< Salamo 140 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, vonjeo amin’ ny olon-dratsy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe,
Al maestro de coro. Salmo de David. Líbrame, Yahvé, del hombre malo; defiéndeme del hombre violento,
2 Izay mihevitra ratsy ao am-pony Ka manangana ady isan’ andro
de esos que en su corazón maquinan cosas perversas, que provocan contiendas cada día;
3 Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy, Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony. (Sela)
afilan su lengua como la serpiente, tienen veneno de áspid bajo sus labios.
4 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, Ary arovy amin’ ny olon-dozabe, Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.
Sálvame, Yahvé, de las manos del inicuo, guárdame del impío, de los que intentan hacerme caer.
5 Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; Efa namela-pandrika harato teo amoron-dalana izy; Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.
Los soberbios me esconden lazos, y tienen mallas como red; me colocan trampas junto al camino.
6 Hoy izaho tamin’ i Jehovah Andriamanitro Hianao; Henoy ny feon’ ny fifonako, Jehovah ô!
Yo digo a Yahvé: Tú eres mi Dios; escucha, Yahvé, la voz de mi súplica.
7 Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ ny famonjena ahy, Manarona ny lohako amin’ ny andro fiadiana Hianao.
Señor Yahvé, poderoso auxilio mío, Tú cubres mi cabeza en el día de la batalla.
8 Jehovah ô, aza manome ny irin’ ny ratsy fanahy; Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy. (Sela)
No satisfagas, Yahvé, los deseos del inicuo, ni cumplas sus designios.
9 Ny lohan’ izay manemitra ahy Dia aoka hosaronan’ ny ratsy tononin’ ny molony.
No levanten cabeza los que me asedian; caiga sobre ellos la malicia de sus lenguas.
10 Aoka hisy vain’ afo halatsaka aminy; Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.
Lluevan sobre ellos carbones encendidos, precipítalos en abismos, para no levantarse más.
11 Tsy hampitoerina amin’ ny tany ny olo-mahay vava; Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.
El hombre de mala lengua no durará en la tierra; los infortunios caerán de golpe sobre el violento.
12 Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo.
Sé que Yahvé tomará la defensa del desvalido, hará justicia a los pobres.
13 Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao; Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.
Ciertamente los justos celebrarán tu Nombre; los rectos habitarán en tu presencia.

< Salamo 140 >