< لاویان 21 >

و خداوند به موسی گفت: «به کاهنان یعنی پسران هارون خطاب کرده، به ایشان بگو: کسی از شما برای مردگان، خود رانجس نسازد، ۱ 1
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ ny fireneny,
جز برای خویشان نزدیک خود، یعنی برای مادرش و پدرش و پسرش و دخترش و برادرش. ۲ 2
afa-tsy amin’ ny tahaka ny tenany, dia ny reniny sy ny rainy sy ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny rahalahiny;
و برای خواهر باکره خود که قریب او باشد و شوهر ندارد؛ برای او خود را نجس تواند کرد. ۳ 3
ary amin’ ny fatin’ ny anabaviny, izay tahaka ny tenany ihany koa sady tsy mbola manam-bady fa virijina, no ahazoany mandoto ny tenany.
چونکه در قوم خود رئیس است، خود را نجس نسازد، تا خویشتن را بی‌عصمت نماید. ۴ 4
Tsy hiditra am-paty hametaveta ny tenany izy, satria andriana eo amin’ ny fireneny izy.
سر خود را بی‌مو نسازند، و گوشه های ریش خود را نتراشند، و بدن خود را مجروح ننمایند. ۵ 5
Tsy hanasola ny lohany izy, na hanaratra ny vaokany, na hitetika ny tenany.
برای خدای خود مقدس باشند، و نام خدای خود را بی‌حرمت ننمایند. زیرا که هدایای آتشین خداوند و طعام خدای خود را ایشان می‌گذرانند. پس مقدس باشند. ۶ 6
Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.
زن زانیه یابی عصمت را نکاح ننمایند، و زن مطلقه ازشوهرش را نگیرند، زیرا او برای خدای خودمقدس است. ۷ 7
Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ ny lahy; fa masìna ho an’ Andriamaniny ny mpisorona.
پس او را تقدیس نما، زیرا که اوطعام خدای خود را می‌گذراند. پس برای تومقدس باشد، زیرا من یهوه که شما را تقدیس می‌کنم، قدوس هستم. ۸ 8
Dia hamasino izy, fa ny hanin’ Andriamanitrao no ateriny; ho masìna aminao izy, fa masìna Aho Jehovah, Izay manamasìna anareo.
و دختر هر کاهنی که خود را به فاحشگی بی‌عصمت ساخته باشد، پدرخود را بی‌عصمت کرده است. به آتش سوخته شود. ۹ 9
Ary raha ny zanakavavin’ ny mpisorona mandoto ny tenany amin’ ny fijangajangana, dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ ny afo.
«و آن که از میان برادرانش رئیس کهنه باشد، که بر سر او روغن مسح ریخته شده، وتخصیص گردیده باشد تا لباس را بپوشد، موی سر خود را نگشاید و گریبان خود را چاک نکند، ۱۰ 10
Ary ny mpisoronabe, izay nalaina tamin’ ny rahalahiny, ka nanidinana ny diloilo fanosorana ny lohany, sady natokana hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo, na handriatra ny fitafiany.
و نزد هیچ شخص مرده نرود، و برای پدر خودو مادر خود خویشتن را نجس نسازد. ۱۱ 11
Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy, ka tsy handoto ny tenany na dia amin’ ny rainy aman-dreniny aza.
و ازمکان مقدس بیرون نرود، و مکان مقدس خدای خود را بی‌عصمت نسازد، زیرا که تاج روغن مسح خدای او بر وی می‌باشد. من یهوه هستم. ۱۲ 12
Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ ny fitoerana masìna izy, na handoto ny fitoera-masin’ Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’ Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.
و اوزن باکره‌ای نکاح کند. ۱۳ 13
Ary aoka hampakatra izay vehivavy mbola virijina izy.
و بیوه و مطلقه وبی عصمت و زانیه، اینها را نگیرد. فقط باکره‌ای از قوم خود را به زنی بگیرد. ۱۴ 14
Fa ny maty vady, na ny efa nisaorana, na ny voaloto tamin’ ny fijangajangana, dia tsy azony hampakarina, fa virijina avy amin’ ny fireneny ihany no hampakariny.
و ذریت خود را درمیان قوم خود بی‌عصمت نسازد. من یهوه هستم که او را مقدس می‌سازم.» ۱۵ 15
Ary aoka tsy hanao izay hahaloto ny taranany eo amin’ ny fireneny izy; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
و خداوند موسی را خطاب کرده، گفت: ۱۶ 16
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
«هارون را خطاب کرده، بگو: هر کس از اولادتو در طبقات ایشان که عیب داشته باشد نزدیک نیاید، تا طعام خدای خود را بگذراند. ۱۷ 17
Mitenena amin’ i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ ny zanakao, amin’ ny taranany hatramin’ ny fara mandimby, dia aoka tsy hanakaiky fanatitra ny hanin’ Andriamaniny;
پس هرکس که عیب دارد نزدیک نیاید، نه مرد کور و نه لنگ و نه پهن بینی و نه زایدالاعضا، ۱۸ 18
Fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanao izany na ny jamba, na ny mandringa, na ny petaka orona, na ny manana amby,
و نه کسی‌که شکسته پا یا شکسته دست باشد، ۱۹ 19
na ny tapa-tongotra, na ny tapa-tanana,
و نه گوژپشت و نه کوتاه قد و نه کسی‌که در چشم خودلکه دارد، و نه صاحب جرب و نه کسی‌که گری دارد و نه شکسته بیضه. ۲۰ 20
na ny vokoka, na ny sahozanina, na ny misy pentimpentina eo amin’ ny masony, na ny hatenina, na ny tsingaohina, na ny torotoro vihy.
هر کس از اولاد هارون کاهن که عیب داشته باشد نزدیک نیاید، تا هدایای آتشین خداوند را بگذراند، چونکه معیوب است، برای گذرانیدن طعام خدای خود نزدیک نیاید. ۲۱ 21
Ny olona rehetra amin’ ny zanak’ i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin’ Andriamaniny.
طعام خدای خود را خواه از آنچه قدس اقداس است و خواه از آنچه مقدس است، بخورد. ۲۲ 22
Ny hanin’ Andriamaniny, izay avy amin’ ny zavatra masìna indrindra sy ny zavatra masìna, dia azony hanina ihany;
لیکن به حجاب داخل نشود و به مذبح نزدیک نیاید، چونکه معیوب است، تا مکان مقدس مرا بی‌حرمت نسازد. من یهوه هستم که ایشان را تقدیس می‌کنم.» ۲۳ 23
kanefa tsy mahazo miditra ao anatin’ ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masìna izy, fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
پس موسی هارون وپسرانش و تمامی بنی‌اسرائیل را چنین گفت. ۲۴ 24
Ary Mosesy dia nilaza izany tamin’ i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’ Isiraely rehetra.

< لاویان 21 >