥᏯᏑᏰᏛ ᎨᏒᎢ; ᎠᏎᏃ ᎤᏙᎯᏳᏗᏱ ᎪᏪᎸᎢ, “ᎢᏧᎳᎭ ᎣᏍᏓᎵᏍᏓᏴᎲᏍᎩ ᎤᏌᎳᏓᏅ ᎦᏗᎨᏂ ᎠᏆᏡᏗᏍᎬᎢ.”
19 Hatramin’ izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
ᎿᎭᏉ ᎢᏨᏃᏁᎭ, ᎠᏏᏉ ᎾᏍᎩ ᏄᎵᏍᏔᏅᎾ, ᎾᏍᎩ ᎿᎭᏉ ᏂᎦᎵᏍᏔᏅᎭ ᎢᏦᎯᏳᏗᏱ ᎠᏴ ᎾᏍᎩ ᎨᏒᎢ.
20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
ᎤᏙᎯᏳᎯᏯ ᎤᏙᎯᏳᎯᏯ ᎯᎠ ᏂᏨᏪᏎᎭ; ᎩᎶ ᏓᏓᏂᎸᎨᏍᏗ ᏥᏅᏏᏛ, ᎠᏴ ᏓᏆᏓᏂᎸᎨᏍᏗ, ᎩᎶᏃ ᎠᏴ ᏓᏆᏓᏂᎸᎨᏍᏗ, ᏅᏛᎩᏅᏏᏛ ᏓᏓᏂᎸᎨᏍᏗ.
21 Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.
ᏥᏌ ᎾᏍᎩ ᏄᏪᏒ ᎤᏕᏯᏔᏁᎸ ᎤᏓᏅᏛᎢ, ᎠᎴ ᎬᏂᎨᏒ ᏄᏩᏁᎸᎩ, ᎯᎠ ᏄᏪᏒᎩ; ᎤᏙᎯᏳᎯᏯ ᎤᏙᎯᏳᎯᎭ ᎯᎠ ᏂᏨᏪᏎᎭ; ᎯᎠ ᏥᏂᏣᏛᏅ ᎠᏏᏴᏫ ᎤᏓᏑᏯ ᏛᎩᎶᏄᎮᎵ.
22 Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
ᎿᎭᏉᏃ ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯ ᏚᎾᏓᎧᎿᎭᏅᎩ ᎤᎾᏠᎬᎩ ᎾᏍᎩ ᎠᏥᏛᎦ ᎤᏁᎵᏍᏗᏱ.
23 Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan’ i Jesosy, dia ilay tian’ i Jesosy.
ᎠᏏᏴᏫᏃ ᎬᏩᏍᏓᏩᏗᏙᎯ ᎨᏒ ᏥᏌ ᎦᏁᏥᏱ ᎦᏍᏛᎦᎸᎩ, ᎾᏍᎩ ᏥᏌ ᎤᎨᏳᎯ.
24 Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.
ᏌᏩᏂᏃ ᏈᏓ ᎾᏍᎩ ᎤᎵᏍᎫᏫᏎᎸᎩ ᎤᏛᏛᏗᏱ ᎾᏍᎩ ᎨᏒᎢ ᎦᏛᎬᎢ.
25 Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin’ ny tratran’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
ᎿᎭᏉᏃ ᏥᏌ ᎦᏁᏥᎢ ᎤᏍᏛᎦᎵ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᏣᎬᏫᏳᎯ, ᎦᎪ?
26 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota.
ᏥᏌ ᎤᏁᏨᎩ; ᎾᏍᎩ ᎨᏎᏍᏗ ᎠᎬᎭᎸᏛ ᏥᏁᎸᎭ ᎾᏍᎩ ᎠᏊᏅᎯ ᎨᏎᏍᏗ. ᎤᏭᏅᏃ ᎠᎬᎭᎸᏛ ᎤᏁᎸᎩ ᏧᏓᏏ ᎢᏍᎦᎳᏗ ᏌᏩᏂ ᎤᏪᏥ.
27 Ary manaraka izany no nidiran’ i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
ᎠᎬᎭᎸᏛᏃ ᎠᏥᏁᎸ ᏎᏓᏂ ᎤᏴᏎᎸᎩ. ᎿᎭᏉᏃ ᏥᏌ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᎾᏍᎩ ᎢᏣᏛᏁᏗ ᎨᏒ ᏄᎳᏉ ᎿᎭᏛᎦ.
28 Fa tsy nisy tamin’ izay nipetraka nihinana nahalala ny anton’ ny nilazany izany taminy.
ᎥᏝᏃ ᎩᎶ ᎠᏂᏅᏜᏓᎢ ᏳᏬᎵᏤ ᏄᏍᏛ ᎦᏛᎬ ᎾᏍᎩ ᏄᏪᏎᎸᎢ.
29 Fa nataon’ ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’ i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an’ ny malahelo.
