< Salamo 58 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida. Moa ny tsi-fitenenana va ataonareo ho filazana ny marina? Mitsara mahitsy va ianareo, ry zanak’ olombelona?
Acaso fallaes vós devéras, ó congregação, a justiça? Julgaes realmente, ó filhos dos homens
2 Tsy izany, fa ny fonareo no amoronanareo ny ratsy; mandanja ny fandozan’ ny tananareo etỳ an-tany ianareo.
Antes no coração obraes perversidades: sobre a terra pesaes a violencia das vossas mãos.
3 Mivily hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy; mania hatrany an-kibo izy ka miteny lainga.
Alienam-se os impios desde a madre; andam errados desde que nasceram, fallando mentiras.
4 Misy poizina tahaka ny an’ ny menarana aminy; eny, tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadiny izy,
O seu veneno é similhante ao veneno da serpente; são como a vibora surda que tapa os ouvidos,
5 Ka tsy mihaino ny feon’ ny mpanao ody, na dia izay mpahay ody indrindra aza.
Para não ouvir a voz dos encantadores, do encantador sabio em encantamentos.
6 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny eo am-bavany; omboty ny vazan’ ny liona tanora, Jehovah ô.
Ó Deus, quebra-lhes os dentes nas suas boccas; arranca, Senhor, os dentes queixaes aos filhos dos leões.
7 Aoka ho ritra tahaka ny ranotrambo izy; raha atraniny ny zana-tsipìkany, dia aoka ho tapa-doha ireny;
Escorram como aguas que correm constantemente; quando elle armar as suas frechas, fiquem feitos em pedaços.
8 Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
Como a lesma se derrete, assim se vá cada um d'elles, como o aborto d'uma mulher, que nunca viu o sol.
9 Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
Antes que as vossas panellas sintam os espinhos, elle os arrebatará na sua indignação como com um redemoinho.
10 Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ ny ran’ ny ratsy fanahy izy;
O justo se alegrará quando vir a vingança; lavará os seus pés no sangue do impio.
11 Dia hiteny ny olona ka hanao hoe: misy valiny tokoa ho an’ ny marina; misy tokoa Andriamanitra Izay mitsara etỳ ambonin’ ny tany.
Então dirá o homem: Devéras ha uma recompensa para o justo; devéras ha um Deus que julga na terra.

< Salamo 58 >