< Salamo 63 >

1 Salamo nataon’ i Davida, fony tany an-efitr’ i Joda izy. Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
Psaume de David, lorsqu'il était dans le désert de Juda. Ô Dieu! tu es mon [Dieu] Fort, je te cherche au point du jour; mon âme a soif de toi, ma chair te souhaite en cette terre déserte, altérée, [et] sans eau.
2 Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
Pour voir ta force et ta gloire, ainsi que je t'ai contemplé dans ton Sanctuaire.
3 Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
Car ta gratuité est meilleure que la vie; mes lèvres te loueront.
4 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako.
Et ainsi je te bénirai durant ma vie, [et] j'élèverai mes mains en ton Nom.
5 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao.
Mon âme est rassasiée comme de mœlle et de graisse; et ma bouche te loue avec un chant de réjouissance.
6 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina.
Quand je me souviens de toi dans mon lit, je médite de toi durant les veilles de la nuit.
7 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako.
Parce que tu m'as été en secours, à cause de cela je me réjouirai à l'ombre de tes ailes.
8 Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.
Mon âme s'est attachée à toi pour te suivre, [et] ta droite me soutient.
9 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy;
Mais ceux-ci qui demandent que mon âme tombe en ruine, entreront au plus bas de la terre.
10 Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy.
On les détruira à coups d'épée; ils seront la portion des renards.
11 Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga.
Mais le Roi se réjouira en Dieu; [et] quiconque jure par lui s'en glorifiera; car la bouche de ceux qui mentent sera fermée.

< Salamo 63 >