< Levitikosy 7 >

1 Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-panonerana: masìna dia masìna izany.
«قوانین قربانی جبران که قربانی بسیار مقدّسی است، از این قرار می‌باشد:
2 Eo amin’ izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
حیوان قربانی باید در مکانی که قربانی سوختنی را سر می‌برند، ذبح شود و خونش بر چهار طرف مذبح پاشیده شود.
3 Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
کاهن تمام چربی آن را تقدیم کند، یعنی دنبه و چربی داخل شکم،
4 ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany.
دو قلوه و چربی روی آنها در قسمت تهیگاه، و نیز سفیدی روی جگر. اینها باید همراه قلوه‌ها جدا شوند.
5 Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara ireo ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; dia fanati-panonerana izany.
سپس، کاهن آنها را به عنوان قربانی جبران بر آتش مذبح برای خداوند بسوزاند.
6 Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy: masìna dia masìna izany.
پسران کاهنان می‌توانند از این گوشت بخورند. این گوشت باید در جای مقدّسی خورده شود. این قربانی، بسیار مقدّس است.
7 Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’ izy roa: ho an’ ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany.
«قانونی که باید در مورد قربانی گناه و قربانی جبران رعایت شود این است: گوشت قربانی به کاهنی تعلق خواهد داشت که مراسم کفاره را اجرا می‌کند.
8 Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin’ ny olona dia hahazo ny hoditr’ izany fanatitra dorana nateriny izany.
(در ضمن پوست قربانی سوختنی نیز به آن کاهن تعلق دارد.)
9 Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in’ ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin’ ny vilany fandrahoana, na amin’ ny lapoely, dia ho an’ ilay mpisorona manatitra azy.
هر هدیهٔ آردی که در تنور یا در تابه یا روی ساج پخته می‌شود به کاهنی تعلق خواهد گرفت که آن را به خداوند تقدیم می‌کند.
10 Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an’ ny zanak’ i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy.
تمام هدایای آردی دیگر، خواه مخلوط با روغن زیتون و خواه خشک، به طور مساوی به پسران هارون تعلق دارد.
11 Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanati-pihavanana izay haterina ho an’ i Jehovah:
«قوانین قربانی سلامتی که به خداوند تقدیم می‌شود از این قرار است:
12 Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo.
اگر قربانی به منظور شکرگزاری باشد، همراه آن باید این نانهای بدون خمیرمایه نیز تقدیم شوند قرصهای نان که با روغن زیتون مخلوط شده باشند، نانهای نازک که روغن مالی شده باشند، نانهایی که از مخلوط آرد مرغوب و روغن زیتون تهیه شده باشند.
13 Ary miaraka amin’ ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana.
همچنین همراه قربانی باید قرصهای نان خمیرمایه‌دار نیز تقدیم شوند.
14 Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah; ho an’ ilay mpisorona manopy ny ran’ ny fanati-pihavanana izany.
از هر نوع نان باید یک قسمت به عنوان هدیهٔ مخصوص به خداوند تقدیم شود تا به کاهنی تعلق گیرد که خون حیوان قربانی را روی مذبح می‌پاشد.
15 Ary ny henan’ ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina.
گوشت حیوان قربانی سلامتی باید در روزی که به عنوان هدیۀ شکرگزاری تقدیم می‌گردد، خورده شود و چیزی از آن برای روز بعد باقی نماند.
16 Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin’ ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson’ iny no hihinanana izay ambiny.
«اگر قربانی، داوطلبانه یا نذری باشد، گوشت قربانی در روزی که آن را تقدیم می‌کنند، باید خورده شود. اگر از گوشت قربانی چیزی باقی بماند می‌توان آن را روز بعد نیز خورد.
17 Fa ny sisa amin’ ny henan’ ny fanatitra dia hodorana amin’ ny afo amin’ ny andro fahatelo.
ولی هر چه تا روز سوم باقی بماند، باید کاملاً سوزانده شود.
18 Ary raha tahìny hihinanana amin’ ny andro fahatelo ny henan’ ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an’ izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin’ izany dia ho meloka.
اگر در روز سوم چیزی از گوشت قربانی خورده شود، خداوند آن قربانی را قبول نخواهد کرد و به حساب نخواهد آورد زیرا آن گوشت نجس شده است. کسی هم که آن را بخورد مجرم می‌باشد.
