< Josoa 2 >

1 Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
یوشع، دو جاسوس از شطیم به آن طرف رود اردن فرستاد تا وضعیت آن سرزمین و بخصوص شهر اریحا را بررسی کنند. وقتی آنها به آن شهر رسیدند، به خانهٔ زنی روسپی به نام راحاب رفتند تا شب را در آنجا بگذرانند.
2 Ary nisy nilaza tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.
همان شب به پادشاه اریحا خبر رسید که چند جاسوس اسرائیلی وارد شهر شده‌اند.
3 Dia naniraka tao amin’ i Rahaba ny mpanjakan’ i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
پادشاه افرادی را با این پیغام نزد راحاب فرستاد: «مردانی را که به خانهٔ تو آمده‌اند به ما تحویل بده، زیرا آنها جاسوس هستند.»
4 Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
اما راحاب که آن دو مرد را پنهان کرده بود، گفت: «آنها پیش من آمدند، ولی نفهمیدم چه کسانی بودند.
5 ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
هنگامی که هوا تاریک شد، پیش از بسته شدن دروازه‌ها از شهر خارج شدند و من نمی‌دانم کجا رفتند. اگر به دنبال آنها بشتابید می‌توانید به ایشان برسید.»
6 Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ ny tampon-trano.
(ولی راحاب آن دو مرد را به پشت بام برده، ایشان را زیر توده‌ای از ساقه‌های کتان که در آنجا گذاشته بود، مخفی کرده بود.)
7 Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ ny lalana mankany Jordana hatrany amin’ ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
پس مأمورانِ پادشاهِ اریحا در جستجوی آن دو نفر تا کرانهٔ رود اردن پیش رفتند و همین که آنها از شهر خارج شدند، دروازه‌های شهر را از پشت سر ایشان بستند.
8 Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
شب، پیش از آنکه آن دو مرد بخوابند، راحاب نزد ایشان به پشت بام رفت
9 ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.
و به آنها گفت: «من شک ندارم که خداوند، سرزمین ما را به شما خواهد داد. ترس شما بر ما مستولی شده و هر کس نام اسرائیل را می‌شنود از ترس می‌لرزد.
10 Fa efa renay ny nanamainan’ i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
زیرا شنیده‌ایم که چگونه هنگام خروج از مصر، خداوند از میان دریای سرخ راه خشکی برای شما پدید آورد تا از آن بگذرید! خبر داریم که به سیحون و عوج، پادشاهان اموری‌ها که در شرق اردن بودند، چه کردید و چگونه آنها و مردمانشان را نابود ساختید.
11 Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany.
وقتی این خبرها را شنیدیم، ترس وجود ما را فرا گرفت و جرأت خود را از دست دادیم؛ زیرا یهوه خدای شما، خدای آسمان و زمین است و مانند او خدایی نیست.
12 Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin’ i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ ny ankohonan’ ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
حال از شما می‌خواهم که به نام خداوند برای من قسم بخورید و نشانه‌ای به من بدهید
13 fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
که وقتی شهر اریحا را تصرف نمودید، در ازای کمکی که به شما کردم، مرا همراه پدر و مادر و خواهران و برادرانم و خانواده‌های آنها حفظ کنید تا کشته نشویم.»
14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’ i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
آن دو مرد جواب دادند: «اگر در مورد ما با کسی سخن نگویی، به جان خود قسم می‌خوریم که وقتی خداوند این سرزمین را به ما داد، ترتیبی بدهیم که به تو و بستگانت آسیبی نرسد.»
15 Dia nampidina azy tamin’ ny mahazaka avy teo amin’ ny varavarankely izy; fa teo amin’ ny màndan’ ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ ny manda no nitoerany.
خانهٔ راحاب بر دیوار شهر قرار داشت، پس او آن دو مرد را با طناب از پنجرهٔ اتاقش پایین فرستاد.
16 Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin’ izay halehanareo.
سپس به ایشان گفت: «به کوه فرار کنید و سه روز در آنجا پنهان شوید تا مأمورانی که به جستجوی شما رفته‌اند بازگردند. آنگاه می‌توانید به راه خود ادامه دهید.»
17 Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin’ izany fianianana nampianianinao anay izany:
آن دو نفر پیش از رفتن به او گفتند: «وقتی ما به این شهر حمله کردیم، تو پدر و مادر و برادران و خواهران و خانواده‌های آنها را در خانهٔ خود جمع کن و این طناب قرمز را به همین پنجره ببند. اگر این کار را نکنی و آسیبی به شما برسد، ما در برابر قسمی که خورده‌ایم مسئول نخواهیم بود.
18 Indro, rehefa tonga eto amin’ ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ ny ankohonan’ ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
19 ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
اگر کسی از خانه بیرون برود، خونش به گردن خودش است و ما مسئول مرگش نخواهیم بود. ما قسم می‌خوریم کسانی که در این خانه بمانند کشته نشوند و به ایشان کوچکترین آسیبی نرسد.
20 fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin’ ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.
اما اگر تو دربارهٔ ما با کسی سخن بگویی، این قسم باطل می‌شود.»
21 Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin’ ny varavarankely ilay kofehy jaky.
راحاب گفت: «آنچه را که گفتید می‌پذیرم.» سپس ایشان را روانه کرد و طناب قرمز را به پنجره بست.
22 Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin’ ny mpanenjika; ary nitady azy tamin’ ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.
آن دو به کوه رفتند و سه روز در آنجا ماندند. تعقیب‌کنندگان همهٔ راهها را جستجو کردند و چون ایشان را نیافتند، ناچار به شهر بازگشتند.
23 Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,
آنگاه آن دو نفر از کوه به زیر آمده، از رود اردن عبور نمودند و نزد یوشع بازگشتند و آنچه برایشان اتفاق افتاده بود به او گزارش دادند.
24 ka hoy izy tamin’ i Josoa: Efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra antsika.
آنها به یوشع گفتند: «خاطرجمع هستیم که خداوند تمام آن سرزمین را به ما بخشیده است، زیرا مردم آنجا از ترس ما روحیهٔ خود را باخته‌اند!»

< Josoa 2 >