< Marka 4 >

1 Ary nampianatra teo amoron’ ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin’ ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
वो फिर झील के किनारे ता'लीम देने लगा; और उसके पास ऐसी बड़ी भीड़ जमा हो गई, वो झील में एक नाव में जा बैठा और सारी भीड़ ख़ुश्की पर झील के किनारे रही।
2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ ny fampianarany azy hoe:
और वो उनको मिसालों में बहुत सी बातें सिखाने लगा, और अपनी ता'लीम में उनसे कहा।
3 Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
“सुनो! देखो; एक बोने वाला बीज बोने निकला।
4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
और बोते वक़्त यूँ हुआ कि कुछ राह के किनारे गिरा और परिन्दों ने आकर उसे चुग लिया।
5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
ओर कुछ पत्थरीली ज़मीन पर गिरा, जहाँ उसे बहुत मिट्टी न मिली और गहरी मिट्टी न मिलने की वजह से जल्द उग आया।
6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
और जब सुरज निकला तो जल गया और जड़ न होने की वजह से सूख गया।
7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
और कुछ झाड़ियों में गिरा और झाड़ियों ने बढ़कर दबा लिया, और वो फल न लाया।
8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
और कुछ अच्छी ज़मीन पर गिरा और वो उगा और बढ़कर फला; और कोई तीस गुना कोई साठ गुना कोई सौ गुना फल लाया।”
9 Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
“फिर उसने कहा! जिसके सुनने के कान हों वो सुन ले।”
10 Ary raha tao amin’ ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin’ ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy.
जब वो अकेला रह गया तो उसके साथियों ने उन बारह समेत उसे इन मिसालों के बारे में पूछा?
11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ ny fanoharana;
उसने उनसे कहा “तुम को ख़ुदा की बादशाही का भी राज़ दिया गया है; मगर उनके लिए जो बाहर हैं सब बातें मिसालों में होती हैं
12 mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony.
ताकि वो देखते हुए देखें और मा'लूम न करें‘और सुनते हुए सुनें और न समझें’ऐसा न हो कि वो फिर जाएँ और मु'आफ़ी पाएँ।”
13 Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
फिर उसने उनसे कहा “क्या तुम ये मिसाल नहीं समझे? फिर सब मिसालों को क्यूँकर समझोगे?
14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
बोनेवाला कलाम बोता है।
15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin’ izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
जो राह के किनारे हैं जहाँ कलाम बोया जाता है ये वो हैं कि जब उन्होंने सुना तो शैतान फ़ौरन आकर उस कलाम को जो उस में बोया गया था, उठा ले जाता है।
16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ ny hafaliana;
और इसी तरह जो पत्थरीली ज़मीन में बोए गए, ये वो हैं जो कलाम को सुन कर फ़ौरन ख़ुशी से क़बूल कर लेते हैं।
17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’ izay izy.
और अपने अन्दर जड़ नहीं रखते, बल्कि चन्द रोज़ा हैं, फिर जब कलाम की वजह से मुसीबत या ज़ुल्म बर्पा होता है तो फ़ौरन ठोकर खाते हैं।
18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
और जो झाड़ियों में बोए गए, वो और हैं ये वो हैं जिन्होंने कलाम सुना।
19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. (aiōn g165)
और दुनिया की फ़िक्र और दौलत का धोखा और और चीज़ों का लालच दाख़िल होकर कलाम को दबा देते हैं, और वो बेफल रह जाता है।” (aiōn g165)
20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
और जो अच्छी ज़मीन में बोए गए, ये वो हैं जो कलाम को सुनते और क़ुबूल करते और फल लाते हैं; कोई तीस गुना कोई साठ गुना और कोई सौ गुना।”
21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan’ ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ ny farafara? Tsy hatao amin’ ny fanaovan-jiro va izy?
