< Salamo 64 >

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ ny tahotro ny fahavalo.
E HOOLOHE mai, e ke Akua, i ko'u leo, i ka'u kamailio ana'ku: E hoomalu i kuu ola nei, i ka makau ana i ka enemi.
2 Afeno aho tsy ho azon’ ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy, sy ny fitabataban’ ny mpanao ratsy,
E huna mai ia'u mai ka ohumu malu ana o ka poe hewa; Mai ka hoohaunaele ana hoi o ka poe lawehala:
3 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
Ka poe i hookala i ko lakou alelo me he pahikaua la; A i lena no hoi ko lakou mau pua, he mau olelo awahia;
4 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
I pana malu lakou i ka mea pono: Pana wawe no hoi lakou ia ia, aole hoi makau.
5 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
Hooikaika lakou ia lakou iho ma ka mea ino; Kukakuka lakou e waiho malu i na pahele; Olelo no hoi lakou, Owai la na mea e ike ia lakou?
6 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin’ ny olombelona, dia ny fony.
Imi no hoi lakou i na mea hewa; Huli lakou me ka imi ikaika: O ka manao a me ka naau o lakou he hohonu ia.
7 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ ny zana-tsipìka no fahavoazany.
Aka, e paua mai no ke Akua ia lakou me ka pua; E hiki wawe no ko lakou ku ana.
8 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.
Pela e hoohaule iho lakou i ko lakou alelo maluna o lakou iho; E holo aku no hoi ka poe a pau i ike ia lakou.
9 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon’ Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.
E pau no hoi na kanaka i ka makau, A e hai aku i ka hana a ke Akua; No ka mea, e noonoo naauao lakou i kana hana ana.
10 Mifaly amin’ i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.
E olioli ka mea pono ia Iehova, a e hilinai hoi ia ia; A e hauoli no hoi ka poe naau kupono a pau.

< Salamo 64 >