< اول تواریخ 18 >

و بعد از اين واقع شد که داود فلسطينيان را شکست داده، مغلوب ساخت و جَتّ و قريه هايش را از دست فلسطينيان گرفت. ۱ 1
Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin’ ny tanan’ ny Filistina.
و موآب را شکست داد و موآبيان بندگان داود شده، هدايا آوردند. ۲ 2
Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon’ i Davida nandoa hetra ireo.
و داود هَدَرعَزَر پادشاه صُوبَه را در حَمات هنگامي که مي رفت تا سلطنت خود را نزد نهر فرات استوار سازد، شکست داد. ۳ 3
Dia resin’ i Davida koa Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba akaikin’ i Hamata, tamin’ izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron’ ny ony Eofrata.
و داود هزار ارابه و هفت هزار سوار و بيست هزار پياده از او گرفت، و داود تمامي اسبان ارابه را پي کرد، اما از آنها براي صد ارابه نگاه داشت. ۴ 4
Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin’ i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin’ ny kalesy zato ihany no navelany.
و چون اَراميانِ دمشق به مدد هَدَرعَزَر پادشاه صُوبَه آمدند، داود بيست و دو هزار نفر از اَراميان را کشت. ۵ 5
Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba, dia nahafatesan’ i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
و داود در اَرامِ دمشق (قراولان) گذاشت و اَراميان بندگان داود شده، هدايا آوردند. و خداوند داود را در هر جا که مي رفت نصرت مي داد. ۶ 6
Ary nisy namponenin’ i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
و داود سپرهاي طلا را که بر خادمان هَدَرعَزَر بود گرفته، آنها را به اورشليم آورد. ۷ 7
Ary nalain’ i Davida ny ampinga volamena teny amin’ ny mpanompon’ i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
و داود از طِبحَت و کُون شهرهاي هَدَرعَزَر برنج از حد زياده گرفت که از آن سُليمان درياچه و ستونها و ظروف برنجين ساخت. ۸ 8
Ary tao Tibata sy Kona, tanànan’ i Hadarezera, no nahazoan’ i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’ i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
و چون تُوعُو پادشاه حَمات شنيد که داود تمامي لشکر هَدَرعَزَر پادشاه صُوبَه را شکست داده است، ۹ 9
Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an’ i Hadarezera, mpanjakan’ i Zoba,
پسر خود هَدُرام را نزد داود پادشاه فرستاد تا سلامتي او بپرسد و او را تَهنِيت گويد از آن جهت که با هَدَرعَزَر جنگ نموده او را شکست داده بود، زيرا هَدَرعَزَر با تُوعُو مقاتله مي نمود؛ و هر قِسم ظروف طلا و نقره و برنج (با خود آورد). ۱۰ 10
dia naniraka an’ i Hadorama zanany hankany amin’ i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’ i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon’ i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
و داود پادشاه آنها را نيز براي خداوند وقف نمود، با نقره و طلايي که از جميع امّت ها يعني از اَدُوم و موآب و بني عَمُّون و فلسطينيان و عَمالَقَه آورده بود. ۱۱ 11
Dia nohamasinin’ i Davida mpanjaka ho an’ i Jehovah koa izany mbamin’ ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin’ ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
و اَبِشاي ابن صَرُويه هجده هزار نفر از اَدُوميان را در وادي مِلح کشت. ۱۲ 12
Ary Abisay, zanak’ i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin’ ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
و در اَدُوم قراولان قرار داد و جميع اَدُوميان بندگان داود شدند و خداوند داود را در هر جايي که مي رفت نصرت مي داد. ۱۳ 13
Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon’ i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an’ i Davida teny amin’ izay rehetra nalehany.
و داود بر تمامي اسرائيل سلطنت نمود، انصاف و عدالت را بر تمامي قوم خود مجزا مي داشت. ۱۴ 14
Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ ny fahamarinana.
و يوآب بن صَرُويه سردار لشکر بود و يهوشافاط بن اَخِيلُود وقايع نگار. ۱۵ 15
Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, no komandin’ ny miaramila; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
و صادوق بن اَخِيطُوب و ابيمَلِک بن اَبياتار کاهن بودند و شوشا کاتب بود. ۱۶ 16
Ary Zadoka, zanak’ i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak’ i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.
و بنايا ابن يهُوياداع رئيس کَريتيان و فَلِيتيان و پسران داود نزد پادشاه مقدم بودند. ۱۷ 17
Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak’ i Davida no lehibe tamin’ izay nanolotra ny mpanjaka.

< اول تواریخ 18 >