< Salamo 38 >

1 Salamo nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
記念のためにつくれるダビデのうた ヱホバよねがはくは忿恚をもて我をせめ はげしき怒をもて我をこらしめ給なかれ
2 Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao, ary manindry ahy mafy ny tananao,
なんぢの矢われにあたり なんぢの手わがうへを壓へたり
3 Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
なんぢの怒によりてわが肉には全きところなく わが罪によりてわが骨には健かなるところなし
4 Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
わが不義は首をすぎてたかく重荷のごとく負がたけれぱなり
5 Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
われ愚なるによりてわが傷あしき臭をはなちて腐れただれたり
6 Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
われ折屈みていたくなげきうなたれたり われ終日かなしみありく
7 Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
わが腰はことごとく焼るがごとく肉に全きところなければなり
8 Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.
我おとろへはて甚くきずつけられわが心のやずからざるによりて欷歔さけべり
9 Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
ああ主よわがすべての願望はなんぢの前にあり わが嘆息はなんぢに隠るることなし
10 Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.
わが胸をどりわが力おとろへ わが限のひかりも亦われをはなれたり
11 Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
わが女わが親めるものはわが痍をみて遥にたち わが隣もまた遠かりてたてり
12 Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana, sy misaim-pitaka mandrakariva.
わが生命をたづぬるものは羂をまうけ我をそこなはんとするものは惡言をいひ また終目たばかりを謀る
13 Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
然はあれどわれは聾者のごとくきかず われは口をひらかぬ唖者のごとし
14 Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
如此われはきかざる人のごとく口にことあげせぬ人のごときなり
15 Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
ヱホバよ我なんぢを俟望めり 主わが神よなんぢかならず答へたまふべければなり
16 Fa hoy izaho: sao dia hifalian’ izy ireo anie aho; ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
われ曩にいふ おそらくはかれらわが事によりて喜び わが足のすべらんとき我にむかひて誇りかにたかぶらんと
17 Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
われ仆るるばかりになりぬ わが悲哀はたえずわが前にあり
18 Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.
そは我みづから不義をいひあらはし わが罪のためにかなしめばなり
19 Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
わが仇はいきはたらきてたけく故なくして我をうらむるものおほし
20 Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin’ ny fanarahako ny tsara.
惡をもて善にむくゆるものはわれ善事にしたがふが故にわが仇となれり
21 Aza mahafoy ahy, Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
ヱホバよねがはくは我をはなれたたまふなかれ わが神よわれに遠かりたまふなかれ
22 Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
主わがすくひよ速きたりて我をたすけたまへ

< Salamo 38 >