< اول تواریخ 22 >

پس داود گفت: « اين است خانه يهُوَه خدا، و اين مذبح قرباني سوختني براي اسرائيل مي باشد.» ۱ 1
Dia hoy Davida: Eto no ho tranon’ i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an’ ny Isiraely.
و داود فرمود تا غريبان را که در زمين اسرائيل اند جمع کنند، و سنگ تراشان معين کرد تا سنگهاي مربع براي بناي خانه خدا بتراشند. ۲ 2
Ary nasain’ i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’ Andriamanitra.
و داود آهن بسياري به جهت ميخها براي لنگه هاي دروازه ها و براي وصلها حاضر ساخت و برنج بسيار که نتوان وزن نمود. ۳ 3
Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon’ ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja
و چوب سرو آزاد بيشمار زيرا اهل صَيدون و صور چوب سرو آزاد بسيار براي داود آوردند. ۴ 4
sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin’ i Davida.
و داود گفت: « پسر من سليمان صغير و نازک است و خانه اي براي يهُوَه بايد بنا نمود، مي بايست بسيار عظيم و نامي و جليل در تمامي زمينها بشود؛ لهذا حال برايش تهيه مي بينم.» پس داود قبل از وفاتش تهيه بسيار ديد. ۵ 5
Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an’ i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.
پس پسر خود سليمان را خوانده، او را وصيت نمود که خانه اي براي يهُوَه خداي اسرائيل بنا نمايد. ۶ 6
Ary niantso an’ i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an’ i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,
و داود به سليمان گفت که: « اي پسرم! من اراده داشتم که خانه اي براي اسم يهُوَه خداي خود بنا نمايم. ۷ 7
ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro;
ليکن کلام خداوند بر من نازل شده، گفت: چونکه بسيار خون ريخته اي و جنگهاي عظيم کرده اي، پس خانه اي براي اسم من بنا نخواهي کرد، چونکه به حضور من بسيار خون بر زمين ريخته اي. ۸ 8
saingy nisy tenin’ i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an’ ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin’ ny tany teo imasoko.
اينک پسري براي تو متولد خواهد شد که مرد آرامي خواهد بود زيرا که من او را از جميع دشمنانش از هر طرف آرامي خواهم بخشيد، چونکه اسم او سليمان خواهد بود در ايام او اسرائيل را سلامتي و راحت عطا خواهم فرمود. ۹ 9
Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin’ ny androny.
او خانه اي براي اسم من بنا خواهد کرد و او پسر من خواهد بود و من پدر او خواهم بود. و کُرسي سلطنت او را بر اسرائيل تا ابدالآباد پايدار خواهم گردانيد. ۱۰ 10
Izy no hanao trano ho an’ ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan’ ny fanjakany amin’ ny Isiraely mandrakizay.
پس حال اي پسر من خداوند همراه تو باد تا کامياب شوي و خانه يهُوَه خداي خود را چنانکه درباره تو فرموده است بنا نمايي. ۱۱ 11
Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’ i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.
اما خداوند تو را فطانت و فهم عطا فرمايد و تو را درباره اسرائيل وصيت نمايد تا شريعت يهُوَه خداي خود را نگاه داري. ۱۲ 12
Ary homen’ i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan’ i Jehovah Andriamanitrao.
آنگاه اگر متوجه شده، فرايض و احکامي را که خداوند به موسي درباره اسرائيل امر فرموده است، به عمل آوري کامياب خواهي شد. پس قوي دلير باش و ترسان و هراسان مشو. ۱۳ 13
Ary amin’ izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ho an’ ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.
و اينک من در تنگي خود صد هزار وزنه طلا و صد هزار وزنه نقره و برنج و آهن اينقدر زياده که به وزن نيايد، براي خانه خداوند حاضر کرده ام؛ و چوب و سنگ نيز مهيا ساخته ام و تو بر آنها مزيد کن. ۱۴ 14
Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon’ i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.
و نزد تو عمله بسيارند، از سنگ بران و سنگتراشان و نجاران و اشخاص هنرمند براي هر صنعتي. ۱۵ 15
Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra.
طلا و نقره و برنج و آهن بيشمار است پس برخيز و مشغول باش و خداوند همراه تو باد.» ۱۶ 16
Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.
و داود تمامي سروران اسرائيل را امر فرمود که پسرش سليمان را اعانت نمايند. ۱۷ 17
Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely hanampy an’ i Solomona zanany hoe:
( و گفت): « آيا يهُوَه خداي شما با شما نيست و آيا شما را از هر طرف آرامي نداده است؟ زيرا ساکنان زمين را به دست من تسليم کرده است و زمين به حضور خداوند و به حضور قوم او مغلوب شده است. ۱۸ 18
Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan’ i Jehovah sy teo anoloan’ ny olony.
پس حال دلها و جانهاي خود را متوجه سازيد تا يهُوَه خداي خويش را بطلبيد و برخاسته، مَقدس يهُوَه خداي خويش را بنا نمايد تا تابوت عهد خداوند و آلات مقدس خدا را به خانه اي که به جهت اسم يهُوَه بنا مي شود درآوريد.» ۱۹ 19
Koa ankehitriny ampitadiavo an’ i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ny fanaka masin’ Andriamanitra ho ao amin’ ny trano izay hatao ho an’ ny anaran’ i Jehovah.

< اول تواریخ 22 >