< Salamo 83 >

1 Tonon-kira. Salamo nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangìna; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
A song, or Psalme committed to Asaph. Keep not thou silence, O God: bee not still, and cease not, O God.
2 Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
For lo, thine enemies make a tumult: and they that hate thee, haue lifted vp the head.
3 Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
They haue taken craftie counsell against thy people, and haue consulted against thy secret ones.
4 Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ Isiraely.
They haue said, Come and let vs cut them off from being a nation: and let the name of Israel be no more in remembrance.
5 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
For they haue consulted together in heart, and haue made a league against thee:
6 Dia ny lain’ ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
The tabernacles of Edom, and the Ishmaelites, Moab and the Agarims:
7 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ ny mponina any Tyro.
Gebal and Ammon, and Amalech, the Philistims with the inhabitants of Tyrus:
8 Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin’ ny taranak’ i Lota ireo. (Sela)
Asshur also is ioyned with them: they haue bene an arme to the children of Lot. (Selah)
9 Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona;
Doe thou to them as vnto the Midianites: as to Sisera and as to Iabin at the riuer of Kishon.
10 Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
They perished at En-dor, and were dung for the earth.
11 Ataovy tahaka an’ i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’ i Zebaha sy Zaimona,
Make them, euen their princes like Oreb and like Zeeb: yea, all their princes like Zebah and like Zalmuna.
12 Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan’ Andriamanitra.
Which haue said, Let vs take for our possession the habitations of God.
13 Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ ny rivotra,
O my God, make them like vnto a wheele, and as the stubble before the winde.
14 Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
As the fire burneth the forest, and as the flame setteth the mountaines on fire:
15 Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ ny tafio-drivotrao.
So persecute them with thy tempest, and make them afraide with thy storme.
16 Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
Fill their faces with shame, that they may seeke thy Name, O Lord.
17 Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
Let them be confounded and troubled for euer: yea, let them be put to shame and perish,
18 Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ ny tany rehetra.
That they may knowe that thou, which art called Iehouah, art alone, euen the most High ouer all the earth.

< Salamo 83 >