< Filemona 1 >

1 Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’ i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,
παυλος δεσμιος χριστου ιησου και τιμοθεος ο αδελφος φιλημονι τω αγαπητω και συνεργω ημων
2 ary mamangy an’ i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:
και απφια τη αγαπητη και αρχιππω τω συστρατιωτη ημων και τη κατ οικον σου εκκλησια
3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
χαρις υμιν και ειρηνη απο θεου πατρος ημων και κυριου ιησου χριστου
4 Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ ny fivavahako,
ευχαριστω τω θεω μου παντοτε μνειαν σου ποιουμενος επι των προσευχων μου
5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’ i Jesosy Tompo sy ho an’ ny olona masìna rehetra,
ακουων σου την αγαπην και την πιστιν ην εχεις προς τον κυριον ιησουν και εις παντας τους αγιους
6 mba hiasa mafy ho an’ i Kristy ny fiombonana avy amin’ ny finoanao amin’ ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.
οπως η κοινωνια της πιστεως σου ενεργης γενηται εν επιγνωσει παντος αγαθου του εν υμιν εις χριστον ιησουν
7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ ny olona masìna, ry rahalahy.
{VAR1: χαριν } {VAR2: χαραν } γαρ εχομεν πολλην και παρακλησιν επι τη αγαπη σου οτι τα σπλαγχνα των αγιων αναπεπαυται δια σου αδελφε
8 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,
διο πολλην εν χριστω παρρησιαν εχων επιτασσειν σοι το ανηκον
9 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao.
δια την αγαπην μαλλον παρακαλω τοιουτος ων ως παυλος πρεσβυτης νυνι δε και δεσμιος ιησου χριστου
10 Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,
παρακαλω σε περι του εμου τεκνου ον εγεννησα εν τοις δεσμοις μου ονησιμον
11 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
τον ποτε σοι αχρηστον νυνι δε σοι και εμοι ευχρηστον
12 izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko;
ον ανεπεμψα συ δε αυτον τουτ εστιν τα εμα σπλαγχνα προσλαβου
13 saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ ny fifatorako noho ny filazantsara;
ον εγω εβουλομην προς εμαυτον κατεχειν ινα υπερ σου διακονη μοι εν τοις δεσμοις του ευαγγελιου
14 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.
χωρις δε της σης γνωμης ουδεν ηθελησα ποιησαι ινα μη ως κατα αναγκην το αγαθον σου η αλλα κατα εκουσιον
15 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, (aiōnios g166)
ταχα γαρ δια τουτο εχωρισθη προς ωραν ινα αιωνιον αυτον απεχης (aiōnios g166)
16 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ ny Tompo.
ουκετι ως δουλον αλλ υπερ δουλον αδελφον αγαπητον μαλιστα εμοι ποσω δε μαλλον σοι και εν σαρκι και εν κυριω
17 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
ει ουν εμε εχεις κοινωνον προσλαβου αυτον ως εμε
18 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
ει δε τι ηδικησεν σε η οφειλει τουτο εμοι ελλογει
19 izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany ― nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
εγω παυλος εγραψα τη εμη χειρι εγω αποτισω ινα μη λεγω σοι οτι και σεαυτον μοι προσοφειλεις
20 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.
ναι αδελφε εγω σου οναιμην εν κυριω αναπαυσον μου τα σπλαγχνα εν κυριω
21 Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.
πεποιθως τη υπακοη σου εγραψα σοι ειδως οτι και υπερ ο λεγω ποιησεις
22 Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.
αμα δε και ετοιμαζε μοι ξενιαν ελπιζω γαρ οτι δια των προσευχων υμων χαρισθησομαι υμιν
23 Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin’ i Kristy Jesosy,
ασπαζονται σε επαφρας ο συναιχμαλωτος μου εν χριστω ιησου
24 sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
μαρκος αρισταρχος δημας λουκας οι συνεργοι μου
25 Ho amin’ ny fanahinareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
η χαρις του κυριου ημων ιησου χριστου μετα του πνευματος υμων αμην [προς φιλημονα εγραφη απο ρωμης δια ονησιμου οικετου]

< Filemona 1 >