< Levitikosy 12 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And Jehovah spake unto Moses, saying,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan’ anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ ny fadim-bolany no hahalotoany.
Speak unto the children of Israel, saying, If a woman conceive seed, and bear a man-child, then she shall be unclean seven days; as in the days of the impurity of her sickness shall she be unclean.
3 Ary amin’ ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
And in the eighth day the flesh of his foreskin shall be circumcised.
4 Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin’ ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masìna izy, na hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
And she shall continue in the blood of [her] purifying three and thirty days; she shall touch no hallowed thing, nor come into the sanctuary, until the days of her purifying be fulfilled.
5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin’ ny ràny izay mahadio azy.
But if she bear a maid-child, then she shall be unclean two weeks, as in her impurity; and she shall continue in the blood of [her] purifying threescore and six days.
6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin’ ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak’ ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ho eo amin’ ny mpisorona ireo.
And when the days of her purifying are fulfilled, for a son, or for a daughter, she shall bring a lamb a year old for a burnt-offering, and a young pigeon, or a turtle-dove, for a sin-offering, unto the door of the tent of meeting, unto the priest:
7 Ary izy hanatitra izany eo anatrehan’ i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin’ ny fandehanan’ ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin’ ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
and he shall offer it before Jehovah, and make atonement for her; and she shall be cleansed from the fountain of her blood. This is the law for her that beareth, whether a male or a female.
8 Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.
And if her means suffice not for a lamb, then she shall take two turtle-doves, or two young pigeons; the one for a burnt-offering, and the other for a sin-offering: and the priest shall make atonement for her, and she shall be clean.

< Levitikosy 12 >