< Исаия 31 >

1 Горе тем, которые идут в Египет за помощью, надеются на коней и полагаются на колесницы, потому что их много, и на всадников, потому что они весьма сильны, а на Святаго Израилева не взирают и к Господу не прибегают!
Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.
2 Но премудр Он; и наведет бедствие, и не отменит слов Своих; восстанет против дома нечестивых и против помощи делающих беззаконие.
Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
3 И Египтяне - люди, а не Бог; и кони их - плоть, а не дух. И прострет руку Свою Господь, и споткнется защитник, и упадет защищаемый, и все вместе погибнут.
Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’ i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
4 Ибо так сказал мне Господь: как лев, как скимен, ревущий над своею добычею, хотя бы множество пастухов кричало на него, от крика их не содрогнется и множеству их не уступит, - так Господь Саваоф сойдет сразиться за гору Сион и за холм его.
Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron’ ny liona sy ny liona tanora eo amin’ ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon’ ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.
5 Как птицы - птенцов, так Господь Саваоф покроет Иерусалим, защитит и избавит, пощадит и спасет.
Tahaka ny vorona manomba no hiarovan’ i Jehovah, tompon’ ny maro, an’ i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka.
6 Обратитесь к Тому, от Которого вы столько отпали, сыны Израиля!
Koa miverena ho amin’ izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’ Isiraely ô.
7 В тот день отбросит каждый человек своих серебряных идолов и золотых своих идолов, которых руки ваши сделали вам на грех.
Fa amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon’ ny tananareo.
8 И Ассур падет не от человеческого меча, и не человеческий меч потребит его, - он избежит от меча, и юноши его будут податью.
Ary ny Asyriana ho lavon’ ny sabatra izay tsy mba an’ olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an’ olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
9 И от страха пробежит мимо крепости своей; и князья его будут пугаться знамени, говорит Господь, Которого огонь на Сионе и горнило в Иерусалиме.
Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.

< Исаия 31 >