और उसने उनसे कहा “क्या चराग़ इसलिए जलाते हैं कि पैमाना या पलंग के नीचे रख्खा जाए? क्या इसलिए नहीं कि चिराग़दान पर रख्खा जाए।”
22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
क्यूँकि कोई चीज़ छिपी नहीं मगर इसलिए कि ज़ाहिर हो जाए, और पोशीदा नहीं हुई, मगर इसलिए कि सामने में आए।
23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
अगर किसी के सुनने के कान हों तो सुन लें।”
24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
फिर उसने उनसे कहा “ख़बरदार रहो; कि क्या सुनते हो जिस पैमाने से तुम नापते हो उसी से तुम्हारे लिए नापा जाएगा, और तुम को ज़्यादा दिया जाएगा।
25 Fa izay manana no homena; ary ny amin’ ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
क्यूँकि जिस के पास है उसे दिया जाएगा और जिसके पास नहीं है उस से वो भी जो उसके पास है ले लिया जाएगा।”
26 Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan’ Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ ny tany
और उसने कहा “ख़ुदा की बादशाही ऐसी है जैसे कोई आदमी ज़मीन में बीज डाले।
27 ka matory sy mahatsiaro isan’ alina sy isan’ andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
और रात को सोए और दिन को जागे और वो बीज इस तरह उगे और बढ़े कि वो न जाने।
28 Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
ज़मीन आप से आप फल लाती है, पहले पत्ती फिर बालों में तैयार दाने।
29 Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin’ izay, fa efa tonga ny fararano.
फिर जब अनाज पक चुका तो वो फ़ौरन दरान्ती लगाता है क्यूँकि काटने का वक़्त आ पहुँचा।”
30 Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’ Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
फिर उसने कहा “हम ख़ुदा की बादशाही को किससे मिसाल दें और किस मिसाल में उसे बयान करें?
31 Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin’ ny tany;
वो राई के दाने की तरह है कि जब ज़मीन में बोया जाता है तो ज़मीन के सब बीजों से छोटा होता है।
32 Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
मगर जब बो दिया गया तो उग कर सब तरकारियों से बड़ा हो जाता है और ऐसी बड़ी डालियाँ निकालता है कि हवा के परिन्दे उसके साए में बसेरा कर सकते हैं।”
33 Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
और वो उनको इस क़िस्म की बहुत सी मिसालें दे दे कर उनकी समझ के मुताबिक़ कलाम सुनाता था।
34 Ary raha tsy tamin’ ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin’ ny mangingina no nilazany tamin’ ny mpianany ny hevitr’ ireo rehetra ireo.
और बे मिसाल उनसे कुछ न कहता था, लेकिन तन्हाई में अपने ख़ास शागिर्दों से सब बातों के मा'ने बयान करता था।
35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
उसी दिन जब शाम हुई तो उसने उनसे कहा “आओ पार चलें।”
36 Ary rehefa nampodin’ ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’ io sambokely io tamin’ izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
और वो भीड़ को छोड़ कर उसे जिस हाल में वो था, नाव पर साथ ले चले, और उसके साथ और नावें भी थीं।
37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ ny alon-drano ny sambokely ka nila ho feno rano.
तब बड़ी आँधी चली और लहरें नाव पर यहाँ तक आईं कि नाव पानी से भरी जाती थी।
38 Ary Jesosy natory teo am-bodin’ ny sambokely tambonin’ ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
और वो ख़ुद पीछे की तरफ़ गद्दी पर सो रहा था “पस उन्होंने उसे जगा कर कहा? ऐ उस्ताद क्या तुझे फ़िक्र नहीं कि हम हलाक हुए जाते हैं।”
39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
उसने उठकर हवा को डाँटा और पानी से कहा “साकित हो या'नी थम जा!” पस हवा बन्द हो गई, और बड़ा अमन हो गया।
40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
फिर उसने कहा “तुम क्यूँ डरते हो? अब तक ईमान नहीं रखते।”
41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?
और वो निहायत डर गए और आपस में कहने लगे “ये कौन है कि हवा और पानी भी इसका हुक्म मानते हैं।”

< Marka 4 >