19 Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin’ ny afo; ary ny amin’ ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy;
«گوشتی را که به چیزی نجس خورده است نباید خورد، بلکه باید آن را سوزاند. گوشت قربانی را فقط کسانی می‌توانند بخورند که طاهر هستند.
20 fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin’ ny fanati-pihavanana, izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
هر که طاهر نباشد و گوشت قربانی سلامتی را که از آنِ خداوند است، بخورد باید از میان قوم منقطع شود.
21 Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’ olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ ny henan’ ny fanati-pihavanana izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
اگر کسی به چیزی نجس دست بزند، خواه نجاست انسان باشد، خواه حیوان نجس و یا هر چیز نجس دیگر، و بعد از گوشت قربانی سلامتی که از آنِ خداوند است، بخورد، باید از میان قوم خدا منقطع شود.»
22 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
خداوند به موسی فرمود:
23 Mitenana amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an’ ny omby, na ny an’ ny ondry, nany an’ ny osy.
«این دستورها را به بنی‌اسرائیل بده. هرگز چربی گاو و گوسفند و بز را نخورید.
24 Ary ny saboran’ ny biby izay maty ho azy sy ny saboran’ izay noviraviraim-biby dila azo atao amin’ ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo.
چربی حیوانی که مرده یا توسط جانوری دریده شده باشد هرگز خورده نشود بلکه از آن برای کارهای دیگر استفاده شود.
25 Fa izay rehetra mihinana saboran’ ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
هر کس چربی حیوانی را که بر آتش به خداوند تقدیم می‌شود بخورد باید از میان قوم منقطع شود.
26 Ary aza mihinana rà eny amin’ izay rehetra itoeranareo, na ny an’ ny vorona, na ny an’ ny biby fiompy.
هر جا که ساکن باشید، هرگز خون نخورید، نه خون پرنده و نه خون چارپا.
27 Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
هر کس، در هر جا، خون بخورد، باید از میان قوم خدا منقطع شود.»
28 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
سپس خداوند به موسی فرمود:
29 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an’ i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an’ i Jehovah avy amin’ ny fanati-pihavanany.
«این دستورها را به بنی‌اسرائیل بده: هر کس بخواهد قربانی سلامتی به خداوند تقدیم کند باید قسمتی از آن قربانی را به عنوان هدیه نزد خداوند بیاورد.
30 Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ny saborany mbamin’ ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
او باید به دست خود آن را همچون هدیۀ مخصوص به خداوند تقدیم کند. چربی حیوان را با سینه تقدیم کند و سینهٔ قربانی را به عنوان هدیهٔ مخصوص، در حضور خداوند تکان دهد.
31 Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an’ i Arona sy ireo zanany.
کاهن چربی را بر مذبح بسوزاند، ولی سینهٔ قربانی متعلق به هارون و پسرانش باشد.
32 Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin’ ny fanati-pihavananareo.
ران راست قربانی، به عنوان هدیهٔ مخصوص، به کاهنی داده شود که خون و چربی قربانی را تقدیم می‌کند؛
33 Ny anankiray amin’ ny zanak’ i Arona izay manatitra ny ran’ ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany.
34 Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an’ i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin’ ny Zanak’ Isiraely.
زیرا خداوند سینه و ران قربانی سلامتی را از قوم اسرائیل گرفته و آنها را به عنوان هدیهٔ مخصوص به کاهنان داده است و همیشه به ایشان تعلق خواهند داشت.
35 Izany no anjaran’ i Arona sy ny zanany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, amin’ ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’ i Jehovah,
(این قسمت از هدایایی که بر آتش به خداوند تقدیم می‌شود در روز انتصاب هارون و پسرانش به خدمت خداوند، به ایشان داده شد.
36 dia izay nandidian’ i Jehovah homena azy avy amin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby.
در روزی که ایشان مسح شدند، خداوند دستور داد که قوم اسرائیل این قسمت را به ایشان بدهند. این، قانونی برای تمام نسلهای ایشان می‌باشد.)»
37 Izany no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
اینها قوانینی بود در مورد قربانی سوختنی، هدیهٔ آردی، قربانی گناه، قربانی جبران، قربانی انتصاب و قربانی سلامتی
38 izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy tao amin’ ny tendrombohitra Sinay, tamin’ ny andro izay nandidiany ny Zanak’ Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah, tany an-efitr’ i Sinay.
که خداوند در بیابان، در کوه سینا به موسی داد تا قوم اسرائیل بدانند چگونه قربانیهای خود را به خداوند تقدیم کنند.

< Levitikosy 7 >