ᏧᏓᏏᏰᏃ ᏕᎦᎶᏗ ᎦᏁᎲ ᏅᏓᏳᎵᏍᏙᏔᏅᎩ ᎢᎦᏛ, ᎯᎠ ᏥᏌ ᏂᎦᏪᏏ ᎤᏁᎵᏒᎩ; ᎪᎱᏍᏗ ᏣᏩᎯ ᏗᎵᏍᏓᏴᏗᏱ ᎨᏒ ᎢᏳ ᎪᎱᏍᏗ ᎢᎬᏙᏗ; ᎠᎴ ᎯᎠ ᏱᎩ; ᎪᎱᏍᏗ ᏘᎲᏏ ᎤᏲ ᎢᏳᎾᏛᎿᎭᏕᎩ.
30 Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin’ izay; ary efa alina ny andro.
ᎿᎭᏉᏃ ᎾᏍᎩ, ᎠᎬᎭᎸᏛ ᎤᎩᏒ, ᎩᎳᏉ ᎢᏴᏛ ᎤᏄᎪᏨᎩ, ᎠᎴ ᏒᏃᏱ ᎨᏒᎩ.
31 Ary tamin’ izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’ olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.
ᎾᏍᎩᏃ ᎤᏄᎪᏨ, ᏥᏌ ᎯᎠ ᏄᏪᏒᎩ; ᎿᎭᏉ ᏴᏫ ᎤᏪᏥ ᎠᏥᎸᏉᏓ, ᎾᏍᎩᏃ ᏂᎬᏂᏌ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎠᏥᎸᏉᏓ.
32 Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin’ ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin’ izay Izy.
ᎢᏳᏃ ᎾᏍᎩ ᏱᏄᏩᏂᏌᏅ ᎤᏁᎳᏅᎯ ᏯᏥᎸᏉᏔᏅ, ᎤᏁᎳᏅᎯ ᎤᏩᏒ ᏅᏓᎬᏂᏌᏂ ᎾᏍᎩ ᏓᏳᎸᏉᏔᏂ, ᎠᎴ ᎩᎳᏉ ᎢᏴᏛ ᏓᏳᎸᏉᏔᏂ.
33 Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin’ ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
ᏗᏥᏲᎵ, ᎠᏏ ᏞᎦ ᎢᏨᏰᎳᏗᏙᎭ; ᏍᎩᏲᎮᏍᏗ; ᎠᎴ ᎾᏍᎩᏯ ᎠᏂᏧᏏ ᏥᏂᎦᏥᏪᏎᎸᎩ, “ᏫᏥᎦᏛ ᎥᏝ ᏫᏴᎨᏥᎶᎯ,” ᏥᎦᏥᏲᏎᎸᎩ, ᎾᏍᎩᏯ ᎾᏍᏉ ᎿᎭᏉ ᏂᎯ ᏂᏨᏪᏎᎭ.
34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
ᎢᏤ ᏗᎧᎿᎭᏩᏛᏍᏗ ᎢᏨᎥᏏ, ᏗᏣᏓᎨᏳᎯᏳ ᎢᏳᎵᏍᏙᏗᏱ; ᎾᏍᎩᏯ ᎢᏨᎨᏳᎢᏳ ᏄᎵᏍᏔᏅᎢ, ᎾᏍᎩ ᎾᏍᏉ ᏗᏣᏓᎨᏳᎯᏳ ᎢᏳᎵᏍᏙᏗᏱ.
35 Izany no hahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
ᎾᏍᎩ ᎾᏂᎥ ᎤᎾᏙᎴᎰᎯᏍᏙᏗ ᎨᏎᏍᏗ ᏍᎩᏍᏓᏩᏗᏙᎯ ᎨᏒᎢ, ᎢᏳᏃ ᏗᏣᏓᎨᏳᎯᏳ ᏱᎩ.
36 Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
ᏌᏩᏂ ᏈᏓ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ, ᏣᎬᏫᏳᎯ, ᎭᏢ ᎭᎢ? ᏥᏌ ᎤᏁᏤᎸᎩ; ᏫᏥᎦᏛ ᎥᏝ ᎿᎭᏉ ᏴᎨᏍᎩᏍᏓᏩᏚᎦ; ᎣᏂᏍᎩᏂ ᏓᏍᎩᏍᏓᏩᏕᏏ.
37 Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.
ᏈᏓ ᎯᎠ ᏄᏪᏎᎸᎩ; ᏣᎬᏫᏳᎯ, ᎦᏙᏃ ᎥᏝ ᏰᎵ ᎿᎭᏉ ᎦᎬᏍᏓᏩᏛᏍᏗ ᏱᎩ? ᏂᎯ ᏅᏓᎦᎵᏍᏙᏔᏂ ᎡᎳᏗ ᏓᏥᏂ ᎬᏅᎢ.
38 Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.
ᏥᏌ ᎤᏁᏤᎸᎩ; ᏥᏌ ᎠᏴ ᏅᏓᎦᎵᏍᏙᏔᏂ ᎡᎳᏗ ᏘᏂ ᎲᏅᎢ? ᎤᏙᎯᏳᎯᏯ, ᎤᏙᎯᏳᎯᏯ ᎯᎠ ᏂᎬᏪᏎᎭ; ᏣᏔᎦᏨᏯᎢ ᎥᏝ ᏴᏛᏴᎳᏏ ᎬᏂ ᏦᎢ ᎢᏍᏆᏓᏱᎸᎯ ᎨᏎᏍᏗ.

< Jaona 13 >