< ارمیا 41 >

و در ماه هفتم واقع شد که اسماعیل بن نتنیا ابن الیشاماع که از نسل پادشاهان بود با بعضی از روسای پادشاه و ده نفر همراهش نزد جدلیا ابن اخیقام به مصفه آمدند و آنجا درمصفه با هم نان خوردند. ۱ 1
Ary tamin’ ny volana fahafito dia tonga tany amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
و اسماعیل بن نتنیا وآن ده نفر که همراهش بودند برخاسته، جدلیا ابن اخیقام بن شافان را به شمشیر زدند و او را که پادشاه بابل به حکومت زمین نصب کرده بودکشت. ۲ 2
Dia nitsangana Isimaela, zanak’ i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
و اسماعیل تمامی یهودیانی را که همراه او یعنی با جدلیا در مصفه بودند و کلدانیانی را که در آنجا یافت شدند و مردان جنگی را کشت. ۳ 3
Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’ i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin’ Isimaela avokoa.
و در روز دوم بعد از آنکه جدلیا را کشته بودو کسی از آن اطلاع نیافته بود، ۴ 4
Ary nony ampitson’ ny andro namonoana an’ i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
هشتاد نفر با ریش تراشیده و گریبان دریده و بدن خراشیده هدایا وبخور با خود آورده، از شکیم و شیلوه و سامره آمدند تا به خانه خداوند ببرند. ۵ 5
dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon’ i Jehovah.
و اسماعیل بن نتنیا به استقبال ایشان از مصفه بیرون آمد و دررفتن گریه می‌کرد و چون به ایشان رسید گفت: «نزد جدلیا ابن اخیقام بیایید.» ۶ 6
Ary Isimaela, zanak’ i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny am-pandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama.
و هنگامی که ایشان به میان شهر رسیدند اسماعیل بن نتنیا وکسانی که همراهش بودند ایشان را کشته، درحفره انداختند. ۷ 7
Ary nony tonga tao afovoan’ ny tanàna izy ireo, dia novonoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, mbamin’ ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
اما در میان ایشان ده نفر پیداشدند که به اسماعیل گفتند: «ما را مکش زیرا که ما را ذخیره‌ای از گندم و جو و روغن و عسل درصحرا می‌باشد.» پس ایشان را واگذاشته، در میان برادران ایشان نکشت. ۸ 8
Fa nisy folo lahy tamin’ ireo nanao tamin’ Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin’ ny namany.
و حفره‌ای که اسماعیل بدنهای همه کسانی را که به‌سبب جدلیا کشته در آن انداخته بود همان است که آسا پادشاه به‌سبب بعشا پادشاه اسرائیل ساخته بود و اسماعیل بن نتنیا آن را از کشتگان پرکرد. ۹ 9
Ary ilay lavaka nanarian’ Isimaela ny fatin’ ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan’ i Gedalia, dia ilay efa nataon’ i Asa mpanjaka mba hiereny an’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, dia nofenoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, faty.
پس اسماعیل تمامی بقیه قوم را که درمصفه بودند با دختران پادشاه و جمیع کسانی که در مصفه باقی‌مانده بودند که نبوزردان رئیس جلادان به جدلیا ابن اخیقام سپرده بود، اسیر ساخت و اسماعیل بن نتنیا ایشان را اسیر ساخته، می‌رفت تا نزد بنی عمون بگذرد. ۱۰ 10
Ary nentin’ Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak’ andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama; eny, Isimaela, zanak’ i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin’ ny taranak’ i Amona izy.
اما چون یوحانان بن قاریح و تمامی سرداران لشکری که همراهش بودند از تمامی فتنه‌ای که اسماعیل بن نتنیا کرده بود خبر یافتند، ۱۱ 11
Fa nony ren’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon’ Isimaela, zanak’ i Netania,
آنگاه جمیع کسان خود را برداشتند و به قصد مقاتله با اسماعیل بن نتنیا روانه شده، او را نزد دریاچه بزرگ که درجبعون است یافتند. ۱۲ 12
dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania ary hitany teo amoron’ ny kamory ao Gibeona izy.
و چون جمیع کسانی که بااسماعیل بودند یوحانان بن قاریح و تمامی سرداران لشکر را که همراهش بودند دیدندخوشحال شدند. ۱۳ 13
Ary ny olona rehetra izay tao amin’ Isimaela, nony nahita an’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
و تمامی کسانی که اسماعیل از مصفه به اسیری می‌برد روتافته، برگشتند و نزدیوحانان بن قاریح آمدند. ۱۴ 14
Ary ny olona rehetra izay nentin’ Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an’ i Johanana, zanak’ i Karea.
اما اسماعیل بن نتنیابا هشت نفر از دست یوحانان فرار کرد و نزدبنی عمون رفت. ۱۵ 15
Fa Isimaela, zanak’ i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an’ i Johanana ka lasa nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
و یوحانان بن قاریح با همه سرداران لشکرکه همراهش بودند، تمامی بقیه قومی را که ازدست اسماعیل بن نتنیا از مصفه بعد از کشته شدن جدلیا ابن اخیقام خلاصی داده بود بگرفت، یعنی مردان دلیر جنگی و زنان و اطفال و خواجه‌سرایان را که ایشان را در جبعون خلاصی داده بود؛ ۱۶ 16
Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania, avy tany Mizpa, taorian’ ny namonoany an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
و ایشان رفته، در جیروت کمهام که نزدبیت لحم است منزل گرفتند تا بروند و به مصرداخل شوند، ۱۷ 17
ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin’ i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.
به‌سبب کلدانیان زیرا که از ایشان می‌ترسیدند چونکه اسماعیل بن نتنیا جدلیا ابن اخیقام را که پادشاه بابل او را حاکم زمین قرار داده بود کشته بود. ۱۸ 18
tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak’ i Netania, efa namono an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, izay notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.

< ارمیا 41 >